1 Dimy amby rôpolo taona i Jotama raha nanomboka nanjaka; nanjaka enina ambefolo taona taigny Jerosalema izy. Jerosa no agnaran-dreniny; zanaka vavin'i Zadoka izy. 2 Nagnano ze marina takeo amason'i Yaveh izy, nagnaraka ny ôtra nataon-drainy, de i Ozia, tam'ra daôly. Nijanona tam'fidirana takao an-tempolin'i Yaveh ihany kô izy. Kanefa mbôla nitondra tegna tam'fomba ratsy ihany ny vahôka. 3 Nagnambôtra ny vavahady agnambon'ny tragnon'i Yaveh izy, ary nagnambôtra betsaka takeo am'havôgnan'i Ofela. 4 Fagnampin'zany de nagnambôtra tanàna taigny am'tany havôgnan'i Joda, sy nagnambôtra rova sy tilikambo taigny am'reo ala izy. 5 Niady tam'mpanjakan'ny vahôkan'i Amona ihany kô izy ary nandresy an'azy reo. Tam'zany taona zany ihany, no nagnomezan'ny vahôkan'i Amona an'azy talenta volafotsy zato, vary tritrika iray alina fatra, vary hordea iray alina fatra. Namen'ny vahôkan'i Amona an'azy ôtran'zany ihany izy ny taona faharô sy fahatelo. 6 Ka de nihanatanjaka i Jotama satria nande nahitsy takeo agnolônan'i Yaveh Andriamaniny. 7 Ary ny am'reo raharaha hafa mahakasika an'i Jotama, ny adiny daôly, ary reo lalany, vôsoratra akao am'bokin'reo mpanjakan'Israely sy Joda zany. 8 Dimy amby rôpolo taona izy raha nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny enina ambefolo taona takao Jerosalema izy. 9 Maty taigny am'reo razambeny i Jotama, ary nalevinjareo takao an-tanànan'i Davida izy. Ahaza, zanagny lahy, no nanjary mpanjaka nandimby ny tôrany.