1
Tam'taona vôlôny nanjakan'i Dariosy Mediana, de za mihitsy no tonga hanôgna sy hiaro an'i Mikaela.
2
Ho lazaiko aminao ny marina zao. Hisy mpanjaka telo hitsangana aigny Persia, ary ny fahefatra de ho mpagnefoefo mandombolombo an'reo hafa daôly. Rafa nahazo hery tamin'ny harenany izy, de hamporisika ny ôlà daôly hanohitra ny fanjakan'i Gresy.
3
Hisy mpanjaka mahery hitsangana ze hanapaka fanajakana leibe tokôtra, ary hagnano arak'ze iriany izy.
4
Rafa tafatsangana izy, de ho rava ny fanjakany ary hizara am'rivotra efatry ny lagnitra, fa tsy am'taranagny manokana, ary tsy am'fahefany tamin'ny nanapahany. Fa ny fanjakany de ho fongotra ho an'ny hafa ankôtran'reo taranagny.
5
Ny mpanjakan'ny Atsimo de ho lasana matanjaka, nefa ny raika am'reo mpifehiny de hanjary hatanjaka alavitra noho izy ary hanapaka ny fanjakany amin'ny hery leibe.
6
Taona vitsy afaran'zany , rafa manjary ny fotôna, de hagnano fihavanana zareo. Ny zanaka vavin'ny mpanjakan'ny Atsimo ho avy aigny amin'ny mpanjakan'ny Avaratra hagnamafy ny fifagnikena. Nefa tsy hahatana ny herin'ny sandriny izy, na kô hotafajanona raleilà, na ny sandriny. Hafoy izy___izy sy reo ze nitondra an'azy, ary ny rainy, sy ze nanôgna an'azy tam'zany fotôna zany. (Fagnamarihina: Raha tokony ho "ny sandriny" ze akao am'lahatsoratra Hebreo, maro reo dikan-teny talô sy am'zao no mivaka ôtran'zao: "ny voany", zany hoe ny zanagny.)
7
Fa hisy rantsagna avy am'reo fakany hitsangana handimby ny tôrany. Hanafika ny tafika izy ary hiditra akao am'fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny Avaratra. Hiady aminjareo izy, ka handresy an'azy.
8
Hoentiny aigny Egypta reo andriamaniny sy reo sary vôsikotra vy ary reo vile volafotsy sy volamena sarobidinjareo. Hijanona alavitra ny mpanjakan'ny Avaratra mandritra ny taona maromaro izy.
9
Hagnanika ny fanjakan'ny mpanjakan'ny Atsimo ny mpanjkanan'ny Avaratra, saingy hiala ho aigny am'taniny izy.
10
Hovognona ary hanangana tafika matanjaka reo zanagny lahy. Ho avy hatraigny hatraigny zany ary hanafotra ny ra-daôly; handalo avy akeo am'lalana daôly ho akeo am'fiarovany mafy zany.
11
Hanjary ho sosy mafy ny mpanjakan'ny
Atsimo; hande ary hiady am'mpanjakan'ny Avaratra izy. Hanangana tafika matanjaka ny mpanjakan'ny Avaratra, saingy hatolotra akeo an-tagnany ny tafika.
12
Ho lasana ny tafika, ary ny fon'ny mpanjakan'ny Atsimo hisandratra, ary handavo agn'alinalina izy, saingy tsy ho mpandresy.
13
Hanangana tafika hafa ny mpanjakan'ny Avaratra, matanjaka noho le tam'vôlôny. Taona maro taty afara, de ho avy tokôtra ny mpanjakan'ny Avaratra miaraka am'tafika matanjaka vôvatsy fitaovana betsaka.
14
Am'zany fotôna zany de betsaka no hitsangana hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo. Zanaka mpisetrasetra maro akeo am'vahôkanao no hametraka ny tegnanjareo hahatanteraka fahitana raika, nefa ho tafintohina zareo.
