Faha 25

1 Dimy amby rôpolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby rôpolo taona takao Jerosalema izy. Joadana no agnaran-dreniny, avy akao Jerosalema. 2 Nagnano ze marina takao amason'i Yaveh izy, nefa tsy tam'fony tanteraka. 3 Ary nony tafapetraka tsara ny fanjakany, de namono an'reo mpanompo ze namono ny rainy, mpanjaka izy. 4 Kanefa tsy namono an'reo zanak'reo mpamono izy, fa nagnano arak'ze vôsoratra takao am'lalàna, takao am'bokin'i Mosesy, araka ny nandidian'i Yaveh hoe: "Ôka ny ray tsy ho foaty noho ny zanaka, na ny zanaka maty noho ny ray. Fa kosa, tokony ho foaty noho ny otany ihany ôlà isanisany. 5 Ka de, novorin'i Amazia niaraka ny Joda, ary nandray an-tsoratra ny agnaranjareo araka ny taranaky ny razambeny avy, takeo ambanin'reo mpifehy ny arivo sy mpifehy ny zato__ Joda sy Benjamina daôly. Nisainy nanomboka tam'rôpolo taona no miakatra zareo, ary 300 000 reo leilà vôfantina, afaka mande agn'ady, ze afaka mitàna sabô sy ampinga. 6 Nagnakarama leilà mpiady 100 000 avy tamin'Israely ihany kô izy tam'talenta volafotsy zato. 7 Fa nisy leilàn'Andriamanitra raika tonga takeo aminazy ary nagnano hoe: "Ry mpanjaka, aza avela hiaraka aminao ny tafik'Israely, satria Yaveh tsy momba ny Israely__na ny vahôkan'i Efraima. 8 Kanefa na de mande sy mahery fo ary mahery agn'ady aza anao, de handavo an'nao akeo agnatrehan'ny fahavalonao Andriamanitra, satria Andriamanitra de managna fahefana hagnampy, sy fahefana handavo." 9 De ozy Amazia tam'le leilàn'Andriamanitra hoe: "Ka ino zany no ataonay momba an'reo talenta zato ze efa nameko ho an'ny tafik'Israely?" Le leilàn'Andriamanitra namaly hoe: "Yaveh de afaka magnome an'nao betsaka mandombolombo an'zany." 10 Ka de nosarahan'i Amazia ny tafika avy taminazy sy ny avy tamin'i Efraima; ary nasainy nody ndre zareo. Ka nisafôka mafy tam'Joda ny hasosenjareo, ary de nody tamin-kasosena mafy zareo. 11 Ary Amazia nanagna herim-po ary nitarika ny vahôkany nivôka ny Lôsahan-tsira; takao no nandreseny an'reo leilà iray alina avy akaigny Seira. 12 Nisambo-belona an'reo iray alina hafa ny tafik'i Joda. Nindesinjareo taigny an-tampon'ny haram-bato zareo ary natsipiny avy taigny, mba hamotipotehana an'njareo daôly. 13 Fa reo leilàn'ny tafika ze naverign'i Amazia, mba tsy handehananjareo miaraka aminazy aigny agn'ady, de nanafika an'reo tanànan'i Joda hatraigny Samaria ka hatraigny Beti-horona. Nandavo vahôka telo arivo sy nialaka babo betsaka zareo. 14 Ary rafa tafaverigna avy tam'famonoana ny Edomita i Amazia, de nitondra an'reo andriamanitry ny vahôkan'i Seira, sy nametraka an'njareo mba ho andriamaniny manokana izy. Nenkohoka takeo agnolônan'reo izy ary nandôro ditin-kakazo magnitra ho an'reo. 15 Noho zany de nisafôka tamin'i Amazia ny hasosen'i Yaveh. Nandefa mpaminagny ho aigny aminazy Izy, ze nagnano hoe: "Nagnino anao no nikaraka an'reo andriamanitry ny vahôka ze tsy nahavonjy an'reo vahôkany takeo an-tagnanao avy?" 16 Ary raha mbôla nikoragna taminazy ny mpaminagny, de ozy ny mpanjaka taminazy hoe: "Zahay ma efa nagnano an'nao ho mpanolo-tsaignan'ny mpanjaka? Ôka zay! Nagnino anao no tokony ho vonoina?" Ary de nijanona le mpaminagny ary nagnano hoe: "Fantatro fa efa nanapa-kevitra ny handrava an'nao Andriamanitra satria nagnano an'zany asa zany anao ary tsy nitaino ny torohevitro." 