1
Am'zany fotôna zany i Mikaela, le andriandahy leibe ze miambina ny vahôkanareo, de hitsangana. Hisy fotônan'ny fahorena ze tsy mbôla nisy hatram'niandohan'ny firenena hatram'zany andro zany. Am'zany fotôna zany ny vahôkanao de ho vôvonjy, de ze daôly hita fa vôsoratra agnarana akao am'boky.
2
Maro am'ze mandigny am'jofon'ny tany no hitsangana, ny sasany ho am'fiaignana mandrakizay ary ny sasany ho am'fahamignarana sy fagnamavôna mandrakizay.
3
Reo ze hendry de hamirapiratra ôtran'ny hazavan'ny lagnitra agnambo, ary reo hamerigna ny maro am'fahamarinana, de ôtran'reo kintana mandrakizay doria.
4
Fa anao, ry Daniela, ahorogno reo teny reo; tehirizo ho voaisy tombokase ny boky mandra-pahatonga ny fotônan'ny farany. Maro ny hihazakazaka etsy sy eroa, ary hitombo ny fahalalana."
5
Ary za, Daniela, nijery, ka nisy rôy hafa nitsangana. Ny raika nitsangana teto amoron'ny ogny, ary ny anankiray tetsy ankilany amoron'ny ogny.
6
Ny raika taminjareo niteny tam'le leilà miakanjo rongony fotsy, ze teo ambonin'ny ogny hoe: "Mandra-pahovena no hiafaran'reto ra-mahagaga reto?"
7
Regniko le leilà miakanjo rongony fotsy, ze teo ambonin'ny ogny__nanandratra ny tagnany ankavanana sy ny tagnany ankave tam'lagnitra izy ka nihaniana tam'le raika ze velona mandrakizay fa ho fotôna raika, fotôna rôy, sy atsasam-potôna zany. Rafa nopotehina ihany ny herin'ny ôlà masina de ho tanteraka daôly reo ra daôly reo.
8
Naregny za, fa tsy nahatakatra. Ka nagnontany za hoe: "Ry tompoko, ino no ho vokatra am'reto ra daôly reto?"
9
Ozy izy hoe: "Mandiana am'lalanao, ry Daniela, fa ny teny de efa voahorogna sy voaisy tombokase mandra-pahatongan'le fotôna farany.
10
Maro ny ho diovina, ho voasasa, ary ho voafotsy, fa ny ratsy fagnà hagnano faratsena. Tsisy am'ratsy fagnà hahatakatra, fa reo ze hendry no hahatakatra.
11
Hatramin'ny fotônan'ny fampitsaharana ny fagnatitra dorôna mahazatra sy ny fametrahana ny fahavetavetana ze mitondra ny fandravana tanteraka, de hisy andro 1 290.
12
Sambatra ze mandigny hatramin'ny fiafaran'ny 1.335 andro.
13
Tsy maintsy mandeha amin'ny lalanao hatramin'ny farany anao, ary hitsahatra anao. Hitsangana akeo am'tôrana vôtondro ho an'nao anao, am'reo andro farany."