Toko faha-27
1
Da rehefa avy gne mandraigny, da nitetiky hanohitry an'i Jesosy mba hamono Anazy gne lehiben'e mpisorogny sy gne loholo aby.
2
Indreo namatotry Anazy, mitariky Anazy tagny ivelany, sady hanolotry Anazy tamin'i Pilato governora.
3
Da Jodasy, gne hamadiky Anazy, rehefa nahita fa voaheloky Jesosy, da nibebaky Izy sady namerigny ireo volafotsy telopolo tamin-dreo lehiben'e mpisorogny sy indreo loholo,
4
sady nizaka hoe: "Magnota iao tame namadiako rà tsy manan-tsiny." Fa indreo nizaka hoe: "Aninay ino? Anao zany."
5
Da natsipiny tagnatin'e tempoly tao gne volafotsy aby io, da niala, sady nijotso ary nagnantogny gne tegnany Izy.
6
Indreo lehiben'e mpisorogny nangala gne volafotsy aby da nizaka hoe: "Tsy ara-dalàgny gne mametraky an'ity ame fagnegnegnam-bola, satria ity da vidin-drà."
7
Niaraky niresaky gn'olo indreo sady nividy gne sahan'e mpambôtry vilagny tanimanga izay handevenagny ireo vahiny tamin'e vola aby io.
8
Da izay gne antony nangnangiagny an'izany saha zany hoe: "Sahan'e Rà" mandrak'ankehitriny.
9
Ary da tanteraky gne vozaka tamin'ny mpaminany Jeremia, magnano hoe: "Nangala gne volafotsy telopolo indreo, vidy nagnombagn'e fokonolon'Israely Anazy,
10
sady indreo nagnome anizany ho an'e sahan'e mpambôtry vilagny tanimanga, arak'e nambaran'e Tompo anà."
11
Ary Jesosy nitsangagny talohan'e governora teo, da gne governora nagnotany Anazy hoe, "Anao me gne mpanjakan-dreo Jiosy?" Jesosy namaly anazy hoe: "Voalazanao ."
12
Fa rehefa nitorin-dreo lehiben'e mpisorogny sy gne loholo Izy, da tsy namaly ndre ino ndre ini,.
13
Da nizaka taminy Pilato hoe: "Tsy regninareo me gne fitoriagny aby atao aminao?"
14
Fa tsy namaly ndre da zaka raiky Izy, gaga tokôtry noho izany gne governora.
15
Sady isakin'e firavoravoagny da fomban'e governora gne mamotsotry gadra raiky voafidin'e fokonolo.
16
Tamin'io fotôgny io, nanagny gadra malaza ratsy antsovagny hoe Barabasy indreo.
17
Noho izany refa niara-nivory indreo, da hoy Pilato tamin-dreo hoe:"Ia gne tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy izay antsovagny hoe Kristy?"
18
Fantany fa nohon'e fialonagny gne nanoloran-dreo an'i Jesosy tamin'azy.
19
Raha nipetraky tamin'e seza fitsaragny izy, da nandefa zaka tamin'azy gne vandiny da nagnano hoe:"Tsy managny na ino na ino hanigny amin'ity lelà tsy manan-tsigny ty iao. Fa mataotry lôtry iao androany nohon'e nofy azoko momba an'Azy."
20
Da gne lehiben'e mpisorogny izy ame lohologny nandresy lahatry gne fokonolo mba hangataky an'i Barabasy, da hampamono an'i Jesosy.
21
Nagnotany andreo gne Governora hoe:" Ia amin-dreo roy gne tianareo halefako ho anareo?" Hoy indreo hoe:" Barabasy."
22
Pilato nizaka tamindreo hoe:" Ino gne tokony ataoko amin'i Jesosy izay antsovagny hoe Kristy?" Izy aby namaly hoe:" fantsiho amin'e hazofijaliagny Izy."
23
Da hoy Izy hoe:" Nagnino, ino gne heloky namboariny?" Fa vô maiky indreo nizaka mafy hoe:" Fantsiho amin'e hazofijaliagny Izy."
24
Fa refa hitan'i Pilato fa tsy afaky hagnano na ino na ino izy, kanefa efa nanomboky gne resandresaky, da nangala rano izy, nanasa gne tagnany tamason'e fokonolo, sady nagnano hoe:" Tsy manan-tsigny amin'e ràn'ity lelà tsy manan-tsigny ty iao.Fa asanareo zany."
25
Gne olo aby nizaka hoe:" Ho aminay Izy ame zanakay anie gne ràny."
26
Da nalefany ho andreo Barabasy, fa nively karavasy an'i Jesosy izy da nanolotry Anazy ho fantsihigny.
27
Aveo gne miaramilan'e governora nangala an'i Jesosy ho agny an-dapa sady nandagno gne vondrogny miaramila agnaby.
28
Nangala gne fitsikinany indreo da nampagnano lamba jaky Anazy.
29
Nagnambôtry satro-boninahitry fantsy indreo da nametraky an'izany tan-dohany, da nametraky angira tamin'e tagnany ankavagny. Nandohaliky tagnatrehany indreo sady nagnabarabara Anazy, nagnano hoe:" Akôriaby, ry mpanjakan'e Jiosy!"
30
Nandroran-dreo Izy, sady nalain-dreo gne angira da namango Anazy in-maro be tamin'e lohany.
31
Refa avy nagnabarabara Anazy indreo, da nangala gne lambany sady nampitafy Anazy gne lambany, da ninday Anazy nijotso mba hamantsiky Anazy amin'e hazofijaliagny.
