Faha 4

1 Nandinika ndray mande momba ny fahorena daôly ze vita takeo ambany masoandro za. Ary ny ranomason'ny ôlà nampahorena, ary zareo de tsy nanagna na iza na iza mba hampionona an'azy! Takeo an-tagnan'ny mpampahory an'azy reo ny hery,ary tsisy na raika aza hampionona an'njareo. 2 Noho zany de miarahaba ny ôlà maty za, reo ze efa maty fa tsy ny miaigna, reo ze mbôla velona. 3 Kanefa, sambatra noho izy ro tonta ny ôlà ze tsy mbôla hary, ze tsy mbôla nahita ny asa ratsy daôly ze vita takeo ambany masoandro. 4 Ary hitako fa ny asa tsiraikaraika sy ny fahaiza-magnano tsiraikaraika de manjary fitsiriritan'ny mpiara-monina hafa. Zany ihany kô de entona sy fikasàna hisambo-drivotra. 5 Ny adala mamoritra ny tagnany ary tsy miasa, ka de ny nofony ihany no hahaniny. 6 Fa tsara kokô ny tombony ndraiki-tagnana amin'ny asa mangina noho ny ro-tagnana amin'ny asa ze miezaka misambo-drivotra. 7 Avy akeo de nandinika ny momba ny zava-pôgna maro ndre za, fifanjavôna betsaka takeo ambany masoandro. 8 Misy ny karazan-deilà ze mipetra-drerika. Tsy magnana na iza na iza izy, na zanaka lahy na rahalà. Tsisy fefarana ny asany, ary ny masony tsy mba afa-po amin'ny harena azo. Nagnontany tegna izy hoe: " Ho amin'iza no hiasàko mafy ary handavan'ny tegnako ny fifalena?" Zava-pôgna ihany kô zany,toe-javatra ratsy. 9 Tsara ny ôlà rôy miasa noho ny raika; raha miaraka zareo de misy tambiny tsara ny fisasaragny. 10 Fa raha lavo ny raika, de afaka magnarina ny namany ny hafa. Kanefa, ny alahelo de magnaraka an'le raika ze rerika rafa lavo izy ka tsisy na raika aza magnarina an'azy. 11 Raha rôy no miara-matory, de mafana zareo, kanefa ahôna no hampafana rerika ny raika? 12 Ny leilà rerika no mety ho resy, fa ny rôy mety afaka manoitra fanafina, ary ny kofehy telo tsy ho mora tapaka. 13 Tsara kokô ny mahantra fa tanora hendry ôtrany ze mpanjaka antitra adala ze tsy mahafantatra ntsony ny fomba hitandrignesana. 14 Marina zany na de lasana mpanjaka aza ny gaondà raika avy aigny am-ponja, na de mbôla nateraka hahantra akao am'fanjakany aza izy 15 Kanefa, za de nahita ôlà daôly ze velona sy mande ambany masoandro magnandefa ny tegnanjareo mankaigny am' gaondà hafa ze nitsangana sahala ny mpanjaka. 16 Tsisy fefarana ho an'ny ôlà daôly ze magniry ny hankatò ny mpanjaka vaovao, fa akao afara kely de maro aminjareo no tsy hidera an'azy ntsony. Entona tokô zany toe-javatra zany ary fikasàna hisambo-drivotra.