1
Dariosy de zanaka lahin'i Ahasoerosy, taranaky ny Mediana. Ahasoerosy no efa natao mpanjaka takeo am'faritr'reo Babiloniana.
2
Ary tam'taona vôlôny nanjakan'i Dariosy, za, Daniela, nianatra an'reo boky mirakitra ny tenin'i Yaveh, teny ze efa tonga tam'Jeremia mpaminagny. Nandinika za fa tokony nisy fitopolo taona hatram'nialàna an'i Jerosalema.
3
Natodiko tam'Tompo Andriamanitro ny tavako, mba hikaraka an'Azy am'fivavahana sy fangatahana, am'fifaden-kanina, fiakanjôna lamba fisaonana, ary fentôrana am'lavenona.
4
Nivavaka tamin'i Yaveh Andriamanitro za, ary nagnano fieken-keloka tam'reo fahotantsika. Ozy za hoe: "Tompo oh__Anao no leibe sady Andriamanitra mahagaga___Anao Le tokana mitandrina ny fagnikena ary mahatoky am'fitiavana an'reo ze tè an'nao sy mitandrina an'reo didinao.
5
Efa nagnota zahay ary efa nagnano ny tsy nanjary. Efa nagnano fitondra-tegna ratsy sy mikomy zahay, niala tam'didinao sy reo fitsipikao.
6
Tsy nitandregny an'reo mpaminagny mpanomponao ze nitare tamin'ny agnaranao tam'mpanjakanay zahay, reo mpitarika an'nay, reo razambenay, ary reo vahôkan'ny tany daôly.
7
An'nao, ry Tompo, ny fahamarinana. Kanefa, ho an'nay gniany, ny hegnatra akeo am'tavanay__ho an'ny vahôkan'ny Joda sy reo ze monina aigny Jerosalema, ary ho an'ny Israely daôly. Agnisan'zany reo ze ankeky sy reo ze tegna alavitra aigny am'tany daôly ze nandefasanao an'njareo. Zany de noho ny fitaka leibe ze nataonay hanohitra Anao.
8
Ho an'nay, ry Yaveh, akeo am'tarenay ny hegnata__ho an'reo mpanjakanay, ho an'reo leibenay, ary ho an'reo razambenay__satria efa nagnota taminao zahay.
9
An'ny Tompo Andriamanitray ny fangoram-po sy ny famelan-keloka, fa efa nikomy honohitra an'Azy zahay.
10
Zahay de tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray tam'fandehanana araka ny lalàny ze nameny an'nay tamin'ny alalan'ny mpaminagny mpanompony.
11
Ny Israely daôly de efa nandika ny lalànao ka niala, nandà tsy hankatò ny feonao. Ny ozogna sy ny fianianana ze vôsoratra akao am'lalàn'i Mosesy, ny mpanompon'Andriamaitra, efa naidigna taminay, satria efa nagnota taminazy zahay.
12
Yaveh efa nagnamafy ny teny ze nolazainy manohitra an'ntsika sy manohitra ny fitsipika takeo amintsika, tam'fitondrana loza takeo amintsika. Fa tsisy ra-vita azo ampitahaina amin'ny natao tamin'i Jerosalema takeo amin'ny ambany lagnitra manontolo.
13
Araka ny vôsoratra akao amin'ny lalàn'i Mosesy, no hiaven'zany loza daôly zany amintsika, fa mbôla tsy nitalaho ny famindram-po avy tamin'i Yaveh Andriamanitray tam'fialàna tam'reo helokay sy hahitanay ny fahamarinanao zahay.
14
Ka noho zany de notahirizin'i Yaveh ho vonona ny loza ary efa nentiny takeo aminay zany, satria Yaveh Andriamanitray de marina amin'ny asa daôly ze ataony, kanefa mbôla tsy nankatò ny feony ihany zahay.
