TOKO faha 26

1 Rehefa vitan'i Jesosy izany zaka marobe zany, da nizaka tamin'gne mpianatriny Izy hoe: 2 Fantatrinareo fa afaky roy andro da ho avy gne Paska, da atolotry hofatsiagny amin'gne hazofijaliagny gne Zanak'olo." 3 Aveo gne lehiben'e mpisorogny sy gne olombe niara-nivory tamin'gne lapan'gne mpisorona-be, izay nantsovagny hoe Kaiafa. 4 Niaraky nagnano tetiky indreo mba hisamboragny mangigny an'i Jesosy sady hamono Anazy. 5 Fa hoy indreo hoe: "tsy amin'gne fety, mba tsy hisian'gne korotagny amin'e olo." 6 Jesosy rehefa ta Betania tan-dragnon'i Simona boka, 7 ra nipetraky nihinagny tamin'gne latabatry, da nisy viavy raiky nanagny tavoara alabastara feno menaky lafo vidy nagnatogny Anazy, da nandraraky anizany tamin'e lohany. 8 Fa ra hitan'gne mpianatriny izany, da vignitry indreo da nagnao hoe: "Ino gne anton'izao fandaniagny izao? 9 Afaky navidy lafo sady nomegny gne mahantra io." 10 Fa Jesosy, nahafantatry anizany, nizaka andreo hoe: "Nagnino anareo gne manahiran-tsaigny an'i raviavy? Fa ra tsara gne naniny tamina. 11 Eo aminareo mandrakariva gne sahiragny, fa Iao da tsy ho eo aminareo mandrakariva. 12 Ra nandraraky izany menaky magnitry izany tamin'gne tegnako izy, da naninyo an'gne fandevenagny Ana izany. 13 Zakaiko marina aminareo, ndre ia ndre iahitoriagny gne filazantsara amin'izao tontolo rehetra izao, izay nanin'ity viavy ityda ho zakaigny avokoa ho fahatsiarovagny anazy." 14 Aveo raiky tamin'gne roy ambinifolo, gne angiagny hoe Jodasy Iskariota, nandea tamin'gne lehiben'e mpisorigny 15 da nagnano hoe: "Omenareo ohatrino iao hanolorako Anazy aminareo?" Nandanja volafotsy madiniky telopolo indreo ho anazy. 16 Tamin'izany fotoagny izany da nitadia fahafahagny izy mba hanolorany Anazyamin-dreo. 17 Tamign'andro voalohan'gne mofo tsy misy lalivay da nagnotany an'i Jesosy gne mpianatry da nizaka hoe: "Aia gne tianao hagnomananay ho anao hihinagny gne sakafon'e paska?" 18 Namaly Izy hoe: "Midira an-tanagny misy lelah raiky da zakay izy hoe: 'Hoy gne mpampianatry hoe: "Efa akeky gne fotoako. An-dragnonao atoa Iao gne hagnano paska miaraky amin'gne mpianatriko.''''' 19 Nanin'gne mpianatry ako izay nandidian'i Jesosy izany, da nanomagny gne sakafo paska indreo. 20 Ra tonga gne hariva, da nipetraky nihinagny niaraka tamin'gne mpianatry roa ambin'ny folo Izy. 21 Rehefa nihinagny indreo, da hoy Izy hoe: "Zakaiko marina aminareo fa hisy raiky aminareo hamadiky Ana." 22 Nalahelo indreo da nanomboky nagnotany Anazy gne kiraikiraiky hoe: "Tsy ho iao mihitsy, ry Tompo?" 23 Namaly Izy hoe: "E niaraky nagnatsoboky gne tagnany tamina tagnaty lovia gne raiky hamadiky Ana. 24 Handea gne Zanak'olo araky gn'efa voasoratry momba Anazy. Nefa loza an'gne olo izay hamadiky e Zanak'olo! Tena tsara ho an'izany olo izany gne tsy teraky mihitsy. " 25 Jodasy , gne hamadiky Anazy nizaka hoe: "Iao me izany, Raby?" Hoy izy taminazy hoe: "Volazanao." 26 Ra mbola nihinagny indreo, da nangala gne mofo Jesosy, nizaotry, sady nanapaky anizany. Nomeny gne mpianatry izany da nizaka hoe: "Reso, hano, Ity gne vatako." 27 Nangala gne kapoky Izy da nizaotry, sady nagnome izany andreo da nizaka hoe: "Anareo marobe, sotry ity. 28 Fa itiky gne ràn'gne fagnekem-pihavanagny arotsaky ho an'gne maro ho famelan-keloky. 