Faha 10
1
Tam'taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy mpanjakan'i Persia, de nisy hafatra nambara tamin'i Daniela, ze natsôvina kô hoe Beltesazara. Marina zany hafatra zany. Zany de momban'ny ady leibe. Nahatakatra an'le hafatra i Daniela rafa nahazo faharanitan-tsaina avy am'fahitana izy.
2
Tam'zany andro zany, za Daniela, de nisaona nandritra ny telo herignandro.
3
Tsy nihinana hanina tsara za, tsy nihinana hena mihitsy, tsy nisitro divay mihitsy, ary tsy mba nagnosotra menaka tam'tavako mandra-pahavitan'ny telo herignandro manontolo.
4
Tamin'ny andro fahefatra amby rôpolon'ny volana vôlôny, raha teo ankekin'ny ogny leibe za (zany hoe, Hedekela),
5
niandrandra za ary nahita leilà nitafy lamban-drongony, miaraka am'fehikibo vita am'volamena tsy mifangaro avy aigny Ofaza magnodidigna ny valagnany.
6
Ny vatagny de ôtran'ny topaza, ary ny tarehiny ôtran'ny hazavana. Reo masony salan'ny fanilo mirehatra, ary reo sandriny sy ny tongony ôtran'ny varagna manganohano. Ny feony ôtran'ny feon'ôlà betsaka be.
7
Za, Daniela, rerika no nahita fahitana, fa ny ôlà ze teo aminà de tsy nahita ny fahitana. Na zany aza, tonga teo aminjareo ny horohoro leibe, ary nilefa nanitrika ny tegnany zareo.
8
Ka za rerika no sisa teo ary nahita an'le fahitana leibe. Tsisy hery nipetraka tao aminà; niharatsy nivaloarika ny andriko namiratra ary tsisy hery tavela tao aminà.
9
De naregny an'reo teniny za__ary raha naregny an'njareo za, latsaka tagnaty torimaso laligna za ary ny tarehiko teo am'tany.
10
Nisy tagnana nikasika anà, ary nampangitakitaka ny lohaliko sy ny felatagnako.
11
Niteny taminà ny anjely hoe: "Ry Daniela, leilà nohindrahindraina fatratra, fantaro reo teny ze lazaiko aminao. Mitsangana mahitsy, satria nasian ho aty aminao za." Rafa avy niteny an'zany hafatra zany taminà izy, de nijoro am-pangitakitana za.
12
De ozy izy taminà: "Aza matàtra, ry Daniela. Nanomboka tamin'ny andro vôlôny nahafantaranao an'zany tao an-tsaignanao ary nagnetrenao tegna teo alôhan'ny Andriamaitrao, de efa regny ny teninao, ary tonga za noho ny teninao.
13
Ny andriandahy akao am'fanjakan'i Persia nanohitra anà, ary nandigny ny mpanjakan'ny Persia za nandritran'ny iraika amby rôpolo andro. Fa i Mikaela, raika am'reo andriana leibe, no tonga nagnampy anà. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe: "mpanjakan'i Persia", misy am'ro dikan-teny talô nagnano hoe: "Andriandahin'ny mpanjakan'i Persia)
14
Am'zao tonga za hagnampy an'nao hahatakatra an'ze hanjo ny vahôkanao amin'ny andro farany. Fa ny fahitana de ho an'reo andro mbôla ho avy."
15
Rafa nilaza taminà tam'fampiasana an'reo teny reo izy, natodiko tam'tany ny tavako ary tsy afaka niteny za.
16
Nikasika ny molotro ny ôlà raika ze salan'ny zanak'ôlà, ary nanokatra ny vavako za ka niteny taminazy nitsangana teo agnolônako hoe: "Ry Tompoko, noho ny fahitana de ao agnaty fahorena za; tsisy hery tavela akato aminà.
17
Mpanomponao za. Manakôry no ahafahako miresaka am'Tompoko? Fa am'zao tsy manan-kery za, ary tsisy fofon'aigna tavela akato agnatiko."
18
Nikasika anà ndre le niaka endrik'ôlà ary nankahery anà.
19
Ozy izy hoe: "Aza matàtra, ry leilà nahindrahindra fatratra. Fiadanana anie ho an'nao! Matanjaha zao, matanjaha!" Raha mbôla niresaka taminà izy, de nahery za. Ozy zao hoe: "Ôka ny tompoko no hiteny, fa nankahery anà anao."
20
De ozy izy hoe: "Fantatrao ma nagnino za no tonga aketo aminao? Mbôla hiverigna hiady amin'ny andriandahin'i Persia za. Rafa mande za, de ho avy kô ny andriandahin'i Grisia.
21
Nefa ho lazaiko aminao ze vôsoratra akao amin'Ny Bokin'ny Marina. Tsisy ôlà mampiseho ny tanjaky ny tegnany aminà mba hanohitra an'njareo, afa-tsy Mikaela andriandahinareo.