1 Fito taona i Joasy rafa nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny efapolo taona tao Jerosalema izy. Ny agnaran-dreniny de Zibia, avy aigny Berisheba. 2 Joasy de nagnano an'ze marina takeo amason'i Yaveh tamin'ny andro daôly niaignan'i Joiada, mpisorogna. 3 Nialaka vady rôy ho an'azy i Joiada, ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 4 Tafaran'zany, de tapa-kevitra ny hamerigna am'laoniny ny tragnon'i Yaveh i Joasy. 5 Nangoniny niaraka reo mpisorogna sy reo Levita, ary ozy izy taminjareo hoe: "Mandiana isan-taona aigny am'tanànan'i Joda ary magnangòna vola avy amin'Israely daôly mba hagnamboarana ny tragnon'ny Andriamanitrareo. Atôvo azo antoka fa hanomboka avy hatrany anareo." Tamin'ny vôlôny de tsy nagnano na ino na ino reo Levita. 6 Ary ny mpanjaka nampagnantso an'i Joiada, le mpisorognabe, ary niteny taminazy hoe: "Nagnino no tsy nasainao nindesin'reo Levita avy taigny Joda sy Jerosalema ny hetra ze nangonin'i Mosesy mpanompon'i Yaveh sy reo fiangonan'Israely, ho am'lain'ny lalàn'ny fagnikena?" 7 Fa reo zanaka lahin'i Atalia, le veivavy ratsy fagnà, namotika ny tragon'Andriamanitra ary nagnome an'reo ra-masina daôly takao an-dragnon'i Yaveh ho an'reo Bala. 8 Ka de nandidy ny mpanjaka, ary nagnambôtra vata zareo ary nametraka an'zany takeo avelagn'ny fidirana makao an-dragnon'i Yaveh. 9 Rafa zany de nagnano fagnambarana nagnerana an'i Joda sy Jerosalema zareo, ny mbô hitondran'ny vahôka ho an'ny Yaveh ny hetra ze nangonin'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra tamin'Israely taigny agn'efitra. 10 De nifaly reo mpitarika sy ny vahôka daôly ka nitondra vola ary nametraka an'zany takao am'reo vata mandra-pahafenonjareo an'zany. 11 Isaky ny mitondra ny vata ho aigny amin'ny manam-boninahitran'ny mpanjaka reo Levita, ary isak'ze hitanjareo fa misy vola betsaka akao agnatin'zany, de tonga ny mpanora-dalàn'ny mpanjaka sy ny manam-boninahitran'ny mpisorognabe, ka nagnafôgna ny vata, sy nialaka an'zany ary nitondra an'zany hiverigna ho akeo am'tôrany. Nagnano an'zany isan'andro isan'andro zareo, nagnangona vola betsaka. 12 Namen'ny mpanjaka sy Joiada ho an'reo ze nagnano ny asa fanompoana takao an-dragnon'i Yaveh kosa ny vola. Nagnakarama mpagnano tragno sy mpandrafitra reo leilà reo mba hamerigna am'laoniny ny tragnon'i Yaveh, ary niasa tao kô reo mpanefy vy sy varàgna. 13 De nisasatra ny mpiasa, ary ny asa fagnamboarana de nandroso teo an-tagnanjareo; naorinjareo ôtran'ny endrigny tam'vôlôny le tragnon'i Yaveh ary nohamafisiny zany. 14 Rafa vitanjareo, de nindesiny taigny amin'i Joiada sy ny mpanjaka ny ambim-bola. Zany vola zany de nampesaina hagnanôvana fanaka ho an'ny tragnon'i Yaveh, reo kojakoja enti-manompo sy hagnanôvana fagnatitra__sotro sy kojakoja volamena sy volafotsy. Tsy nijanona nanolotra fagnatitra dorôna takao am'tragnon'i Yaveh zareo tamin'ny andron'i Joiada daôly. 15 Niha antitra sy ela andro niaignana i Joiada, ary de maty izy; 130 taona izy no maty. 16 Nalevinjareo takao am'tanànan'i Davida niaraka tam'reo mpanjaka izy, satria efa nagnano ny tsara taigny Israely, tamin'Andriamanitra, ary tam'tragnon'Andriamanitra izy. 17 Ary tafaran'ny nahafatesan'i Joiada, de tonga reo mpitarik'i Joda ary nankatò ny mpanjaka. De nitaino an'njareo ny mpanjaka. 18 Nahafoy ny tragnon'i Yaveh, le Andriamanitr'reo razambeny zareo, ary nanompo an'reo andriamanitra Aseraha sy reo sampy. Tonga tamin'i Joda sy Jerosalema ny hasosen'Andriamanitra noho zany fagnanôvan-dratsinjareo zany. 19 Nefa nagniraka mpaminagny ho aigny aminjareo Izy mba hitondra an'njareo hiverigna aigny aminazy, Yaveh ndre; nijoro vavolombelona hanoitra ny vahôka reo mpaminagny nefa nandà ny hitaino zareo. 20 Tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Joiada, le mpisorogna ny fagnàn'Andriamanitra; nitsangana teo ambonin'ny vahôka Zakaria ary nilaza taminjareo hoe: "Zao no lazain'Andriamanitra: nagnino no mandika an'reo didin'i Yaveh anareo, ka tsy mahita fagnambinana? Ka satria nahafoy an'i Yaveh anareo, de nahafoy an'nareo ihany kô Izy." 21 Kanefa zareo nitetika hanoitra an'azy; tam'reo didin'ny mpanjaka, de nitora-bato an'azy takeo an-kianjan'ny tragnon'i Yaveh zareo. 22 Tam'zany fomba zany, Joasy, mpanjaka, de tsy niraharaha ny hatsaram-pagnà nataon'i Joiada, rain'i Zakaria, taminazy. Fa kosa, namono ny zanaka lahin'i Joiada izy. Rafa maty i Zakaria, de ozy izy hoe: "Yaveha anie hahita an'zao ary hamaly an'nao." 23 Ary tam'fefaran'ny taona, de niakatra hanoitra an'i Joasy ny tafik'i Syria. Tonga takao Joda sy Jerosalema zareo; novonoinjareo ny mpitarika ny vahôka daôly ary nagnandefa an'reo babo daôly ho aigny am'mpanjakan'i Damaskosy zareo. 24 Ny tafik'reo Syriana de tonga niaraka tamin'ny tafika kely, fa Yaveh no nagnome an'njareo fandresena takeo am'reo tafika geda be, satria nahafoy an'i Yaveh, le Andriamanitr'reo razambenjareo ny Joda. Tam'zany no nitsaran'ny Syriana an'i Joasy. 25 Tam'fotôna nandianan'reo Syriana, de efa naratra mafy i Joasy. Reo mpanompony ihany no nitetika hamely an'azy noho ny famonoana an'reo zanaka lahin'i Joiada, mpisorogna. Novonoinjareo takeo ambony fandrena izy, ary de maty; nalevinjareo takao am'tanànan'i Davida izy, fa tsy takao am'fasan'reo mpanjaka. 26 Reto no ôlà ze nitetika hanoitra an'azy: de Zabada zanaka lahin'i Simata, le Amonita; ary Jozabada zanaka lahin'i Simrita, le Moabita. 27 Am'zao ny mahakasika ny zanagny lahy, ny faminagnina leibe ze nitaravana ny mahakasika an'azy, sy ny fagnorenana ndre ny tragnon'i Yaveh Andriamanitra, indro, efa vôsoratra akao am'bokin'ny Tantaran'ny mpanjaka zany. Amazia zanagny lahy, no nanjaka nandimby ny tôrany.