1 Tam'taona fahafito, de nampiseho ny heriny i Joiada ary nagnano fifagnikena tam'reo mpifehy ny an-jatony, de Azaria zanaka lahin'i Jerohama, Isimaela zanaka lahin'i Johanana, Azaria zanaka lahin'i Obeda, Mahaseia zanaka lahin'i Adaia, ary Elisafata zanaka lahian'i Zikri. 2 Nankaigny Joda zareo ary nagnangona an'reo Levita avy am'reo tanànan'i Joda daôly, sy reo lôham-pianakaven'Israely, ary tonga takao Jerosalema zareo. 3 Nagnano fifagnikena tam'mpanjaka takao an-dragnon'Andriamanitra ny fiangonana daôly. Ozy Joiada taminjareo hoe: "Indro, hanjaka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, araka ny nolazain'i Yaveh mahakasika an'reo taranak'i Davida. 4 Zao no tsy maintsy ataonareo: ny raika ampahatelonareo mpisorogna sy Levita ze tonga hanompo am'Sabata, de ho mpiambina akeo am'reo varavaragna. 5 Ny ampahatelony hafa aigny am'tragnon'ny mpanjaka, ary ampahatelony hafa aigny am'Vavahadin'ny Fototra. Ny ôlà daôly de ho aigny an-kianjan'ny tragnon'i Yaveh. 6 Aza avela misy ôlà mankao an-dragnon'i Yaveh, afa-tsy reo mpisorogna sy Levita ze manompo. Mahazo miditra zareo satria vôtokana. Fa ny ôlà hafa daôly de tsy maintsy mankatoa an'reo didin'i Yaveh. 7 Tsy maintsy mihodidigna ny mpanjaka am'lafiny daôly reo Levita, ny ôlà daôly miaraka am'fitaovam-pedeny aigny an-tagnany. Na iza na iza miditra akao am'le tragno, de ôka izy ho vonoina. Miaraha am'mpanjaka rafa miditra sy mivôka izy." 8 Noho zany reo Levita sy Joda daôly de nanompo tam'fomba daôly ze nandidian'i Joiada mpisorogna. Samy nialaka an'reo leilàny ny isanisany, reo ze ho avy hanompo am'Sabata, sy reo ze handao ny fanompoana am'Sabata, satria Joiada, mpisorogna, de tsy mba nandrôka na iza na iza tam'fizaranjareo. 9 Avy akeo Joiada, mpisorogna, nitondra sabô ho an'reo mpifehy sy zanak'apinga kely sy geda ze an'i Davida Mpanjaka ze tao an-dragnon'Andriamanitra. 10 Nalahatr'i Joiada reo maramila daôly, ny leilà isanisany samy niaraka tam'fitaovam-pedeny taigny an-tagnany, avy akeo am'ilany hankavanan'ny tempoly hatraigny am'ilany hankaven'ny tempoly, nagnaraka ny alitara sy ny tempoly, nagnodidigna ny mpanjaka. 11 De nentinjareo nivôka ny zanaka lahin'ny mpanjaka, napetraka takeo aminazy ny satro-boninahitra, ary namena an'azy ny lalàn'ny fagnikena. De nataonjareo ho mpanjaka izy, ary nagnosotra an'azy i Joiada sy reo zanagny lahy. De ozy zareo hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka." 12 Rafa regnin'i Atalia ny tabataban'ny vahôka nihazakazaka sy nidera ny mpanjaka, de nagnatogna ny vahôka takao an-dragnon'i Yaveh izy. 13 Ary nitazagna izy, ka indro, nitsangana takeo ankekin'ny andry takeo am'fidirana ny mpanjaka, ary takeo agnilan'ny mpanjaka reo mpifehy sy reo mpitsoka trompetra. Nifaly sy nitsoka trompetra ny ôlàn'ny tany daôly, ary nitendry zava-maneno sy nitarika ny hira fiderana reo mpihira. Avy akeo Atalia nandrovitra ny akanjony ary nihiaka hoe: "Mpamadika! Mpamadika!" 14 Avy akeo Joiada, mpisorogna, nitondra nivôka an'reo mpifehy ny an-jatony ze teo am'tafika ary nitare taminjareo hoe: "Avoaho akeo agnelagnelagn'ny filaharana izy; ze ôlà magnaraka an'azy, ôka izy ho vonoina am'sabatra." Fa ozy ny mpisorogna hoe: "Aza vonoina akao an-dragnon'i Yaveh izy." 15 Noho zany de nagnano lalana ho an'azy zareo, ary nande tam'lalan'ny Vavahadin-tsôvaly nankaigny am'tragnon'ny mpanjaka izy, ary taigny no namonoanjareo an'azy. 16 Avy akeo Joiada nagnano fagnikena tam'tegnany, sy ny ôlà daôly, sy ny mpanjaka, fa tokony ho ôlon'i Yaveh zareo. 17 Noho zany de niditra takao an-dragnon'i Bala ny ôlà daôly ary nandrava an'zany. Nopotipotehinjareo ny alitaran'i Baka sy reo sariny, ary novonoinjareo takeo agnolônan'reo alitara reo i Matana, mpisorogn'i Bala. 18 Ary Joiada nanendry manam-boninahitra ho an'ny tragnon'i Yaveh takeo ambany fifehezan'reo mpisorogna, ze Levita, ze notendren'i Davida ho an'ny tragnon'i Yaveh, mba hanolotra fagnatitra dorôna ho an'i yaveh, araka ny vôsoratra akao am'lalàn'i Mosesy, niara-nifaly sy nihira, araka ny torolalana namen'i Davida. 19 Nametraka mpiambina takeo am-bavahadin'ny tragnon'i Yaveh i Joiada, mba tsisy na de raika ze naloto tam'fomba maro tokony hiditra. 20 Nentin'i Joiada niaraka taminazy reo mpifehy ny an-jatony, reo leilà manan-kaja, reo governoran'ny vahôka, sy reo ôlon'ny tany daôly. Nentiny nidigna avy takao am'tragnon'i Yaveh ny mpanjaka; nagnatona avy aigny am'Vavahady Agnambo nakaigny am'tragnon'ny mpanjaka ny ôlà ary nametraka ny mpanjaka ho akeo am'seza fiandrianam-panjakana. (Fagnamarihina: Ny dikan-teny sanagny am'zao fotôna zao de hoe: "Nindesinjareo nidigna ny mpanjaka.") 21 Ka de niravoravo ny ôlà daôly tao am'le tany, ary nilamina ny tanàna. Raha ny amin'i Atalia, de novonoinjareo tam'sabatra izy.