32
Refa nijotso indreo, da nahita lelà raiky avy agny Syrena natsovagny hoe Simona, izay noteren-dreo hiaraky amindreo mba hampijongaigny gne hazofijaliagny.
33
Negnagny amin'e toeragny antsovagny hoe Golgota indreo, izay midika hoe " Toeran'e Karandoha."
34
Nomen-dreo divay mifangaro amin'e afero Izy mba ho nominy. Fa refa nandramany zany, da tsy ninagny Izy.
35
Refa nofantsihan-dreo tamin'e hazofijaliagny Izy, da nataon-dreo loka gne fizaragny gne fitsikinany,
36
da nipetraky indreo da nijanogny niambigny Anazy.
37
Tambonin'e lohany gne nametrahan-dreo soratry mizaka gne nagnamelohagny Anazy, izay mivaky hoe:" Ity gne Jesosy, mpanjakan'e Jiosy."
38
Nisy dahalo Roy nofantsihagny niaraky taminazy, gne raiky takavanany da gne raiky t'ankaviany.
39
Gne nandalo da nanevateva an'Azy, nagnifikifiky gne lohandreo
40
sady nagnano hoe: "Anao izay handrava gne fengonagny sady hagnamboatry an'izany indraiky agnatin'e telo andro, vonjeo gne tegnanao! raha Anao gne Zanak'Andriamanitry, midigna tegny ame hazofijaliagny!"
41
Ako izany koa gne zakaben'e mpisorogny nagneso an'Azy, niaraky tam'ireo mpanora-dalagny izy am'ireo lohologny, sady nizaka hoe:
42
"Nagnavotry gne hafa Izy, fa tsy afaky magnavotry gne tegnany. Izy gne mpanjakan'Israely. Avelay Izy hidigny egny ame hazofijaliagny, da hino an'Azy atsika.
43
Natoky an'andriamanitry Izy, avelay Andriamanitry hamonjy an'Azy izao, raha mankasitraky gne hagnafaky an'Azy Andriamanitry. Fa ndre Izy aza da nizaka hoe: 'Iao gne Zanak'Andriamanitry.'"
44
Akô izany koa ireo dahalo izay nofantsihagny niaraky tamin'Azy nizaka fanevatevagny tamin'Azy avakoa.
45
Sady nanomboky tame lera faha enina da nandrakotry gne tany agnaby gne mizigny ka hatrame lera fahasivy.
46
Teo ame lera fahasivy, da nitoreo tame feo mafy i Jesosy sady nagnano hoe: "Ely, Ely,lamà sabaktani?" Izay midika hoe: "Andriamanitriko, Andriamanitriko, nagnino Anao da niala Anà?"
47
Refa regnin'e sasany tam'ireo izay nitsangagny teo izany, da hoy indreo: "Magnantso an'i Elia Izy."
48
Teo no eo da nihazakazaky gne raiky tamindreo sady nangala epônjy, da nolemany tame vinegra izany, nohonizany tame bararata izany, da nomeny an'Azy ho ndranominy.
49
Gne sasany tamindreo nizaka hoe: "Avelay Izy. hohitatsika eo Raha ho avy hamonjy an'Azy i Elia."
50
Da nitoreo tame feo mafy indraiky I Jesosy sady nanolotry gne fagnahiny.
51
Indro, gne lamban'e fengonagny rivatry nizara roy latambony ka hatra ambany, sady nihorohoro gne tany, sady vaky sasaky gne vatolampy.
52
Nivoha gne kobory, sady gne fatin'e olon'Andriamanitry maro da nitsangagny agnaby.
53
Indreo da nijotso avy tao ame kobory tafaran'e fitsanganagny tame maty, niditry gne tanàgny masigny. sady nibôky tame maro.
54
Sady gne kapiteny izy am'ireo izay nagnety an'i Jesosy refa nahita gne horohoron-tany izy am'ireo raha nibôky, da lasa natahotry mafy sady nagnano hoe: "Zanak'Andriamanitry marigny ity."
55
Nisy viavy maro izay nagnaraky an'i Jesosy hatragny Galilia mba hikarakara an'Azy teo nagnety egny alavitry.
56
Tamindreo Maria Magdalena,Maria endrin'i Jakoba izy am'i Josefa, da iendrin'ireo zanak'i Zabedio lelà.
57
Refa aligny gn'andro, da nisy lelà raiky manan-dra avy agny Arimatia avy, antsovagny hoe Josefa, izay mpianatr'i Jesosy avakoa.
58
Nagnatogny an'i Pilato izy sady nangataky gne fatin'i Jesosy. Da nobekoin'i Pilato omegny an'azy izany.
59
Nangala gne faty Josefa, nofognosiny tame lamba rongony madio,
60
sady napatoriany tame kobory vaovao izay nolavahany tame vatolampy. Da namaringarigny gne vato be nandrakotry gne varangaran'e kobory izy da nijotso.
61
Maria Magdalena izy am'ireo Maria hafa da teo, nipetraky tagnilan'e kobory.
62
Gn'andro magnaraky, izay andro afaran'e fagnomagnagny, da niara nilagno tamin'i Pilato ireo lehiben'e mpisorogny izy am'ireo Fariseo.
63
Hoy indreo hoe: "Tompoko, tadidinay fa tame favelognin'igny mpamitaky igny, da hoy Izy hoe: 'Afaran'e telo andro,da hitsangagny indraiky Iao.'
64
Ka noho izany, mandidia mba ho ambenagny gne kobory hatrame gn'andro fahatelo, Raha tsy izany ireo mpianatriny mety ho avy da hangalatry an'Azy da hizaka amign'olo hoe: 'Nitsangagny tame maty Izy', sady gne fitaky farany da ho ratsy nohon'e tame voalohany."