Toko faha 6

1 Lozan'reo ze miadana akao Ziona, ary ho an'reo ze milamina akao amin'ny tendrombotran'i Samaria, reo ôlo-milaza avy am'reo firenena tsara, ze hatongavan'ny taranak'Israely mba ho vonjena! 2 Ozy ny mpitarika nareo: "Mandiana aigny Kalne ka mitazagna; avy akao de mandiana any Hamata, le tanàna geda; avy akeo midigna aigny Gatan'ny Filistina. Fa nga ma tsara noho reo fanjakana roy reo? Anga ma geda ny fahitanareo ny faritanin-jareo?" 3 Loza ho an'reo ze mampiemotra ny andro ny loza sy mampagnankeky ny seza fiandrianan'ny loza. 4 Mandry akeo ampandrena ivory zareo ar mitsotsotra akeo amparafaran-jareo. Minana ny zanak'ondry avy am'reo ondry aman'osy zareo ary zanak'ondry avy am'finanam-bilogna. 5 Nihira an'reo hira adaladala tamin'ny feon'ny harpa zareo; sy namorona zava-magneno salan'ny nataon'i Davida. 6 Nisotro divay tamin'ny vile jobo zareo, ary nihosotra diloilo tegna tsara, nefa tsy nalahelo tamin'ny faharavan'i Josefa. 7 Ka hande an-tsesitany niaraka am'reo sesi-tany voalôny zareo am'zao, ary ny firavoravôn'reo ze mitsilailay de ho fôgna. 8 "Za, Tompo Yaveh, de efa nianina tamin'ny tagnako_ zany no lazain'i Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, halako ny fieboebon'i Jakoba; halako ny fiarovana mafiny. Ka hanolotra ny tanàna sy ze akao aminazy daôly Za." 9 Ary raha misy folo lahy tavela akao an-dragno raika, de ho foaty daôly zareo. 10 Raha misy havan'ny maty tonga mba hiaka ny fatin-jareo de ny raika ze handoro ny fatin-jareo afaran'ny hitondrany an'reo faty mivôka ny tragno_ ka raha amin'ny ôla akao an-dragno izy hoe: "Misy ôla miaraka aminao ma akao?" Raha mamaly zany ôla zany hoe: "Tsia". De hiteny izy hoe: "Mangigna, fa ôka tsika tsy hannognona ny agnaran'i Yaveh." 11 Fa, indro, hagnome baiko i Yaveh, ka ho rava ny tragno ngeda, ary ho potika ny tragno kely. 12 Fà anga ma misy soavaly miazakazaka amin'ny harambato? Misy ôla mampagnosy aomby ma aigny? Nefa namadika ny famarinana ho poizina anareo ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty. 13 Anareo ze mifaly amin'i Lodebara, ze magnano hoe: "Anga ma tsy efa niaka an'i Karnaina tamin'ny herinay fôgna Zahay?" 14 Nefa indro hanangana firenena hanotra an'nareo Za, ry zanak'Israely_ zany no lazain'i Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. Hampahory an'nareo manomboka akeo Lebo-hamata ka hatraigny amin'ny lohasahan-drekan'i Araba zareo."