29 Fa zakaiko aminareo, fa tsy hisotro gne vokatr'e voaloboky esanaky Iao, mandra-pihavian'gne fisotroagny vaovao hiarako aminareo amin'gne fanjakan'e Raiko." 30 Rehefa nihira hira fideragny indre, da nandea tamin'e tendrombohitr'i Oliva. 31 Aveo hoy Jesosy tamin-dreo hoe: "Anareo marobe da hiala Ana nohon'gne amina androany ariva, fa voasoratry hoe: 'Hamely gne mpiandry ondry Iao da hiparitaky gne ondry.' 32 Fa hafaran'gne fitsanganako amin'gne maty, da hialoa lalagny anareo a Galilia." 33 Fa Petera nagnano taminazy hoe: "Ndre da handao nohon'e aminao aza gne marobe, iao tsy mba handao mihitsy." 34 Hoy Jesosy taminazy hoe: " Zakaiko marina aminao, fa androany ariva ndre mbola tsy magneno gn'akoho, da handà Ana intelo anao. " 35 Petera nizaka taminazy hoe: "Ndre tsy maintsy ho faty miaraky aminao aza iao, da tsy handà anao. "Ako izany aby gne nizakain'gne mpianatry hafa. 36 Da Jesosy nandeha niaraky tamin-dreo nandeha amin'e toeragny antsoigny hoe Getsemane sady nizaka tamin'e mpianatriny hoe: "Midoboa etoa raha mbola handeha ery hivavaky Iao." 37 Ninday an'i Petera miaraky amin'e zanak'i Zebedio roy là Izy sady nanomboky nalahelo sady ory. 38 Avy teo hoy Izy tamin-dreo hoe: "Mampalahelo gne fagnahiko, akô efa ho faty. Mipetraha etoa da mihambena miaraky aminà." 39 Nisitaky kidikidy Izy, niankohoky da nivavaky. Hoy Izy hoe: "Ry Raiko, raha azo atao, da aoka esorigny aminà ity kapôky ity. F'izy, aoka tsy araky gne sitrapoko, fa gne sitraponao." 40 Nagnotany andreo mpianatry Izy da nahita andreo azon-tory, da hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Ino, tsy mahavita miambigny miaraky aminà ndre da lera raiky fotsiny me anareo? 41 Miambena sady mivavaha mba tsy ho azon'e fakam-pagmahy anareo. Mety avao gne fagnahy, fa gne nofotry e malemy." 42 Mbola nandeha fagnin-droiny Izy da nivavaky. Hoy Izy hoe: "Abako ô, raha tsy azo alaigny aminà ity Raha tsy misotro Iao, da ho anigny anie gne sitraponao." 43 Niverigny indraiky Izy da mbola nahita andreo natory, fa navesatry gne mason-dreo . 44 Da niala andreo indraiky Izy, lasa sady nivavaky fanintelony, nizaka an'io teny io avao. 45 Avy teo Jesosy nagnatogny andreo mpianatry da nizaka tamindreo hoe: "Mbola matory sady miala sasatry me anareo? Iteo, efa mariny gne lera, da gne zanak'Olo da hatolotry eo an-tagnan-dreo mpanota. 46 Mitsangàna, andaska isika. Iteo, efa mariny gne hamadiky Anà." 47 Igny Izy mbola nizaka igny, da avy I Jodasy, raiky amindreo roy ambin'ny folo. Nisy vahoaky maro avy niaraky taminazy avy ame lehiben'e mpisorogny miaraky amindreo lohologny. Avy niaraky tame sabatry da langilangy indreo. 48 Da nagnome famataragny andreo gne lelà hamadiky an'i Jesosy, nizaka hoe: "Gne horofako, gne Izy. Sambory Izy." 49 Teo no eo avao da nagnantogny an'i Jesosy izy da nizaka hoe: "Finaritry, Raby!" Da nagnoroky Anazy izy. 50 Hoy Jesosy taminazy hoe: "Ry sakaiza, anio gne nandehananao tetoa." Avy teo tonga indreo, nagnampatry gne tagnany tamin'i Jesosy, da nisambotry Anazy. 51 Indro, raiky tamindreo niaraky tamin'i Jesosy nagnampatry gne tagnany, nagnatsoaky gne sabatriny, namira gne mpanompon'e mpisoronabe, sady nahafaky gne sofiny. 52 Avy teo hoy Jesosy taminazy hoe: "Averegno ame plasiny gne sabatratrao, fa indreo izay mitazogny da ho vonoigny ame sabatry. 