Faha 20

1 Ary tafaran'zany, de tonga namely an'i Josafata reo vahôkan'i Moaba sy Amona, ary niaraka taminjareo ny Monita sanagny. (Fagnamarihina: Ny famakina hoe "Monita sanagny" maneho fagnitsina ny lahatsoratra Hebreo ze mivaky hoe: "Amonita sanagny". Noheveringa fa "Monita" no dikan-teny vôlôny ary zany de nosolôn'ny mpagnano dika soratra hoe "Amonita sanagny". Nefa ty famakina farany ty de tô tsisy heviny, satria ny Amonita de efa vôlaza takao amin'io andininy io. Na zany aza de dikan-teny samy hafa no nifagnarana tam'fomba maro tam'zany ôlà zany.) 2 De tonga ny sanagny nitare tamin'i Josafata, nagnano hoe: "Marobe reo ho tonga hanoitra an'nao avy akaigny ampitan'ny Ranomasina Maty, avy akaigny Edoma. Indro, akao Hazezon-tamara zareo," ze Enjedy. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe "Edoma", reo dikan-teny sanagny talô sy vaovao de mivaky hoe: " Syria".) 3 Nanjary natàtra sy nampizaha ny tegnany mba hizaha an'i Yaveh i Josafata. Nagnambara fifanden-kanina eran'i Joda daôly izy. 4 Niara-niangona hikaraka an'i Yaveh ny Joda daôly; tonga hikaraka an'i Yaveha taigny am'reo tanànan'i Joda daôly zareo. 5 Ary Josafata nitsangana takeo am'fiangonan'i Joda sy Jerosalema, tao an-dragnon'i Yaveh, takeo agnolônan'ny kianja vaovao. 6 Ozy izy hoe: "Ry Yaveh, le Andriamanitr'reo razambenay, tsy Anao ma no Andriamanitry ny lagnitra? Tsy Anao ma no mpanapaka akeo am'reo fanjakan'ny firenena daôly? Ny hery sy ny fahefana de akeo an-tagnanao, ka tsisy afaka hahatoitra an'Nao. 7 Ry Andriamanitray, tsy Anao ma no nandrôka ny mponina teto am'ty tany ty nagnolôna an'Israely ôlonao, sy nagnome an'zany mandrakizay ho an'reo tarank'i Abrahama? 8 Nonina takao am'zany sy nagnorina fitôrana masina takao ho an'ny agnaranao zareo, nagnano hoe: 9 'Raha tonga aketo aminay ny loza__ny sabatra, ny fitsaràna, na aretina, na silaona__de hitsangana akeo agnolônan'ty tragnony ty, sy akeo agnolônanao zahay (fa ato am'ty tragno ty ny agnaranao), ary hitomagny an'Nao zahay am'fahorenanay, ka handregny sy hamonjy an'nay Anao.' (Fagnamarihina: Raha tokony hoe "Fitsaràna", reo dikan-teny sanagny talô sy vaovao mivaky hoe "Tondra-drano".) 10 Ary reo vahôkan'i Amona, Moaba, ary ny tendrombohitra Seira za tsy navelanao ho tafihan'Israely rafa nivôka avy taigny am'tany Egypta zareo; fa kosa, niala taminjareo ny Israely ary tsy nandrava an'njareo. 11 Indro ny fomba hagnonerany an'ntsika; tonga handrôka an'ntsika hiala akao am'taninao ze namenao ho lovanay zareo. 12 Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara an'njareo ma Anao? Fa tsy managna hery hanoherana an'zany tafika gedabe tonga hanoitra an'nay zany zahay. Tsy fantatray ze tokony hatao, fa ny masonay de aigny aminao." 13 Nitsangana takeo agnolônan'i Yaveh ny Joda daôly, niaraka tam'reo madinika an'njareo, reo vadiny, sy reo zanagny. 14 De teo ampovôn'ny fiangonana, no tonga tam'Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, le Levita, raika tam'reo zanak'i Asafa ny Fagnàn'i Yaveh. 15 Ozy Jahaziela hoe: "Tainô, ry Joda daôly sy ny vahôkan'i Jerosalema, ary ry Josafata mpanjaka. Zao no lazain'i Yaveh aminareo hoe: 'Aza matàtra; aza kivy noho zany tafika gedabe zany, tsy ho an'nareo ny ady, fa ho an'Andriamanitra. 16 Tsy maintsy hidigna hamely an'njareo anareo amaraigna. Indro, hiakatra am'lalana mandalo aigny Ziza zareo. Hatazagna an'njareo akeo am'faran'ny lôsaha anareo, akeo alôn'ny efitr'i Joroela. 17 Tsy mila miady am'zany ady zany anareo. Mitsangàna akeo am'fitôranareo, mijanòna, ka jereo ny famonjen'i Yaveh an'nareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matàtra na kivy. Mivoaha hamely an'njareo amaraigna, fa Yaveh homba an'nareo.'" 