15
Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra, handraraka tany hagnanôvana dongon-tany, ary hambabo tanàna am'fiarovana mafy. Tsy ho afa-mitsangana ny tafiky ny Atsimo, na de reo maramila tegna mahery aza. Tsisy hery ho tafatsangana.
16
Fa kosa, ze ho avy no hagnano ze iriany hanoherana an'azy; tsisy ho tafatsangana akeo am'lalany. Hitsangana akeo am'tanin'ny fahatsarana izy, ary ho akeo an-tagnany ny fandringanana.
17
Hagnomagna ny tavany ho avy miaraka amin'ny herin'ny fanjakany daôly ny mpanjakan'ny Avaratra, ary hisy fifagnarahana ze hataony miaraka amin'ny mpanjakan'ny Atsimo hiaraka aminazy. Hagnome zanaka vavy avy am'veivavy hampakarina izy mba hamotehana ny fanjakan'ny Atsimo. Fa tsy hahomby na hagnampy an'azy le tetika.
18
Afaran'zany, de ho liana am'sisin-tany ny mpanjakan'ny Avaratra ary hambabo ny maro aminjareo. Nefa hisy mpifehy hanapitra ny avognavogny ary hahatonga ny fireharehany hifototra aminazy ihany.
19
De ho liana am'fiarovana mafin'ny taniny ihany izy, saingy ho tafintohina izy ka ho lavo; ary tsy ho hita.
20
De hisy ôlà hitsangana handimby ny tôrany ze hampandalo mpamory hetra raika noho ny am'famirapiratan'ny fanjakana. Fa amin'ny andro magnaraka akeo de ho torotoro izy, fa tsy amin'ny hasosena na amin'ny ady.
21
Ôlà notsinontsinoavina ze tsy mba hamen'ny ôlà ny voninàtran'ny fahefan'ny mpanjaka no handimby ny tôrany; ho avy tampoka izy ary hiaka ny fanjakana an-kafetsena.
22
Hisy tafika raika ho voafaoka salan'ny tondra-drano akeo agnolônany. Samy ho ringana daôly zany tafika zany sy ny mpitarika ny fagnikena.
23
Am'fotôna ze hagnanôvana fifagnarahana miaraka aminazy, de hamitapitaka izy; vahôka vitsy an'isa fôgna no hahatonga an'azy hatanjaka.
24
Ho avy aigny am'faritany tegna manan-karena tsy hampitomagna akory izy, ary tsy hagnano an'ze nataon'ny rainy na ny raibeny izy. Hizara an'reo vôsambotra, reo babo, ary reo harena akeo am'reo mpangara-dia an'azy izy. Hitetika ny fagnonganana ny fiarovana mafy izy, fa vetiketika fôgna.
25
Hampiseho ny heriny izy ary ny fony hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo am'tafika goavana. Hanangana ady am'tafika leibe, tegna matanjaka ny mpanjakan'ny Atsimo, nefa tsy hiangana izy satria hikonokonona hanohitra an'azy ny hafa.
26
Na ze mihinana ny hanim-piny aza de hikasa hamotika an'azy. Ho voafaoka salan'ny tondra-drano ny tafigny, ary maro aminjareo no ho lavo voavono.
27
Samy hipetraka akeo am'latabatra raika ihany reo mpanjaka reo, am'fonjareo mikasa hifagnano ratsy, hifandainga akao aminjareo, nefa tsisy dikany zany. Fa ho avy ny farany am'fotôna ze efa vôtondro.
28
Hiverigna aigny am'taniny miaraka amin'ny harem-be ny mpanjakan'ny Avaratra, miaraka am'fony manohitra ny fagnikena masina. Hiasa izy ary hody aigny am'taniny ihany avy akeo.
29
Am'fotôna vôtondro de hiverigna izy ary ho avy hanohitra ny Atsimo ndre. Fa am'ty ndraika ty de tsy ho ôtran'ny teo alôha.
30
Fa ho avy hanohitra an'azy reo sambon'i Kitima, ary hanjary hatàtra ka hiemotra izy. Ho sosy am'le fagnikena masina izy, ary haneho sitraka am'reo ze mahafoy ny fagnikena masina.
