Toko faha 8

1 Zao no natoron'ny Tompo Yaveh tamiko. Indro, nisy harogna feno voankazo masaka fahavaratra! 2 Ozy Izy hoe: "Ino no hitanao, ry Amosa? De ozy za hoe: "Harogna misy voankazo masaka fahavaratra." De ozy i Yaveh tamina hoe: "Efa tonga amin'Israely ôloko ny farany; tsy hamindra fo amin-jareo intsony za. 3 Ho tonga fidradradradrana ny hiran'ny tempoly. Tam'zany andro zany_ zany no lazain'i Tompo Yaveh. Ho maro reo maty de hatsipin-jareo mangingigna aigny reo!" 4 Taino zao, anareo ze nagnitsaka ny oary sy magnilika ny mahantra. 5 Hiteny zareo hoe: "Am'vena no ho tapitra ny volana vaovao, mba azahôntsika mivarotra vary, ary ny sabata ho tapitra mba azahôntsika manokatra lava-bary? Hataontsika kely ny famarana, ary hampakarina ny vidimbary, ary hangaladanja amin'ny mizana tsika. 6 Zany de mba azahôntsika mivarotra ny vary ratsy, vidio amin'ny volafotsy ny ory, ary amin'ny kiraro ny mahantra." 7 Nianiana tamin'ny firearean'i Jakoba i Yaveh hoe: "Tegna tsy ho adinoko mandrakizay mitsy ny nataon-jareo." 8 Ka tsy hihorohoro am'zany ma ny tany, ary ny ôla daôly monigna akao hitomagny? Ny ankabeazan'zany de ho tondraka ôtran'ny Onin'i Neily, ary hihegna ndre zany, salan'ny Ognin'i Egypta. 9 De ho avy zany amin'io andro io_ zany no lazain'i Yaveh, fa hampijibika ny masoandro amin'ny mitatao vovonana Za, ary hagnamaizigna ny tany amin'ny antoandro-lahinjanahary. 10 Hamadika ny firavoravônareo ho fisaonana Za ary reo hiranareo daôly ho fitomagnena. Hampagnanôvako akanjo fisaonana daôly anareo ary ho kakasako ny lôhan'ny tsiraikaraika. Hagnano an'zany ho salan'ny fisaonana zanaka lahy tokana zany, ary ho andro mangidy ny fiafaran'zany. 11 Indro, ho avy ny andro ozy i Yaveh, ze agnaterako silaona amin'ny tany, tsy silaona amina mofo, na hetahetan-drano fa amin'ny fandrignesana ny tenin'i Yaveh. 12 Hivembena hatraigny amin'ny ranomasina zareo ary hiazakazaka avy aigny avaratra ka hatraigny antsinanana mba hikaraka ny tenin'i Yaveh, nefa tsy hahita an'zany zareo. 13 Am'zany andro zany reo virijiny tsara tarehy sy reo gaondahy de ho refogna hetaheta. 14 Reo ze nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria (Fagnamariana: Raha tokony hoe: "ny fahotan'i Samaria" misy am'reo dikan-teny sasagny magnano hoe: "Asima an'i Samaria" Asima no agnaran'ny andriamani-bavin'ny Pagna notompoina taigny amin'ny faritry Syria sasagny. Ary nagnano hoe: Raha mbôla miaigna kô ny andriamanitrao ry Dana, ary hoe: Raha mbôla misy kô ny lalana mankaigny Beri-sheba, ny lahatsoratra Hebreo misy hoe: Raha mbôla misy kô ny lalana mankaigny Beri-sheba, ze mety manondro ze andianan'ny vahôka hanompo an'reo sampin'ny Beri-sheba mety efa nolazaina. Kanefa reo dikan-teny sasagny te hagnova an'le lahatsoratra Hebreo mba ho vakina hoe: Raha mbôla miaigna kô ny tian'i Beri-sheba. Aketo ny tia" de midika sampy ze tompona aigny Beri-sheba;) de ho lavo zareo ary tsy hitsangana intsony."