1
Tam'taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka, za, Daniela, de nisy fahitana niseho taminà (tafaran'le raika ze niseho taminà tam'vôlôny).
2
Hitako tam'le fahitana, raha nijery za, de takao agnatin'ny fiarovana mafin'ny Sosana taigny am'faritanin'i Elama za. Hitako takao am'le fahitana fa nagnatrika ny Lakandranon'ny Olay za.
3
Nitazagna agnambo za ary nahita ondrilahy niaraka tam'tandroka rôy takeo agnolônako za, nitsangana takeo ankekin'ny lakan-drano. Ny tandroka raika de lava noho ny ilana, fa le lavalava raika nitombo tsimoramora noho le fopoika ary nihôtra ny halavan'zany.
4
Nahita an'le ondrilahy niritaka nagnandrafana, avy akeo nagnavaratra, ary avy akeo nagnatsimo za; tsisy biby hafa afaka nitsangana nagnolôna an'azy. Tsisy taminjareo afaka namonjy an'ze hiala takao an-tagnany. Nagnano ze tèny daôly izy, ary tonga geda tokô.
5
Raha nisaintsaigna momba an'zany za, de nahita osy lahy tonga avy aigny andrefana, ze nande nagnerana ny velaran-tany manontolo, nihazakazaka mafy, ôtran'ny tsy mitehi-tany. Nana-tandroka lava takeo agnelagnelagn'ny masony le osy.
6
Nankeo am'le ondrilahy ze nanagna tandrola rôy izy__nahita ny ondrilahy nitsangana takeo am'sisin'ny lakan-drano za__ ary ny osy nihazakazaka ho aigny amin'ny ondrilahy tamim-pahasosena misafôntagna.
7
Nahita an'le osy nagnankeky an'le ondrilahy za. Sosy mafy tam'le ondrilahy izy, ary namely an'le ondrilahy ka namotika an'reo tandrogny rôy. Tsy ampy hery le ondrilahy mba hitsangana magnatrika an'azy. Le osy nanongana an'azy tam'tany ka nagnitsakitsaka an'azy. Tsy nisy afaka namonjy an'le ondrilahy tamin'ny heriny.
8
Niha-geda le osy avy takeo. Fa rafa niha-natanjaka izy, de vaky le tandroka lava, ary tam'tôran'igny de nisy tandroka lava efatra hafa nitombo ze nanondro mifanjo ny rivotra efatry ny lagnitra.
9
Nisy tandroka hafa nitsiry, kely tam'vôlôny, fa tonga geda tokô taigny atsimo, taigny atsinanana, ary taigny am'tanin'ny hatsarana.
10
Tonga geda tokô zany sala ny hirotsaka an'ady miaraka am'tafiky ny lagnitra. Ny sasagny tam'zany tafika zany sy ny sasagny tam'reo kintana de napotraka tam'tany, ary nagnitsakitsaka an'njareo zany.
11
Nagnano ny tegnany ho leibe ôtran'ny mpifehy ny tafika izy, ary nangala taminazy ny sorogna dorôna tsy tapaka zany, ary ny fitôrana masiny de vôloto.
12
Noho ny fikomiana, de hamena ny tandroky ny osy ny tafika, ary hijanona ny fagnatitra dorôna. Harian'ny tandroka am'tany ampidigna ny fahamarinana, ary hahomby am'ze ataony zany.
13
Ary naregny masina nitare za ary raika masina hafa namaly an'azy: "Hatramin'ny ovena haharetan'reo ra reo, io fahitana momba ny fagnatitra dorôna io, ny fahotana ze mitondra faharavana, ny fanjakazakana akeo am'fitôrana masina, ary ny tafiky ny lagnitra ze vôhitsakitsaka?"
14
Ozy izy taminà: "Haharitra 2.300 hariva sy maraina zany. Afaran'zany de hapetraka tsara ny fitôrana masina."
15
Rafa nahita ny fahitana, za, Daniela, de niezaka namantatra an'zany za. Ary nisy raika sala miendrika ho ôlà nitsangana nagnolôna anà.
16
Nandregny feon-deilà nagnantso takeo agnelagnelagn'ny sisin'ny Lakan-drano Olay za. Ozy izy: "Ry Gabriela, ampeo io leilà io hahafantatra ny fahitana."
17
Ka nagnankeky takeo am'ze nitsanganako izy. Rafa tonga izy, natàtra za ary nondrika tam'tany. Ozy izy taminà: "Mahatakàra, ry zanak'ôlà, fa ny fahitana de ho am'fotôna farany."
18
Rafa niresaka taminà izy, de lavo takao agnaty torimaso laligna za miaraka am'tavako am'tany. Ary nikasika anà izy ary nampitsangana anà.
19
Ozy izy: "Indro, hasehoko an'nao ze hitranga aty afara am'fotônan'ny fahasosena, satria ny fahitana de mikasika ny fotôna vôtondro ho am'farany.
20
Fa ny rameva ze hitanao, le nanagna tandroka rôy__reo no mpanjakan'i Media sy Persia.
21
Le ondrilahy de ny mpanjakan'i Grisia. Ny tandroka lava takeo agnelagnelagn'reo masony no le mpanjaka vôlôny.
22
Raha ny am'le tandroka ze tapaka, takeo am'tôrana ze nipoiran'reo efatra hafa__hisy fanjakana efatra hipoitra am'fireneny, fa tsy amin'ny heriny leibe.
23
Am'fotôna farany an'reo fanjakana reo, rafa hahatakatra ny fetrany reo mpamadika, de hisy mpanjaka masia-tarehy, ze tegna manan-tsaigna, hitsangana.
24
Ho leibe tokô ny heriny__fa tsy tamin'ny heriny manokana. Ho gaga am'ze ho ravàny izy; hiasa izy ary hahomby. Handrava vahôka mahery izy, vahôka akeo am'reo ze masina.
25
Amin'ny alalan'ny hafetsifetseny no hagnanôvany fitaka mahomby ambanin'ny tagnany. Ho tonga leibe amin'ny eritreriny ihany izy. Handrava ôlà betsaka tsy ampoizina izy. Hitsangana izy na de hanohitra ny Mpanjakan'reo mpanjaka aza, ary ho potika izy, fa tsy mba amin'ny alalan'ny tagnan-ôlombelona.
26
Ny fahitana momba an'reo hariva sy reo maraina ze efa vôlaza de marina. Fa asevo tombokase ny fahitana, fa manondro andro maro amin'ny hoavy zany."
27
Ka za, Daniela, de reraka ary de nandry nalemy nandritra ny andro maromaro. Ary nifôha za, ka nande tam'raharahan'ny mpanjaka. Fa rikoriko tam'fahitana za, ary tsisy raika ka nahatakatra an'zany.