Faha 5

1 Tandremo ny fitondran-tenanao rafa mankaigny an-dragnon'Andriamanitra anao. Mandiana aigny mba hitaino. Ny mitaino de tsara noho ny adala manolotra sorona nefa tsy mahalala fa ratsy no hataonjareo akeo am' fiaignana. 2 Aza malaky lôtra mitare am'vavanao, ary ôka ny fonao tsy halaky lôtra hampakatra ze raharaha daôly akeo agnolôn'Andriamanitra. Aigny an-dagnitra Andriamanitra, fa anao aty an-tany, ka ôka ho vitsy ny teninao. 3 Raha be lôtra ny ra ataonao sy mampiahiahy an'nao, de hagnonofy ratsy tokô anao. Ny habetsak'reo teny lazainao, no habetsaky ny fahadalana mety ho lazainao. 4 Rafa mivoady amin'Andriamanitra anao, de aza mivagnavagna am' fagnifanao an'zany, fa tsy sitrak'Andriamanitra reo adala. Atôvy ze nagnanaovanao voady fa ho ataonao. 5 Aleo tsy mivoady toy zay magnano voady ze tsy tanterakao akory 6 Aza avela hampagnota ny vatagnao ny vavanao. Aza mitare amin'ny iraky ny mpisorogna hoe: "Fahadisoana igny voady igny." Nagnino no mampasosy an'Andriamanitra am'fagnanaovana voady tsy izy, mikatsika an'Andriamanitra hanimba ny asan'ny tagnanao? 7 Fa akao am' nofy betsaka, sahala ny akao am'teny maro, de misy entona tsisy varany. Ka matahôra an'Andriamanitra 8 Raha hitanao hampahorena sy ravaina am'fitondrana marina sy mahitsy akao am' faritaninao ny mahantra, de aza gaga raha tsisy ôlà mahalala, satria misy ôlà mahery ze miambina an'reo akeo ambany fahefanjareo, ary misy ôlà ambony kokô aza manapaka am'njareo. 9 Fagnampin'zany, an'ny ôlà daôly ny vokatry ny tany, ary ny mpanjaka mihitsy no miaka ny vokatra am'reo saha. 10 Ny ôlà daôly ze tè volafotsy de tsy ho afa-po am'volafotsy, ary ny ôlà daôly ze tè harena de mikaraka mihôtra lalandava. Zany, ihany kô de entona. 11 Ôtray hitomboan'ny fagnambinana, de sahala an'zany kô ny ôlà ze mihinana an'zany. Ino no tombon-tsoa an'ny tômpony amin'ny harena afa-tsy ny mijery an'zany am' masony? 12 Mamy ny torimason'ny ôlà miasa, na mihinana kely na betsaka izy, fa ny harenan'ny ôlà mpanan-karena de tsy mamela an'azy hatory tsara 13 Misy ratsy mahory ze efa hitako taty ambany masoandro: de harena angonin'ny tômpony, fa mefara am' fahorena ihany. 14 Raha very am' vitan-dratsy ny harenan'ôlà mpanan-karena, ny zanagny lahy, le nateragny, de tavela tsy managna na inona na inona akeo an-tagnany. 15 Ôtra ny ôlà teraka nibilaka avy akao an-kibon-dreniny, de mibilaka ôtr'zany ihany kô no hialany am'ty fiaignana ty. Tsy afaka hitondra na ino na ino aigny an-tagnany avy amin'ny asany izy. 16 Ny ratsy mahory hafa de sahala ny ôlà tonga tokô, ka ôtran'zany hôno tsy maintsy handianany. Ka ino ny tombony azon'ny ôlà amin'ny fiasàna ho an'ny rivotra? 17 Mandritra ny androny de mihinana amin'ny aizigna izy ary ory fatratra amin'ny aretina sy ny fahasosena 18 Ze efa hitako ho tsara sy mety de ny mihinana sy misotro ary mankafy ny tombony avy amin'ny asantsika daôly, raha miasa ambany masoandro mandritra ny ty androm-piaignana ze efa namen' Andriamanitra an'ntsika. Fa zany no anjaran'ôlà. 19 Ny ôlà ze namen'Andriamanitra fanagnana sy harena ary fahaizana mba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asany - fagnomezana avy amin'Andriamanitra zany. 20 Fa tsy mahatsiaro matetika an'reo androm'piaignany izy, satria ataon'Andriamanitra reraka am'reo ra ze tèny atao.