53 Mieritreritry me anareo fa tsy afaky mangaiky any Abako Iao, sady Izy da afaky mandefa ho Anà tafik'anjely mihoatry noho gne roy ambin'ny folo? 54 Fa anigny akognaia izany gne ahatanteraky gne Soratry Masigny, izay mizaka fa tsy maintsy hitranga izany?" 55 Tam'izany andro zany Jesosy nizaka tamin'e fokonolo hoe: "Avy miaraky ame Sabatry da langilangy nisambotry Anà akô dahalo me anareo? Isanandro da nidoboky nampianatry tamin'e tempoly teo Iao, fa tsy nosamborinareo. 56 Fa izany raha aby zany da nibôky mba hahatanteraky izay voasoratin-dreo mpaminany." Avy teo da niala Anazy indreo mpianatry aby ka nilefa. 57 Nindesindreo nisambotry Anazy tam'i Kaiafa mpisoronabe Jesosy, gne nivorian-dreo mpanora-dalàgny sy loholo. 58 Fa Petera nagnaraky Anazy avy talavitry nandea tame tokotanin'e mpisoronabe. Niditry tagnatiny tao izy da nidoboky niaraky tamin-dreo mpiambigny raharaha mba hahita izay hiafarany. 59 Da indreo leben'e mpisorogny sy indreo Synedriona marobe da nitadia fitoriagny tsy marigny manohitry an'i Jesosy, mba mety ahafahan-dreo mamono Anazy. 60 Tsy nahita nahita ndre ino ndre ino indreo, ndre da nisy mpijoro vavolombelogny maro tsy marigny avy aza tamigneo. Da vetivety teo da nisy roy avy nagnantogny teo 61 da nizaka hoe: "Io lelà io da nizaka hoe: 'Afaky mandrava gne Tempolin'Andriamanitry Iao da manangagny anizany indraiky afaky tell andro." 62 Nitsangagny e mpisoronabe da nizaka taminazy hoe: "Tsy manan-kavaky me Anao? Ino zany hitorian-dreo Anao zany? 63 Fa nangigny Jesosy. Hoy gne mpisoronabe taminazy hoe: "Mandidy Anao and gn'alalan'Andriamanitry velogny iao, zakay aminay raha Anao e Kristy, Zanak'Andriamanitry." 64 Jesosy namaly anazy hoe: "Vôzakanao. Fa zakaiko aminareo, manombok'izao da ho hitanareo gne Zanak'Olo hidoboky ame tagna-kavanan'e Hery, da ho avy eo ame rahon'e lanitry." 65 Avy eo gne mpisoronabe nandrovitry gn'akanjony da nizaka hoe: "Nizaka ratsy Izy! Nagnino me isika e mbola mila mpijoro vavolombelogny? Indro, renareo gne fizakan-dratsy izao. 66 Ino gne hevitry nareo?" Namaly indreo da nagnano hoe: "Mendriky gne ho faty Izy." 67 Avy teo indreo nandrora gne tareny sady namango Anazy, sady nandraratefaky Anazy, 68 da nagnano hoe: "Maminania aminay, rô Kristy. Ia gne namango Anao?" 69 Da nidoboky ivelan'e tokotany Petera, da nisy mpanompo viavy avy nagnantogny anazy nizaka hoe: "Anao avakoa da niaraky tam'i Jesosin'ny Galilia." 70 Fa nandà anizany tamason-dreo izy, magnano hoe: "Tsy fantako gne raha zakainareo." 71 Rehefa nivoaky gne vavahady izy, da nisy mpanompo viavy hafa nahita anazy da nizaka tamindreo teo hoe: "Ity lelà ty avako da niaraky tam'i Jesosy lat'e Nazareta." 72 Mbola nandà indraiky izy niaraky tame fitangegny hoe: "Tsy fantako zany lelà zany!" 73 Rehefa afaky kidikidy da nagnatogny andreo izay nitsangagny teo sady nizaka tamin'i Petera hoe: "Anao avakoa da tena raiky tamindreo, fa gne fomba firesahanao da mitory Anao." 74 Avy teo izy nanomboky nagnozogny sady nitangeggny da nizaka hoe: "Tsy fantako izany lelà zany." Da teo no eo da nagneni gn'akoho. 75 Tadidin'i Petera gne zaka nambaran'i Jesosy hoe: "Mbola tsy magneno akoho da handà Ana intelo Anao." Avy eo Izy nivoaky sady nitomagny fatratry.