Toko faha 9

1 Natazagna ny Tompo nitsangana takeo ankekin'ny alitara za, ka ozy Izy hoe: "Vilezo ny tendron'reo andry mba hiozonkozogna reo fototra. Potipoteho ho aigny amin'ny lohan-jareo daôly aigny, ary ho vonò amin'ny sabatra ze sisa tavela. Tsisy raika ho afaka milefa aminjareo. 2 Na handavaka au=igny amin'ny fiaignan-tsi-hita aza zareo de ny tagnako no hiaka an'azy reo aigny. Na de hiakatra aigny an-dagnitra aza zareo, de entiko midigna. 3 Na de misitrika aigny antampon'i Karmela aza zareo de hikaroka ary hiaka an'azy reo aigny Za. Na de nisitrika aigny ambanin'ny ranomasina aza zareo de hagniraka menaragna aigny Za, ary hagnekitran'azy reo zany. 4 Na de lasan-ko babon'ny fahavalony ka entin-jareo, de hagnome baiko ny sabatra Za, ary hamono an'azy reo zany. Hijery an'azy reo fôgna ny masoko mba hatonga loza fa tsy hagnano soa an'azy reo." 5 Yaveh Tompon'ny maro de nikasika ny tany ary nanjary maigna zany; ze miaigna am'zany daôl de misaona; ho tondraka ôtran'ny Ogny zany daôly zany, ary hihegna ndre ôtran'ny ognin'i Egypta, 6 Izy no nagnambotra ny tragnony aigny an-dagnitra ary efa nametraka andohalambony eran'ny tany. Nagnantso ny ranomasina Izy, ary nagnidigna an'zany teo amin'ny tany, Yaveh no agnarany. 7 Tsy ôtran'ny vahôkan'i Etiopia ma anareo amina, ry zanak'Israely? zany no lazain'i Yaveh. Tsy nitondra an'Israely nivôka an'i Egyptz dy reo filistina avy aigny Kreta, ary reo Syriana avy taigny Kira ma Za? 8 Indro ny mason'ny Tompo Yaveh, mivandrigna an'ty fanjakana mpanota ty, ary hamongotra an'azy tsy ho akeo ambonin'ny tany za, kanefa tsy hamotika tanteraka ny taranak'i Jakoba ozy i Yaveh. 9 Indro hagnome baiko, ary hagnozongozogna ny zanak'Israely akeo amin'ny firenena daôly Za, salan'ny ôla manivana vary amin'ny sivana mba hilatsan'ny vato kely amin'ny tany. 10 Ny mpanota daôly avy amin'ny vahôkako de ho foaty amin'ny sabatra de reo ze milaza hoe: 'Tsy ahazo an'nay ny loza.' 11 Am'zany andro zany de hanangana ny tragno-dain'i Davida ze roba Za, ary hanampina an'reo banga. Hatsangako reo rava, ary hamboariko ho ôtran'ny tamin'ny andro fahiny zany. 12 Mba hanagnan-jareo ny sisa tavelan'i Edoma, ary ny firenena daôly ze nantsovina tamin'ny agnarako, zany no lazain'i Yaveh, ze nagnano an'zany. 13 Indro, ho avy le andro ozy Yaveh rafa matakatra ny fijinjana ny mpiasa tany, ary reo mpitango voaloboka de hatakatra an'azy ze mamboly ny voany. Reo tendrombotra de hampiboiboika divay mamy, ary reo tanety daôly de hikoriagna miaraka am'zany. 14 Ho entiko miverigna avy aigny amin'ny fahababôna ny zanak'Israely vahôkako. Hanangana an'reo tanàna rava zareo ary hipetraka am'zany, hamboly ny tanimboloboka zareo ary hisotro ny divay, ary hagnano saha zareo ary hinana ny vokatra avy am'zany. 15 Hamboly an'zany amin'ny tanin-jareo Za, ary tsy hongotana akeo amin'ny tany ze nameko an'azy reo intsony mitsy zareo," ozy i Yaveh Andriamanitrareo.