18 Nampekoka ny tareny takeo am'tany i Josafata. Ny Joda daôly sy ny mponin'i Jerosalema de niondrika takeo agnolônan'i Yaveh, nidera an'Azy. 19 Reo Levita, sy reo taranaky ny Kehatita sy Koraita, nitsangana mba hidera an'i Yaveh, le Andriamanitry ny Israely, tam'feo mahery. 20 Ampôlakeka be de nitsangana zareo ka nivôka nankaigny amin'ny efitr'i Tekoa. Raha nivôka igny zareo, de nitsangana Josafata ary nitare hoe: "Mitainô anà, ry Joda, sy anareo mponin'i Jerosalema! Minoa an'i Yaveh Andramanitrareo, de ho ampena anareo. Matokia an'reo mpaminanigny, de hahômby anareo." 21 Rafa nagnotany ny ôlà izy, de nanendry an'reo tokony hihira ho an'i Yaveh sy hidera an'Azy noho ny voninahitrany masina izy, raha nivôka nelôha ny tafika zareo, ary nagnano hoe: "Misaora an'i Yaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindrampony." 22 Rafa nanomboka nihira sy nanompo zareo, de nametraka leilà hamely tampoka ny vahôkan'i Amona, sy Moaba, ary ny tendrombohitra Seira, ze avy hamely an'i Joda i Yaveh. Ary de resy zareo. 23 De nitsangana hiady hanoitra ny vahôka avy akao an-tendrombohitra Seira ny vahôkan'i Amona sy Moaba, mba hamono tanteraka sy handringana an'njareo. Rafa vitanjareo ny amin'ny vahôka akao an-tendrombohitra Seira, de hifandringana zareo. 24 Raha tonga takeo am'tôrana fitazagnana ny efitra ny Joda, de nitazagna ny tafika zareo. Ndreo, efa maty zareo, lavo tam'tany; tsisy afaka nilefa. 25 Raha tonga handrava takeo aminjareo Josafata sy ny vahôkany, de nahita ra betsaka be, akanjo, sy fitaovana sarobidy, ze nalainy ho an'njareo, mihôtra noho ze azonjareo ndesina. Naharitra telo andro ny fandravanjareo, fa be lôtra zany no teo. (Fagnamarihina: Raha tokony hoe "Teo aminjareo", reo dikan-teny sanagny talô sy vaova mivaky hoe " Biby fitarihizina". Raha tokony hoe "Fitafena", reo dikan-teny talô sy vaovao mivaky hoe "Faty"). 26 Tamin'ny andro fahefatra de nivory takeo am'Lôsahan'i Bereka zareo. Taigny no nideranjareo an'i Yaveh, ka natao hoe "Lôsahan'i Bereka" ny agnaran'zany tôrana zany mandrak'ty gniany. 27 De niverigna zareo, ny ôlà daôly tao Joda sy Jerosalema, ary takao am'fitarihanjareo i Josafata, mba hande hankaigny Jerosalema am-pifalena ndre, fa Yaveh efa nampijaly an'njareo takeo am'reo fahavalony. 28 Tonga taigny Jerosalema sy takao an-dragnon'i Yaveh niaraka tam'reo lokanga, vale, ary trompetra zareo. 29 Ny horohoro avy amin'Andriamanitra de takeo am'reo fanjakan'ny firenena daôly raha naregny zareo fa Yaveh de niady hamely an'reo fahavalon'Israely. 30 Ka de nangina ny fanjakan'i Josafata, satria nagnome fiadanana an'azy nagnodidigna an'azy daôly ny Andriamaniny. 31 Nanjaka takeo am'Joda i Josafata: dimy amby telo-polo taona izy raha nanomboka nanjaka, ary nanjaka dimy amby rô-polo taona tao Jerosalema izy. Ny agnaran-dreniny de Azoba, zanaka vavin'i Sily. 32 Nande tam'reo lalan'i Asa rainy izy; ary tsy niala tam'regny; nagnano an'ze marina takeo amason'i Yaveh izy. 33 Na zany aza, tsy noravana reo fitôrana agnambo. Ny vahôka de tsy mbôla nitarika ny fonjareo ho am'le Andriamanitry ny razambenjareo. 34 Ary raha ny am'reo ra hafa mahakasika an'i Josafata, vôlôny sady farany, indro, zareo de efa vôsoratra akao am'tantaran'i Jeho zanak'i Hanany, ze vôrakitra an-tsoratra akao am'bokin'reo mpanjakan'Israely. 35 Ary tafaran'zany Josafata, mpanjakan'i Joda de niray hina tamin'i Ahazia, mpanjakan'Israely, ze nagnano faharatsena maro. 36 Niray hina taminazy izy mba hagnambôtra sambo handianana aigny Tarsisy. Takao Ezion-gabera no nagnamboaranjareo ny sambo. 37 Ary Eliezera zanak'i Dodavaho avy aigny Maresa, de naminagny hamely an'i Josafata; ozy izy hoe: "Satria efa niray hina tamin'i Ahazia anao, de noravain'i Yaveh reo tetikasanao." Nirendrika le sambo ka tsy afaka niondrana an-tsambo zareo.