TOKO faha 28
1
Avy tame gn'alalan'e Sabata, Raha vatany vô nanomboky mangiran-dratsy gn'andri voalohagny ame gn'herignandro, da dila nandeha nagnety e kobory Maria Magdalena miaraky amin'i Maria raiky hafa.
2
Indro, nisy horhoron-tany be, fa gn'anjelin'e Tompo e nidigny avy lat'andangitry, avy sady namaringarigny e vato, da nidoboky t'ambonin'izany.
3
Gn'endrikiny da ak9 gne tselatry, da gn'akanjony da fotsy akô oram-panala.
4
Nalia indreo mpiambigny da nivadiky akô lelà maty.
5
Niresaky tamin-dreo viavy igny anjely igny da nizaka tamindreo hoe: "ka Malia, fantako fa nitadia an'i Jesosy anareo, gne nofantsihagny tame hazofijaliagny.
6
Tsy atoa Izy, fa efa nitsangagny, araky gn'efa nozakainy. Avia iteo gne toeragny izay natorian'e Tompo.
7
Mandehana malaky da zakay gne mpianatriny hoe: "Nitsangagny tame maty Izy". Indro, efa nandeha nitariky anareo aloha e Galilea Izy. Agny gne hahitanareo Anazy.' Indro, efa nizakaiko taminareo."
8
Niala nalaky gne kobory tame tahotry sady tame hafaliagny zakabe indreo viavy, sady nihazakazaky mba hizaka gne mpianatriny.
9
Indro, nifanepaky tamindreo Jesosy da nizaka hoe: "Arahaba!" Nagnatogny andreo viavy, mitazogny gne tongotriny sady nidera Anazy.
10
Da avy eo Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Ka malia. Mandehana mizaka amindreo ralàko e Galilia. Agny gn'ahitandreo Anà."
11
Da igny indreo viavy mbola nandea igny, indro, gne sasany tamindreo mpiambigny nandea tame tanàgny zakabe da nizaka tame lohan'e mpisorogny gne raha aby nibôky. Rehefa
12
nifanepaky tamin-dreo loholo gne mpisorogny da nikoragny mikasiky gn'olo tamindreo, da nagnome vola be andreo miaramila indreo da
13
nizaka andreo hoe: " zakay ame gn'afa hoe: 'Avy tame gn'andro aligny e mpianatr'i Jesosy da nangalatry gne vatany raha mbola natory iay.'
14
Raha avy agny ame governora izany tatitry izany, da handresy lahatry anazy isika sady angala gne tebiteby aminareo.
15
Sady da nalain'e miaramila mgne vola da nagnano arak'izay efa nozakaigny anazy indreo. Da izany tatitry izany da nieli-patragny tamin'e Jiosy da mitohy mandrak'ankehitriny aza.
16
Fa nandea e Galilea indreo mpianatry raiky ambin'ny folo, tame tendrombohitr'y izay efa nambaran'i Jesosy andreo.
17
Rehefa nahita Anazy indreo, da nidera anazy, fa gne sasany kosa nisalasala.
18
Nagnantogny andreo Jesosy da nikoragny tamindreo da nizaka hoe: "Efa nomegny fahefagny aby agny an-dagnitry sy ety an-tany.
19
Koa mandehana da anio tonga mpianatriko gne firenegny aby io. Anivo batisa indreo ame gn'agnaran'e Ray, gne Zanaky, da gne Fagnahy Masigny.
20
ampianaro indreo hagneky gne raha aby izay nandidiako anareo. Indro, miaraky aminareo fezay Iao, ndre hatramin'e fitaperan'izao tontolo izao aza."