Toko faha 7

1 Zao no natoron'i Yaveh taminà, namorona valalagna betsaka be izy rafa nanomboka niakata ny vokatry ny lohataona, ary indro tara ny vokatra tao afaran'ny vokatry ny mpanjaka. 2 Rafa avy ninana ny vokatry ny tany zareo, de ozy za: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindra fo aminà, atao akôry ny haveloman'i Jakoba? Satria tegna kely izy?" 3 nampitsatra ny momba an'zany Yaveh mba tsy hiseho zany ozy Izy. 4 Zao no natoron'ny Tompo anà: "Indro, nagnatso amin'ny fitsaran'ny afo ny Tompo Yaveh. Ze nagnamaigna ny tany malalaka, ny rano laligna ambanin'ny tany ary handevona ny tany kô. 5 Kanefa ozy za hoe: "Tompo Yaveh o, ajanony re; manakôry ny haveloman'i Jakoba? Fa tegna kitika izy." 6 De nampitsahatra ny momba an'zany i Yaveh hoe: "Tsy hitranga kô zany," ozy ny Tompo Yaveh. 7 Zao no natorony anà: Indro, nitsangana takeo ankekin'ny rindrigna ny Tompo, niaraka tamin'ny vato pilao teo an-tagnany. 8 Yaveh nagnano tamina hoe: "Ry Amosa, ino no tazagnao?" De ozy za: "Vato pilao milatra." Ary ozy ny Tompo hoe: "Indro, hametraka pilao akeo amin'ny Israely ôloko Za. Tsy hamindra fo amin-jareo intsony Za. 9 Horavana reo fitôrana avon'i Isaka, hopotena reo fitôrana masin'ny Israely, ary hitsangana hanotra amin'ny sabatra ny taranak'i Jerosalema Za." 10 Ary Amazia, le mpisoron'i Betela, nandefa hafatra taigny amin'i Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: "Efa nitetika ny hanotra an'nao akeo agnivon'Israely i Amosa. Tsy zakan'ny tany reo teniny daôly. 11 Fa zao no tenin'i Amosa: 'Ho foaty amin'ny sabatra i Jeroboama, ary ho sesi-tany hiala amin'ny taniny kosa ny Israely."' 12 Amazia niteny tamin'i Amosa hoe: "Ry mpahita, miviregna aigny amin'ny tanini Joda ary minàna mofo sy maminagnia aigny. 13 Fa aza maminagny aketo Betela intsony, satria toerana masin'ny mpanjaka sy tragnon'ny mpanjaka ty." 14 De ozy Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsy mpaminagny ze efa zanaky ny mpaminagny. Mpiambina ondry sy mpikaraka amontana ary aviavy za. 15 Fa naika anà taigny ampiambesana ondry i Yaveh ary niteny taminà hoe: "Mandiana ka maminagnia amin'Israely ôloko." 16 Ka mitainô ny tenin'i Yaveh. Ozy anao hoe: "Aza maminagny hanotra an'Israely, ary aza miteny hanotra an'Isaka." 17 Noho zany de zao no lazain'i Yaveh: "Hanjary mpivaro-tegna ny vadinao; reo zanakao lahy sy reo zanakao vavy de ho lavon'ny sabatra; horefisina ny taninao ary hozaraina; ho foaty amin'ny tany maloto anao, ary halefa sesi-tany hiala akao amin'ny taniny ny Israely.""