Faha 28

1 Rôpolo taona i Ahaza no nanomboka nanjaka, ary nanjaka enina ambefolo taona takao Jerosalema izy. Tsy nagnano ze marina takeo amason'i Yaveh izy, ôtran'ny nataon'i Davida razambeny. 2 Fa kosa, nande tam'lalan'reo mpanjakan'Israely izy; nagnambôtra sarin-javatra araraka ho an'reo Bala ihany kô izy. 3 Fagnampin'zany, nandoro emboka magnitra takao am'Lôsahan'i Bena-hinoma izy ary nagnandefa an'reo zanagny takao agnaty afo, araka reo asa fanompoan-tsampin'ny ôlà ze noteren'i Yaveh hiala tam'taniny talôhan'ny vahôkan'Israely. 4 Nagnano sorogna sy nandoro ditin-kakazo magnitra takao am'fitôrana ambo sy taigny am'reo havôgna ary taigny ambanin'ny kakazo maitso daôly izy. 5 Noho zany Yaveh Andriamanitr'i Ahaza, de nanolotra an'azy takeo an-tagnan'ny mpanajakan'i Syria. Nandresy an'azy ny Syriana ary nitondra vahôka gadra betsaka be niala takeo aminazy, nitondra an'njareo nankaigny Damaskosy. Natolotra takeo an-tagnan'ny mpanajakan'Israely ze nandresy an'azy tam'famonoana leibe ihany kô Ahaza. 6 Fa Peka zanaka lahin'i Remalia, de namono maramila 120 000 takao Joda takao agnatin'ny ray andro, leilà be herim-po daôly izy daôly, satria zareo de nahafoy an'i Yaveh, le Andriamanitry ny razambenjareo. 7 Zikry, leilà mahery raika avy aigny Efraima, namono an'i Mahaseia zanaka lahin'ny mpanjaka, Azrikama, manam-pahefana akeo am'lapa, ary i Elkana, ze ankeky ny mpanjaka. 8 Ny tafik'Israely de nialaka babo 200 000 vady, zanaka lahy, ary zanaka vavy avy tam'reo havanjareo. Nialaka babo betsaka be ihany kô zareo, ze nindesiny niverigna tainy Samaria. 9 Fa nisy mpaminagnin'i Yaveh raika taigny, Obeda no agnarany. Nivôka mba hitsena ny tafika ze tonga avy aigny Samaria izy. Ozy izy taminjareo hoe: "Satria Yaveh, le Andriamanitry ny razambenareo, sosy tam'Joda, de nanolotra an'njareo takeo an-tagnanareo Izy. Fa namono an'njareo tamin-kasosena ze mahatakatra ny lagnitra anareo. 10 Ary mihevitra ny hitàna an'reo leilà sy veivavin'i Joda sy Jerosalema ho andovonareo anareo. Fa anareo ma tsy meloka tam'reo fahotanareo tamin'i Yaveh Andriamanitrareo? 11 Ka am'zao, mitainô anà: Alefaso reo gadra, ze nalainareo tam'reo rahalànareo, fa miretra aminareo ny hasosen'i Yaveh." 12 Ary reo mpitarika ny vahokan'i Efraima sanagny__Azaria zanaka lahin'i Johanana, Berekia zanaka lahin'i Mesilemota, Jehizkia zanaka lahin'i Saloma, ary i Amasa zanaka lahin'i Hadlay, nitsangana hanoitra an'reo ze niverigna avy taigny amin'ny ady. 13 Ozy zareo taminjareo hoe: "Ôka tsy hitondra an'reo gadra aty anareo, satria mitady hitondra ra ze hampagnota an'nay hanoitra an'i Yaveh anareo, mba hagnampy an'reo otanay sy reo fahadisoanay, fa leibe ny fahadisoanay, ary misy hasosena misafôka amin'Israely." 14 Ka namela an'reo gadra sy reo babo takeo agnatrehan'reo mpitarika sy fivondrognana daôly reo leilà mitam-pedena. 15 Niarina reo leilà ze vôtendry tamin'ny agnarana ary nialaka an'reo gadra, sy nampekanjo an'reo daôly tsy nitafy taminjareo niaraka tam'reo babo. Nampekanjonjareo regny ary nameny kapa. Namenjareo ahanina hohanina sy ra hosotroina zareo. Nitsabo ny ratranjareo ary nametraka an'reo malemy takeo agnambona boriky zareo. Nindesinjareo niverigna taigny am'fianakaveny taigny Jeriko zareo, (antsôvina ho Tanànan'ny Palma). Avy akeo de niverigna taigny Samaria zareo. 16 Tam'zany fotôna zany Ahaza Mpanjaka de nagnandefa mpitondra hafatra taigny am'reo mpanjakan'i Asyria mba hangataka an'njareo hagnampy an'azy. 17 Satria mbôla tonga ndre reo Edomita ary nanafika an'i Joda, nitondra an'reo gadra. 18 Reo Filistina ihany kô de nanafika an'reo tanànan'reo tany lemaka sy ny an'i Negeva akao Joda. Nalainjareo i Beti-semesy, Aialona, Gederota, ary Soko sy reo zana-bohitrany, Timna sy reo zana-bohitrany, ary Gimzo sy reo zana-bohitrany ihany kô. Nande nipetraka taigny am'reo tôrana reo zareo. 19 Fa i Yaveh nampietry an'i Joda noho i Ahaza, mpanjakan'Israely, satria izy nagnano ratsy takao Joda sy nagnota mafy de mafy tamin'i Yaveh tokôtra. 20 Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, de tonga takeo aminazy ary nagnakorontagna an'azy raha tokony nankahery an'azy. 21 Fa i Ahaza de nambabo ny tragnon'i Yaveh sy reo ankohonan'ny mpanjaka ary reo mpitarika, mba hagnome zava-tsarobidy ho an'reo mpanjakan'i Asyria. Nefa tsy nazaôny tombony ny fagnanôvana an'zany. 22 Io Ahaza mpanjaka io ihany no tegna nanoitra an'i Yaveh tam'fotônan'ny fahoreny. 23 Satria nagnano sorogna tam'reo andriamanitr'i Damaskosy izy, andriamanitra ze efa nandresy an'azy. Ozy izy hoe: "Satria nagnampy an'njareo ny andriamanitr'reo mpanjakan'i Syria, de hisorogna ho an'njareo za, mba hagnampy anà zareo." Kanefa faharavana ho an'azy sy Israely daôly zareo. 24 Nangonin'i Ahaza reo fanaka takao am'tragnon'Andriamanitra ary nitapatapany. Nakatogny reo varavaragn'ny tragnon'i Yaveh ary nagnano alitara ho an'azy takeo am'zoron'i Jerosalema daôly izy. 25 Taigny am'tanànan'i Joda daôly no nagnanôvany fitôrana ambo mba handorôna sorogna ho an'reo andriamani-kafa. Nikatsika an'i Yaveh, le Andriamanitr'reo razambeny izy. 26 Ary ny sisa tam'reo asany, sy reo lalany daôly, vôlôny ary farany, de, efa vôsoratra akao am'bokin'reo mpanjakan'i Joda sy Israely. 27 Maty taigny am'reo razambeny i Ahaza, ary nalevinjareo takao am'tanàna, takao Jerosalema izy, fa tsy nindesinjareo taigny am'fasagn'reo mpankan'Israely. Hezekia, le zanagny lahy, no nanjary mpanjaka takeo am'tôrany.