Faha 21

1 Maty taigny am'reo razambeny i Josafata ary nalevigna niaraka tam'reo takao am'tanànan'i Davida; Jehorama, zanagny lahy, no tonga mpanjaka nandimby ny tôrany. 2 Nanagna rahalà i Jehorama, zanak'i Josafata: de Azaria, Jehiela, Zakaria, Azaria, Mikaela, ary Sefatia. Zanaka lahin'i Josafata, mpanjakan'Israely daôly reo. 3 Nanolotra fagnomezana volafotsy, volamena, ary zava-tsarobidy hafa betsaka be, ary tanàna mimanda taigny Joda ho an'azy reo ihany kô ny rainy, nefa nameny an'i Jehorama ny seza fiandrianana, satria izy no lahy vôlôny. 4 Ary rafa nitsangana takeo am'fanjakan-drainy i Jehorama ka nametraka mafy ny tegnany ho mpanjaka, de novonoiny tam'sabatra reo rahalàny daôly, sy reo mpitarik'Israely samihafa ihany kô. 5 Roa amby telopolo taona i Jehorama raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritry ny valo taona takao Jerosalema izy. 6 Nande tam'lalan'reo mpanjakan'Israely izy, ôtran'ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanaka vavin'i Ahaba no vadiny, ary nagnano ze ratsy takeo amason'i Yaveh izy. 7 Kanefa, tsy nagniry ny handringana ny taranak'i Davida i Yaveh, noho ny am'le fagnikena ze nataony tam'Davida; efa nampagnantena ny hagnome fiaignana ho an'azy sy reo taranagny lalandava Izy. 8 Tamin'ny andron'i Jehorama, de nikomy hiala tam'fifehezan'i Joda i Edoma, ka nametraka mpanjaka ho akeo aminjareo. 9 De nitsaka niaraka tam'reo mpifehiny sy reo saretiny daôly i Jehorama. Andro alina no niaingany sy niadivany tam'reo Edomita ze nagnodidigna an'azy sy mpifehy ny saretiny. 10 Ka efa nikomy tam'fifehezan'i Joda mandrak'zao i Edoma. Nikomy hiala tam'fifehezany niaraka tam'zany ihany kô i Libna, satria Jehorama efa nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitr'reo razambeny. 11 Fagnampin'zany, de nagnorina fitôrana agnambo taigny am'reo tendrombohitr'i Joda ihany kô i Jehorama, ka nampiaigna ny vahôkan'i Jerosalema ôtran'ny mpivaro-tena, ary nitondra an'i Joda hania. 12 Nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminagny tonga taigny amin'i Jehorama. Zao no nambaran'zany: "Zao no lazain'i Yaveh, le Andriamanitr'i Davida, razambenao: Satria tsy nande tam'lalan'i Josafata, rainao anao, na tam'reo lalan'i Asa, mpanjakan'i Joda, 13 fa efa nande tam'lalan'reo mpanjakan'Israely kosa, ary nahatonga an'i Joda sy reo vahôkan'i Jerosalema hibôgna ôtran'ny mpivaro-tegna, salan'ny nataon'ny taranak'i Ahaba__ary satria efa novonoinao tam'sabatra ihany kô reo rahalànao takao am'fianakaven-drainao, de reo leilà tsara noho ny tegnanao 14 indro, Yaveh hamely an'nao, reo zanakao, sy reo vadinao, ary ny haregnanao daôly amin'ny areti-mandringana leibe. 15 Anao mihitsy no harary mafy noho ny aretina akao am'tsinainao, ambaram-pahavô ny tsinainao noho le aretina, isan'andro isan'andro." 16 De nampientana ny fagnàn'reo Filistina sy reo Arabo ze nagnankey an'reo Etiopiana hamely an'i Jehorama i Yaveh. 17 Namely an'i Joda zareo, nanafika an'zany, ary nialaka an'reo harena daôly ze hita tao an-dragnon'ny mpanjaka. Nalainjareo ihany kô reo zanagny lahy sy reo vadiny. Tsisy zanaka lahy tavela ho an'azy afa-tsy i Jehoaza, zanagny faralahy. 18 Tafaran'zany daôly zany, de namely an'azy takao am'tsinainy tamin'ny aretina tsy hay sitragnina i Yaveh. 19 Ary tam'fotôna vôtondro, afaka roa taona, de lavon'ny aretiny ny tsinainy, ary maty noho ny aretina namaivay izy. Tsy nampiretra afo ho voninahitrany araka ny nataonjareo ho an'ny razambeny ny vahôkany. 20 Nanomboka nanjaka izy tam'faharoa amby telopolo taonany; nanjaka tao Jerosalema nandritra ny valo taona izy; ary maty tsisy mpitomagny. Nalevinjareo takao am'tanànan'i Davida izy, fa tsy takao am'fasan'ny mpanjaka.