31
Hitsangana ny heriny ka hagnota-fady ny fiarovana mafin'ny fitôrana masina. Halainjareo ny fagnatitra dorôna mahazatra, ary hapetrak'zareo ny fahavetavetana ze mahatonga faharavana.
32
Ny am'reo ze ratsy fagnà tam'fifagnikena, de ho fitahiny regny ka ho ratsy toetra. Nefa reo ôlà ze mahafantatra ny Andriamanitr'zareo de hahery ary hiasa.
33
Reo ze hendry akeo amin'ny ôlà no hampahafantatra ny maro. Fa ho lavon-tsabatra sy ny lela afo zareo; ho lavo aigny am'fahababoana sy ny fandrobana mandritra ny andro maro zareo.
34
Am'fahalavônjareo, de ho vonjena am'famonjena kely sy bitika zareo. Hikambana aminjareo am-pihatsarambelatsihy ny maro.
35
Ho lavo ny sasagny am'reo hendry hany ka ho avy aminjareo ny fandiovana, ny fanasana, ary fagnadiovana, ambara-pahatongan'ny fotôna ny farany. Fa mbôla ho avy ihany ny fotôna vôtondro.
36
Hagnano araka'ze iriany ny mpanjaka. Hanandra-tegna izy ka hagnano ny tegnany ho leibe ambonin'ny andriamanitra daôly. Hilaza ra manohina hanohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra izy, fa hahomby ambara-pahatanterahan'ny fahavignirana izy. Fa ho atao ze efa nodidiana.
37
Tsy mba hiraharaha an'reo andriamanitry ny razagny izy na le andriamanitra tsiriritin'ny veivavy. Ary tsy hiraharaha an'ze mety ho andriamanitra daôly izy. Fa hagnano ny tegnany ho ambonin'ny ôlà daôly izy.
38
Hankalaza ny andriamanitry ny fiarovana mafy izy fa tsy reo. Andriamanitra ze tsy neken'reo razagny no hamena haja am'volamena sy volafotsy, am'vato soa sy fagomezana sarobidy zany.
39
Hanafika an'reo fiarovana tegna mafy izy am'fagnampian'ny andriamani-kafa. Ze daôly magneky an'azy, de ameny voninàtra be. Hataony mpanapaka akeo am'ôlà maro reo, ary hozarainy ho valisoa ny tany. (Raha tokony hoe: "Hanafika an'reo fiaroavana tegna mafy izy", ny dikan-teny vaovao sasagny de misy hoe: "Hiaro ny fiarovana mafiny izy". )
40
Am'fotôna farany no hanafika ny mpanjakan'ny Atsimo. "Hamely an'azy am'kalesa sy mpitikin-tsôvaly, ary sambo maro ny mpanjakan'ny Avaratra. Ho avy hanohitra an'reo tany izy, hanenikta an'njareo, ary hamakivaky an'zany.
41
Hande aigny am'tanin'ny fahatsarana izy, ary Israelita agn'alinaliny no ho lavo. Fa reto no ho afaka milefa am'tagnany: Edoma, Moaba, ary reo sisa tam'vahôkan'i Amona.
42
Hanitatra ny tagnany am'reo tany izy; ary tsy havotana ny tany Egypta.
43
Hifehy ny rakitra volamena sy volafotsy izy, ary ny harenan'ny Egypta daôly; ho akeo an-tongony reo Lybiana sy reo Etiopiana.
44
Fa hampagnorohoro an'azy ny vaovao avy aigny atsinanana sy avaratra, ka hande hivôka am'fahavignirana leibe izy mba handravarava tanteraka ary hanokana ny maro ho ringanina.
45
Hametraka ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany akeo agnelagnelagn'ny ranomasina sy ny tendrombotran'ny fahatsaran'ny fahamasinana izy. Ho tonga am'fiafarany izy, ary tsisy hamonjy an'azy.