Faha 11

1 Alefaso aigny agnambon'ny rano ny mofonao, fa ho hitanao ndre zany afaka andro maromaro. 2 Rasao amin' ôlà fito zany, na ôlà valo aza, fa tsy fantatrao ze loza ho tonga am' tany. 3 Raha feno ranon'orana reo rôndro, de magnafôgna an'zany aigny am' tany regny, ary raha milavo magnatsimo ny kakazo raika na magnavaratra, na aiza na aiza hilavôzan'zany, de akeo no hitoeran'zany. 4 Mety tsy hamboly ny ôlà ze mitazagna ny rivotra, ary mety tsy handidy ny ôlà ze mitazagna an'reo rôndro. 5 Ôtran'nao ze tsy mahafantatra akory ny lalan'ny rivotra, na ny nitomboan'ny tôlagn'ny zaza takao an-kobon'ny mitondra ivagna, (Fagnamarihina: Reo dikan-teny sanagny taty afara magnano hoe: "Ôtran'nao tsy mahafantatra velively ny lalan'ny fagnahy mankaigny am' tôlagn'ny zaza akao an-kibon'ny mitondra ivagna") ôtran'zany kô anao tsy afaka mahatakatra ny asan'Andriamaniatra, ze namorona ny ra daôly. 6 Amboleo amin'ny ampôlakeka reo voanao; hatramin'ny hariva, miasà am'tagnanao araka ze hilaina, fa tsy fantatrao ze mety hagnambina, na ampôlakeka na hariva, na ity na iry, na samy ho tsara daôly izy roa tonta. 7 Mamy tokô ny mazava, ary ny ra mahafinaritra ny maso ny mahita masoandro. 8 Raha misy ôlà miaigna an-taonany maro, ôka izy ho faly am'regny daôly regny, nefa ôka izy hisaigna ny momba an'reo andron'ny aizigna ho avy, fa ho maro regny. Ny ra daôly hitranga de entona manjavona. 9 Mifale, ry tanora, am' fahatanoranao, ary ôka ny fonao hifaly amin'ny andron'ny fahatanoranao. Araho ny fagnirina tsaran'ny fonao, sy ze daôly hitan'ny masonao. Kanefa, fantaro fa hitsara an'nao am'reo ra daôly reo Andriamanitra. 10 Alaviro am' fonao ny hasosena, ary aza miraharaha ny fanaintaignana akeo am' vatagnao, satria ny hatanoràna sy ny heriny de entona ihany.