1 Reo vahôkan'i Jerosalema de nagnano an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, ho mpanjaka handimby an'azy, fa ny tarik'reo leilà ze niaraka tam'reo Arabo niditra tao am'toby de namono an'reo zanagny lahy geda daôly. Ka de Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, no tonga mpanjaka. 2 Roa amby efapolo taoana i Ahazia raha nanomboka nanjaka; nanjaka herintaona tao Jerosalema izy. Atalia no agnaran-dreniny; zanaka vavin'i Omry izy. 3 Nande tam'lalan'ny taranak'i Ahaba ihany kô izy satria ny reniny no mpanolo-tsaigna an'azy tam'fagnanôvan-dratsy. 4 Nagnano ze ratsy teo amason'i Yaveh i Ahazia, salan'ze nataon'ny taranak'i Ahaba, satria zareo no mpanolo-tsaignany tafaran'ny nahafatesan-drainy, ho am'faharavany. 5 Nagnaraka ny torohevitr'zareo ihany kô izy; nande niaraka tamin'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely izy, mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, taigny Ramota-gileada. Nandratra an'i Jorama reo Syriana. 6 Niverigna taigny Jezirela i Jorama mba hagnasitrana ny ratra ze nataonjareo taminazy taigny Rama, tamin'izy niady tamin'i Hazaela, mpanjak'i Syria. Ka de nidigna taigny Jezirela i Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, mba hijery an'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, satria naratra i Jorama. 7 Ary ny faharavan'i Ahazia de nentin'Andriamanitra tam'famangian'i Ahazia an'i Jorama. Rafa tonga izy, de niaraka tamin'i Jehorama mba hanafika an'i Jeho zanaka lahin'i Nimsy, ze efa nofidian'i Yaveh handrava ny taranak'i Ahaba. 8 Ary rafa nagnatanteraka ny fitsaran'Andriamanitra teo am'taranak'i Ahaba i Jeho, de nahita an'reo mpitarika an'i Joda sy reo zanaka lahin'ny rahalàn'i Ahazia nanompo an'i Ahazia izy. Novonoin'i Jeho zareo. 9 Nikaraka an'i Ahazia i Jeho; nosamborinjareo taigny am-pisitrihana takao Samaria izy, nentiny taigny am'Jeho, ka novonoina izy. Avy akeo nalevinjareo izy, fa ozy zareo hoe: "Izy de zanaka lahin'i Josafata, ze nikaraka an'i Yaveh tam'fony tanteraka." Ary de tsy nanagna fahefana hanapaka ny fanjaka ntsony ny taranak'i Ahazia. 10 Ary rafa hitan'i Atalia, renin'i Ahazia fa maty ny zanagny lahy, de nitsangana izy ary namono an'reo zanak'andrena daôly takao am'taranak'i Joda. 11 Kanefa i Joseba, zanaka vavin'ny mpanjaka, nialaka an'i Joasy, zanaka lahin'i Ahazia, ary nagnala an'azy takeo am'reo zanaka lahin'ny mpanjaka ze novonoina. Napetragny takao amin'ny efitragno fatorena izy sy ny mpitaiza an'azy. Ary Joseba, zanaka vavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Jehoiada mpisorogna (fa anabavin'i Ahazia izy), nanitrika an'azy tamin'i Atalia, mba tsy hamonoan'i Atalia an'azy. 12 Niara-nisitrika taminjareo takao an-dragnon'Andriamanitra nandritra ny enin-taona izy, raha mbôla i Atalia ny mpanjaka takeo am'tany.