Faha 2

1 Ozy za takao am-poko hoe: "Avia zao, hitsapa an'nao amin'ny hafalena za. ka hankafizo ny fahafinaretana." 2 Fa, tso-drivotra mandalo ihany zany. Ozy za tam'fimemezana hoe: " Fahadalana zany," ary tamin'ny fahafinaretana hoe: "Ino no ilàna an'zany?" 3 Nizaha ny takao am-poko za hoe akory no hahitako fahafinaretana am'divay. Avelako taritin'ny saignako am' fahendrena za na de mbôla vôtana tamin'ny hadalana ihany aza. Te hahita ze tsara ho an'ny ôlà mba hatao aty ambanin'ny lagnitra za mandritra an'reo andro hiaignany. 4 Nagnatanteraka ra geda be za. Nanangana tragno ho anà za ary namboly takeo am'reo tanim-bôloboka. 5 Nanangana zaridaigna sy saha ho an'ny tegnako za; namboly an'reo karazagna kakazo daôly fihinam-boa takeo am'zany za. 6 Namorona farihin-drano mba hamatsena rano an'reo ala ze nahageda an'reo kakazo za. 7 Novidiko reo andevolahy sy reo andevovavy; nanagna andevo teraka takao an-dapa za. Nanagna aomby maro sy ondry aman'osy ho biby fitahirizana ihany kô za, betsaka mandombolombo noho ny an'reo mpanjaka ze nanapaka takeo alôko takao Jerosalema. 8 Nagnangona volafotsy sy volamena, ny harenan'reo mpanjaka sy reo faritany ho an'ny tegnako ihany kô za.Nagnana mpihira lahy sy vavy ho an'ny tegnako manokana za - reo fahafinaretan'ny zanak'ôlombelona - ary vadikely betsaka. (Fagnamarina: Reo dikan-teny taty afara nandika ny tapagny faragny am'ty andininy ty tam'fomba samihafa: " Reo ra daôly ze tèn'ny ôlà." "Reo vadikely sy reo ze daôly nahafinaritra an'reo leilà". sns ) 9 De manjary leibe sy mpanakarena mandombolombo noho reo daôly ze takeo alôko takao Jerosalema za, ary ny fahendreko nitoetra taminà. 10 Na ino na ino nirian'ny masoko, de tsy notanako taminjareo. Tsy nitana ny foko tam'fahafinaretana daôly za, satria ny foko de nifaly tamin'ny asako daôly ary ny fahafinaretana no valosoko tamin'ny asa daôly. 11 De nitazagna an'reo asa daôly vitan'ny tagnako za, sy reo fisasarana ze nataoko, fa ny ra daôly de entona sy fiezahana hisambo-drivotra ndre. Tsisy tombotsoa tam'ze taty ambany masoandro. 12 Avy akeo de nitodika za mba hihevitra ny fahendrena, ary ny fahaverezan-tsaigna sy ny fahadalana. Fa ino no azon'ny mpanjaka ho avy handimby ny mpanjaka atao, ze tsy mbôla tanteraka? 13 De nanomboka nahay nazava ny saignako fa ny fahendrena de azaôna tombony kokô noho ny fahadalana, sahala ny fahazavana tsara kokô noho ny aizigna. 14 Ny ôlon-kendry de mampiasa ny masony akeo am' lôny mba hitazagnana ny lalana andianany, fa ny adala de mande am' maizigna, na de fantatro aza fa lahatra mitovy ihany no ho an'ny ôlà daôly 15 De ozy za takao am-poko hoe: "Ze mahazo ny adala , de mahazo anà kô. Ka ino no naha samihafa an'zany raha ho tegna hendry za?" De nofeheziko takao am-poko hoe: "Ty kô de entoa fôgna ihany." 16 Fa ny ôlon-kendry, sahala ny adala , de tsy ho tsarôvana ela. Ho avy ny andro ze tsy hatsarôvana ny ra daôly. Ny ôlon-kendry maty sahala ny mahafaty ny adala 17 Ka de tsy te fiaignana za satria reo asa daôly ze vita takeo ambany masoandro de ratsy taminà. Zany de satria ny ra daôly de entona sy fikasàna hisambo-drivotra. 18 Halako avokô reo fisasarako daôly ze nesako taigny ambany masoandro satria de tsy maintsy mamela an'regny ho an'ze ôlà ho avy magnaraka anà za 19 Fa iza no mahafantatra na ho ôlon-kendry izy na ho adala? Nefa izy de ho tompo eran'ny ra-daôly ambany masoandro ze natsangan'ny fisasarako sy ny fahendreko. Entona ihany kô zany. 20 Noho zany de nanomboka namoy tam'reo asa daôly ze nataoko takeo ambany masoandro za. 21 Fa mety misy ny ôlà ze misasatra amin'ny fahendrena, amin'ny fahalalana, ary amin'ny fahaiza-magnano, fa avelany ho an'ny leilà ze tsy magnano na raika tam'reo aza ny ra-daôly hanagnany. Zany kô de entona sy loza gedabe. 22 Fa ino no tombotsoa azon'ôlà ze miasa mafy sy miezaka magnano am' fony reo asany akeo ambany masoandro? 23 Isan'andro de marary sady mapiasa saigna ny asany, ka de tsy mahita fitsaharana ny fagnany amin'ny alina. Zany kô de entona. 24 Tsisy ra-tsara amin'ôlà mihôtra ny hoe mihinana sy misotro fôgna ary afa-po am'ze tsara amin'ny asany. De nahita za fa avy am' tagnan'Andriamanitra zany marina zany. 25 Fa iza no afaka hihinana na iza no afaka hanagna fahafinaretana isan-karazany ankôtra ny avy amin'Andriamanitra? 26 Fa ze mahafaly an'Azy, de homen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana ary fifalena. Kanefa, ny mpagnota de ameny ny asa fagnangonana sy fitarihizana mba hahafahany magnome an'zany ho an'ny ôlà ze mahafaly an'Andriamanitra. Zany kô de agnisan'ny entona sy fikasàna hisambo-drivotra.