Faha 12

1 Tsarôvo ihany kô ny Mpahary an'nao amin'ny andron'ny fahatanorànao, melôn'ny heven'ny andro sarotra, ary melôn'ny heven'ny taona ze hitaravanao hoe: "Tsy managna fankasitrana ho an'njareo za," 2 atôvo zany deny mbôla tsy hody aizigna ny hazavan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary deny mbôla tsy miverigna ny rôndro mainty afaran'ny orana. 3 Am'zany fotôna zan de mangovitra ny mpiambina ny lapa, sy manjoko ny leilà matanjaka, ary mijanona ny veivavy ze mitoto satria vitsy zareo, ary reo ze mitazagna akeo am-baravaran-kely de tsy mahatazagna tsara ntsony. 4 Am'zany fotôna zany de mirindrina ny varavaram-be aigny am' lalana, ary mijanona ny feon'ny fivelezam-bary, ho taitran'ny feom-borogna ny leilà, ary malazo ny fihiran'ny feon'ny tovovavy. 5 Am'zany fotôna zany de manomboka matàtra ny hambosany sy reo aigny an-dalana ny leilà, ary mamelatra ny kakazony amygdala, sy miaraka mifampitarika reo valalagna, ary tsy mandaitra reo fagnirìna vôjagnahary. Mande aigny am' tragnony mandrakizay ny leilà ary midigna an-dalam-be reo mpisaona. 6 Tsarôvo ny Mpahary an'nao melôn'ny hatapan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny vile volamena, na hanorotoro ny siny amin'ny lôtaona, na hahatapaka ny kodiaran-drano akeo am'lava-drano, 7 deny mbôla tsy miverigna am'tany ze neveny ny vovoka, ary ny fagna miverigna amin'Andriamanitra ze nagnome an'zany. 8 "Ny enton-javona," ozy ny Mpitoriteny: "Zava-pôgna de zava-pôgna ny ra daôly." 9 Ny Mpitoriteny de hendry ary mampianatra fahalalana ny ôlà izy. Nianatra sy nandinika ary nandrindra ohabôlagna betsaka izy. 10 Ny Mpitoriteny de nikaraka ny hanoratra fampiasàna mazava tsara, teny mahitsin'ny fahamarinana. 11 Reo tenin'ôlon-kendry de ôtra ny tsindrogna. Sala an'reo fantsika tsara lentika reo tenin'reo tompo akao am' fagnangonan'ôhabolanjareo, ze nampianarin'ny mpiambina ondry raika. 12 Anaka, mahafantara ra misimisy kokô: ny fagnanaovana boky maro, ze tsisy fefarany ary ny fianarana be de mitondra faharerahana ho an'ny vatagna 13 Efa regny ny fefaran'ny raharaha afaran'ny ra daôly, de tsy maintsy matàtra an'Andriamanitra anao ary mitandrina an'reo didiny, fa zany no adidin'ôlombelona daôly. 14 Fa Andriamanitra no hitsara ny asa daôly, hatram'ra-misitrika daôly, na tsara zany na ratsy.