17 Ary de nila hevitra tam'reo mpanolo-tsaigna i Amazia, mpanjakan'i Joda, ary nagniraka mpitondra hafatra taigny amin'i Joasy zanaka lahin'i Johaza zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely, nagnano hoe: "Ave, ôka ntsika hifagnatri-tava amin'ny ady." 18 Kanefa i Joasy mpanjakan'Israely namerigna an'reo mpitondra hafatra ho aigny amin'i Amazia mpanjakan'i Joda, nagnano hoe: "Tsilo raika taigny Libanona nandefa hafatra tamina sedera raika taigny Libanona, nagnano hoe: 'Ameo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' kanefa nisy bibidia raika avy taigny Libanona nande takeo ary nagnosihosy an'le tsilo. 19 Anao efa nagnano hoe: 'Indro, efa nandavo an'i Edoma za,' ary ny fonao no nampirehareha an'nao. Mirehareha am'fandresenao, nefa mijanòna ihany aigny an-dragno, fa nagnino anao no tokony hiteraka korontagna sy fahalavôna, ho an'ny tegnanao sy Joda miaraka aminao?" 20 Nefa tsy nitaino Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra zany tranga zany, mba hahafahany manolotra ny vahôkan'i Joda ho akeo an-tagnan'reo fahavalony, satria efa nikaraka hevitra tam'reo andriamanitr'i Edoma zareo. 21 Ka de nanafika i Joasy, mpanjakan'i Israely; izy sy Amazia, mpanjakan'i Joda, de nifagnatri-tava takao Beti-semesy, ze an'i Joda. 22 Lavo takeo agnatrehan'Israely ny Joda, ary nilefa nody ny leilà daôly. 23 Joasy, mpanjakan'Israely, de nisambotra an'i Amazia zanaka lahin'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, mpanjakan'i Joda, takao Beti-semesy. Nentiny taigny Jerosalema izy ary nandrotika ny mandan'i Jerosalema hatraigny am'Vavahady Efraima ka hatraigny am'Vavahady an-Jorony, ze nielagnelagna efajato hakiho. 24 Nalainy daôly ny volamena sy ny volafotsy daôly, ny ra daôly ze hita takao an-dragnon'Andriamanitra niaraka tamin'i Obed-edoma, ary reo ra nanan-danja takao an-dragnon'ny mpanjaka, niaraka tam'reo takalon'aigna ihany kô, ary de niverigna taigny Samaria. 25 Amazia zanaka lahin'i Joasy, mpanjakan'i Joda, de niaigna dimy ambefolo taona tafaran'ny nahafatesan'i Joasy, zanaka lahin'i Joahaza, mpanjakan'Israely. 26 Raha ny am'reo raharaha hafa mahakasika an'i Amazia, ny vôlôny sy ny farany, tsy efa vôsoratra takao agnatin'ny bokin'reo mpanjakan'i Joda sy Israely ma zareo? 27 Ary nanomboka tam'fotôna ze nivilizan'i Amazia tam'fagnarahana an'i Yaveh, de nanomboka nagnano tetika hanoherana an'azy taigny Jerosalema zareo. Nilefa taigny Lakisy izy, kanefa zareo nagniraka leilà nagnaraka an'azy taigny Lakisy ary namono an'azy taigny. 28 Nindesinjareo niverigna tam'sôvaly izy ary nandevigna an'azy niaraka tam'reo razambeny takao an-Tanànan'i Joda.