15
Ka, ry Tompo Andriamanitray, nentinao nivôka avy takaigny am'tany Egypta ny vahôkanao tam'tagnana mahery, ary efa nagnano agnarana fanta-daza ho an'ny tegnanao Anao, salan'zao andro gniany zao. Fa mbôla nagnota ihany zahay; efa nagnano an'reo ra-ratsy.
16
Ry Tompo, noho reo asa marinao, de ôka ny hasosenao sy ny fahavigniranao hiala amin'i Jerosalema tanànanao, le tendrombotranao masina. Fa noho reo fahotanay, sy noho ny helok'reo razambenay, de lasana antom-pahafaham-baraka ho an'ze magnodidigna an'nay i Jerosalema sy reo vahôkanao.
17
Am'zao, ry Andriamanitray, mitainô ny vavaky ny mpanomponao sy ny fitalahôny famindram-po; fa noho ny aminao, Tompo o, de ampamirapirato akeo am'fitôranao masina ze rava ny tavanao.
18
Andriamanitro o, sokafo ny sofignao ka mitainô; sokafo ny masonao ka mijere. Efa naratra sy rava zahay; jereo ny tanàna ze nantsovina avy amin'ny agnaranao. Tsy mitalaho ho an'ny fagnampenao zahay noho ny fahamarinanay, fa noho ny famindram-ponao leibe. Tompo o, mitainô!
19
Tompo o, mamelà heloka! Tompo o, mitainô ka mihetseha! Noho ny Aminao manokana, aza ela, ry Andriamanitro, fa ny tanànanao sy ny vahôkanao de antsovina amin'ny agnaranao."
20
Raha mbôla niteny za__nivavaka sy niaiky ny fahotako sy ny fahotan'Israely vahôkako, ary naneho ny fangatahako takeo agnatrehan'i Yaveh Andriamanitro ho an'ny tendrombotra masin'Andriamanitra__
21
rahabôla nivavaka, le leilà Gabriela, ze hitakao takao am'fahitana vôlôny, nagnembagna takeo aminà tam'fagnembagnana haigam-pandeha, tam'fotônan'ny fagnatitra hariva.
22
Nagnome fahazavan-tsaigna anà Izy ary nagnano hoe: "Ry Daniela, tonga hagnome halalin-tsaigna sy fahazavan-tsaigna ho an'nao za zao.
23
Rafa nanomboka nitalaho famindram-po anao, de namena ny baiko ary tonga za hilaza aminao ny valiny, fa anao de tèna tokô. Noho zany de tsarôvo zao teny zao ary takaro ny fanambarana.
24
Fito amby fitopolo am'taona no vôdidy ho an'ny vahôkanao sy ny tanànanao masina mba hampijanonana ny heloka sy hampijanonana ny fahotana, handekiana ny faharatsena, ary hitondrana ny fahamarinana mandrakizay, mba hagnatanterahana ny fahitana sy ny faminagnina, ary hagnamasinana ny fitôrana masina indrindra.
25
Fantaro ary takaro fa avy am'fivoahan'ny baiko no hameregnana am'laoniny sy hagnorenana indre an'i Jerosalema ho an'ny fahatongavan'le vôhosotra (ze ho mpitarika), hisy fito impito sy roa amby enimpolo impito. Haorina am'lalana sy hady ndre i Jerosalema, na de akeo aza reo fotôm-pahorena.
26
Afaka roa amby enimpolo impito am'taona, le vôhosotra de rava ary tsy hanagna na ino na ino. Ny tafiky ny mpanapaka ze ho avy de handringana ny tanàna sy ny fitôrana masina. Ny fiafaran'zany de ho tonga miaraka am'tondra-drano, ary hisy ady, eny fa na de aigny am'farany aza. Efa vôdidy ny fandravana.
27
Hagnamafy ny fagnikena am'maro agnatin'ny firo raika izy. Am'fisasahan'ny fito de hampijanona ny sorogna sy fagnatitra Izy. Amin'ny embagn'ny fahavetavetana no ho tonga ny ôlà ze hagnano fandravana. Ny fiafaragna tanteraka sy ny fahapotehana de nambara fa haidigna am'ze mpandrava."