Faha 3

1 Fa ny ra daôly de efa vôtondro am' fotônany, ary ny vanim-potôna ho am' tanjona isanisany ambany lagnitra. 2 Akao ny fotôna ahaterahana sy fotôna ahafatesana, fotôna hambolena ary fotôna hamokarana, 3 fotôna hamonòna ary fotôna hagnasitranana, fotôna handrodagnana ary fotôna hananganana. 4 Akao ny fotôna hitomagnena ary ny fotôna himemezana, fotôna hisaonana ary fotôna handihizana, 5 fotôna hagnariam-bato ary fotôna hagnangonam-bato, fotôna hamihinana ôlon-kafa, ary fotôna handrarana ny famihinana 6 Akao ny fotôna hikaran-dra ary fotôna hijanonana mikarakara, fotôna hifikirana amin-dra ary fotôna hagnarena an'zany, 7 fotôna handrovitana ary fotôna hanjairana, fotôna hanginana ary fotôna hitaravana 8 Akao ny fotôna hitiavana ary fotôna hankalana, fotôna hedivana ary fotôna hevanana. 9 Ino no tombony azon'ny mpiasa amin'ny asany? 10 Efa hitaho ny asa ze namen'Andriamanitra ho tanteran'ôlombelona 11 Efa nagnano ny ra daôly hifagnaraka am'fotônany Andriamanitra. Efa nampitoetra ny mandrakizay takao am-pon'reo ihany kô Izy. Efa tsy afaka hatakatra ny asa leibe ze nataon'Andriamanitra ny ôlombelona hatram' fetombony ka hatram' fefarany. 12 Fantatro fa tsisy ra tsara ho an'ny ôlà noho ny mifaly sy magnano ra tsara hatraigny raha mbôla velona kô izy - 13 ary ny ôlà daôly de tokony hihinana sy hisotro, ary tokony hahay hifaly am' tsara ze avy amin'ny asany daôly. Fagnomezana avy amin'Andriamanitra zany. 14 Fantatro fa ze daôly ataon'Andriamanitra de maharitra mandrakizay. Tsy afaka ampena zany na angalana, satria Andriamanitra no efa nagano an'zany mba agnatognan'ôlà an'Azy am' voninàtra. 15 Ze daôly misy de efa nisy, ze daôly hisy de efa nisy. Andriamanitra de nagnano ny ôlombelona hikarakara an'reo zava-mifina. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "Andriamanitra de nagnano ny ôlombelona hikarakara an'reo zava-miafina reo dikan-teny vaovao hafa mandika io an-dalana io am' fomba maro samihafa) 16 Efa nahita ny faharatsena ze aty ambany masoandro za, ze tokony hisy ny rariny, ary akeo am' tôran'ny fahamarinana, de ny faharatsena no atao. 17 Ozy za agneritreritra hoe: "Ho tsarain'Andriamanitra am' fotônany ny ôlo-marina sy ny ratsy fagna ny am' raharaha sy ny asany daôly." 18 Ozy za agneritreritra hoe: "Mizaha fagna ny ôlombelona Andriamanitra mba hanehôny am' njareo fa ôtrany biby zareo." 19 Fa aminjareo de sahala ny manjo ny zanak'ôlombelona sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny raika de sahala ny fahafatesan'ny raika hafa. Mitovy ny fofon'aignan'izy daôly. Tsisy tombotsony ho an'ny ôlombelona akeo am'biby. Tsy fofon'aigna fôgna ma ny ra daôly? 20 Ny ra daôly de samy mizotra am' tôrana raika. Ny ra daôly de avy am' vovoka, ary ny ra daôly de hiverigna vovoka. 21 Iza no mahafantatra na miakatra aigny agnambo ny fagnan'ny ôlombelona ary midigna aigny ambanin'ny tany ny fagnan'ny biby? (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sasagny vaovao magnano hoe: "Iza no mahafantatra ny fagnan'ny ôlombelona, ze miakatra aigny agnambo, ary ny fagnan'ny biby, ze midigna aigny am' tany?" 22 Ka de tsapako ndre fa tsisy ra tsara ho an'ny ôlombelona noho ny mifaly amin'ny asany, fa zany no asa nanendrena an'azy. Iza no afaka hitondra an'azy miverigna mba hijery ze mitranga avy aty afara.