Faha 26

1 Ny vahôkan'i Joda daôly nialaka an'i Ozia, ze enina ambefolo taona, ary nagnano an'azy ho mpanjaka akeo am'tôran'i Amazia rainy. 2 Izy no nagnorina ndre an'i Elota ary namerigna nagnorina an'zany ho an'i Joda. Tafaran'zany de nodimandry taigny am'reo razambeny ny mpanjaka. 3 Enina ambefolo taona i Ozia no nanomboka nanjaka. Nanjaka nandritra ny roa amby dimampolo taona takao Jerosalema izy. Jekolia no agnaran-dreniny; avy aigny Jerosalema izy. 4 Nagnano an'ze marina takeo amason'i Yaveh izy, nagnaraka ny ôtra namen'i Amazia, rainy, tam'ra daôly. 5 Nanolotra ny tegnany mba hikaraka an'Andriamanitra tamin'ny andron'i Zakaria, ze nagnome an'azy an'reo torolalana tam'fankatoavana an'Andriamanitra izy. Raha mbôla nikaraka an'i Yaveh izy, de nagnambina an'azy Andriamanitra. 6 Nivôka Ozia ary niady tam'Filistina. Noravainy ny mandan'ny tanàna takao Gata, Jabne ary Asdoda; nagnorina tanàna gedabe takao am'tanànan'i Asdoda sy takeo am'reo Filistina izy. 7 Nampen'Andriamanitra namely an'reo Filistina izy, nanohitra ny Arabo ze nipetraka tao Gorabala, ary nanohitra an'reo Meonita. 8 Nandoa fagnomezam-boninahitra ho an'i Ozia ny Amonita, ary niely ny lazany, na de hatraigny am'fidiran'i Egypta aza, satria nihanatanjaka izy. 9 Fagnampin'zany, nagnorina tilikambo takao Jerosalema i Ozia ze takeo am'Vavahady an-jorony, takeo am'Vavahadin-Dôsaha, sy takeo am'fiodignan'ny manda, ary nagnamafy orina an'reo. 10 Nagnorina tilikambo fembesana taigny agn'efitra izy ary nangady lava-drano betsaka, satria nanagna biby fiompy betsaka izy, taigny am'tany lemaka sy taigny amin'ny iva. Nanagna mpiompy sy mpamboly vôloboka taigny am'firenena sy taigny am'tany havôna sy taigny am'saha mamokatra izy, satria tè fiompina sy fambolena izy. 11 Fagnampin'zany, nanagna tafika leilà mpiady i Ozia ze nivôka isam-tokony mba hiady ze vôlamina araka ny isany ze nisain'i Jeiela, mpanora-dalàna, sy Mahaseia, manam-pahefana, takeo ambany fahefan'i Hanania, raika tam'reo mpifehin'ny mpanjaka. 12 Ny fitambaran'ny isan'reo lôhan'ny fianakaven-drazagna, leilà mpiady, de 2 600. 13 Takeo ambany fahefanjareo de nisy tafika 307 500 leilà ze niady tamin-kery leibe mba hagnampy ny mpanjaka hanohitra ny fahavalo. 14 Nomagnin'i Ozia ho an'njareo__ho an'ny tafika daôly__ reo ampinga, sabô, fiarovan-dôha, fiavôvan-tratra vy, tsipìka, sy vato ampesaina am'pilotra. 15 Nagnamboarany milina betsaka takao Jerosalema, ze noforonin'reo leilà manam-pahaizana, natao taigny am'tilikambo sy taigny an-dôhan'ny manda, ze andefasana zana-tsipìka sy vato geda. Niparitaka hatraigny am'tany alavitra ny lazany, satria nahazo fagnampena be izy mandra-pahatonga ho tegna mahery. 16 Fa rafa niha-natanjaka i Ozia, de nieboebo ny fony ka nagnano ny tsy marina izy; nivadika tamin'i Yaveh, Andriamaniny izy, satria nankao an-dragnon'i Yaveh mba handôro ditin-kakazo magnitra takeo amin'ny alitaran'ny ditin-kakazo magnitra. 17 Azaria, mpisorogna, de niditra nagnaraka an'azy, mbamin'ny mpisorogn'i Yaveh valopolo, ze leilà be herim-po. 18 Nanohitra an'i Ozia, mpanjaka zareo, ary nitare taminazy hoe: "Tsy anjaranao, ry Ozia, no mandoro ny ditin-kakazo magnitra ho an'i Yaveh, fa an'reo mpisorogna, reo zanaka lahin'i Arona, ze vômasina no mandôro ny ditin-kakazo magnitra. Mivoaha akao am'fitôrana masina, fa tsy nahatoky anao ary tsy hamen'i Yaveh Andriamanitra voninahitra. 19 De sosy i Ozia. Nitàna vile taigny an-tagnany izy mba handorôna ny ditin-kakazo magnitra. Ary raha mbôla sosy tam'mpisorogna izy, de nisy habokana nipoitra takeo am'tapikandrigny nagnolôna an'reo mpisorogna takao an-dragnon'i Yaveh, takeo agnilagn'le alitara ho an'ny ditin-kakazo magnitra. 20 Azaria mpisorognabe sy reo mpisorogna daôly de nitazagna an'azy, ary, tonga boka takeo am'tapikandrigny izy. Noroasinjareo nalaky niala takeo izy. ka de nivôka nalaky tokôtra izy, satria namely an'azy Yaveh. 21 Ozia, mpanjaka, de boka mandrapahafatiny ka nipetraka takao am'fonenana mitokana hatramin'ny nahaboka an'azy, satria nalàna takao am'tragnon'i Yaveh izy. Jotama, zanagny lahy, no takao an-dapan'ny mpanjaka ary nanapaka ny vahôkan'ny tany. 22 Ary raha ny am'raharaha hafa mahakasika an'i Ozia, vôlôny ary farany, de akao am'ze nosoratan'Isaia zanak'i Amosa, mpaminagny. 23 Ary nomdimandry taigny am'razambeny i Ozia; nalevinjareo niaraka tam'reo razambeny takao am'tany fandevegnana ze an'reo mpanjaka izy, fa ozy zareo hoe: "Boka izy." Jotama, zanagny lahy, no nanjary mpanjaka nandimby ny tôrany.