Toko faha 25

1 Gne fanjakan'e lagnitry da ho akô gne virijiny folo izay nangala gne jirony da nandeha nifagnotriky tamin'e mpampkatry. 2 Mola gne dimy tamin-dreo fa gne dimy kosa manakagna. 3 Da rehefa ninday gne jiro indreo virijiny mola, da tsy ninday soliky niaraky taminazy. 4 Fa indreo virijiny manakagna kosa da ninday fanikenagny soliky niaraky tame jirony. 5 Da rehefa tara gne mpampkatry, da rendremagny Izy aby da natory. 6 Fa tamin'e sasak'aligny da nisy nangaiky mafy hoe: "Indro, gne mpampkatry! mijotsoa mba hifankahita aminazy." 7 Avy eo niharigny indreo virijiny aby da nikarakara gne jiro. 8 Hoy gne mola tamin'e manakagna hoe: "Mba omeo ampahany amin'e solikareo iay fa efa ho faty gne jironay. 9 Fa namaly gne manakagna da nizaka hoe: "Sao da tsy ho ampy ho anay sy ho anareo, fa mandana agny amin'e mpivarotry da mividiana ho an'e tegnanareo." 10 Raha nandea nividy indreo , da avy gne mpampkatry, da gne efa vonogny da niaraky nandeha taminazy ho ame fanasam-panambadiagny, ka nihidy gne vavahady. 11 Rehefa afaky izany da avy avakoa gne virijiny sasany da nizaka hoe: "Tompoko, Tompoko, mba voay iay.' 12 Fa namaly Izy da nizaka hoe: "Zakaiko Marina aminareo, tsy mahafantatry anareo iao.' 13 Ka nohonizany mihambena, fa tsy fantatrareo gn'andro na gne lera. 14 Fa izany da akô gne lelà izay handea ho agny amin'e firenegny hafa. Mangaiky gne mpanompony Izy da nampitantagny andreo gne harenany. 15 Gne raiky tamindreo moment talents dimy, gne raiky hafa moment roy, da gne raiky hafa koa moment talents raiky. Gne tsiraidraiky da samby nandray talenta arak'izay fahezany aby, da nandeha tamin'e diany izany lelà zany. 16 Gne raiky izay naharay talenta dimy da nandeha teo noho eo da nampiasa andreo sady nahazo talenta dimy hafa. 17 Akoizany avakoa e raiky izay naharay talenta Roy da nahazo Roy hafa izy. 18 F'izy e mpanompo izay naharay talenta raiky, nandeha da nangady lavaky tamin'e tany, da nandevigny gne volan'e tompony. 19 Da tafaran'e fotoagny ela da nipody gne tompon'ireo mpanompo reo sady nandamigny raharaha tamindreo. 20 Niditry e mpanompo izay naharay talenta dimy gne sady ninday talenta dimy hafa. Hoy Izy hoe: "Tompoko, nomenao talenta dimy iao." Indro, nagnantombo talenta dimy hafa iao." 21 Hoy gne tompony taminy hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Mahatoky tame raha vitsivitsy anao. Iao hampihandraikitry anao ame raha maro. Midira amin'e fifaliagny tomponao." 22 Gne mpanompo izay naharay talenta roy da nagnantogny sady nizaka hoe: "Tompoko, nomenao talenta Roy iao, indro, nagnantombo talenta roy hafa iao". 23 Nizaka anazy gne tompony hoe: 'Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky! Mahatoky tame raha vitsivitsy anao. Iao ampihandraikitry anao ame raha maro. Midira amin'e Fifalian'e tomponao.' 24 Avy teo igny mpanompo navôray talenta raiky igny nagnantogny sady nizaka hoe: "Tompoko, fantako fa lelà hentitry anao. Mihilà egny amin'e tsy namafazanao anao, sady mangorogny vokatry egny am'izay tsy nambolenao. 25 Nalia iao, da nandeha sady naminy gne talentanao tao agnatin'e tany. Iteo, indro izay Anao." 26 Da namaly anazy gne tompony da nizaka taminazy hoe: 'Anao gne mpanompo ratsy sady malaigny, tantanao fa iao da mihila egny am'izay tsy namafazako sady mangorogny vokatry egny am'izay tsy namboleko. 27 Noho izany da tokony nomenao gne mpanjana-bola gne volako, da rehefa niverigny iao da nandray gn'anà miaraky amin'e tombony. 28 Noho izany alay aminazy agny e talenta da omeo an'e mpanompo managny talenta folo igny. 29 Fa izay rehetry managny da homegny zakabe mihôtry lavitry aza. F'izy hoandreo izay tsy managny ndre ino ndre ino , ndre gne hanagnany aza da ho alaigny aminazy. 30 Ario ame mizigny ivelany agny gne mpanompo tsy mendriky, agny e misy e fitomagniagny sy gne fikitroha-nify. 31 ka rehefa avy ame voninahitriny gne Zanak'Olo sy gn'anjely rehetra miaraky Aminazy, da hidoboky eo amin'e seza fiandrianan'e voninahiny Izy. 32 Da gne firenegny rehetra da hangonigny eo anatrehany, da hagnavaky gne olo raiky amin'e raiky hafa Izy, akô gne mpiambigny ondry magnavaky gne ondry amin'e osy. 33 Hametraky gne ondry ho eo ankavanany Izy, fa gne osy ame gn'akaviany. 34 Da gne mpanjaka hizaka amindreo amign'an-kavanany hoe: 'Avia, anareo izay notarihin'ny Abako, mandovà gne fanjakany izay efa voahomagny ho anareo hatramizay nagnorenagny am'izao tontolo izao. 35 Fa mosaregny Iao da nomenareo hanigny; mangetaheta Iao da nomenareo ho sotroigny; nivahiny Iao da nampandrosoinareo; 36 nikojy iao da nampisikininareo; narary Iao da nokarakarainareo; da tagny am-pigadragny Iao da nandeha taminà anareo.' 37 Da indreo marigny da namaly sady izaka hoe: 'Tompo, ovia me anay gne nahita Anao mosaregny ka namahagny Anao? Na mangetaheta ka nampisotroinay? 38 Ovia Anao gne hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Na nikojy ka nampitafianay? 39 Ovia me anay gne nahita Anao narary na t'ampigadragny ka nandeha taminao? 40 Da namaly gne Mpanjaka da nizaka hoe: 'Zakaiko Marina aminareo, gne naninareo tamin'e rahalàko tena madiniky aby io, da naninareo taminà.' 41 Ary izy nizaka tamin'e gn'olo aby t'ankaviany hoe: 'Misità anà, Anareo izay voahozogny, ho ame gn'afo mirehitry mandrakizay izay efa voahomagny hoan'e devoly sy ireo anjely, 42 satria mosaregny Iao, f'izy tsy nomenareo hanigny; mangetaheta Iao, f'izy tsy nomenareo hosotroigny; 43 nivahiny Iao, f'izy tsy nampandrosoinareo; nikojy Iao, f'izy tsy nampitafianareo; narary sady tagpm-pigadragny Iao, fa tsy nokarakarainareo.' 44 Da hamaly avakoa indreo da hizaka hoe: 'Tompo! Ovia anay gne nahita Anao mosaregny, na mangetaheta, na nivahiny, na nikojy, na narary, na tam-pigadragny, ka tsy nanompo Anao? 45 Da hamaly andreo Izy da izaka hoe: 'Zakaiko Marina aminareo, fa gne raha tsy naninareo tame raiky tamindreo madiniky io, da tsy naninareo taminà.' 46 Indreo da halefa ho ao ame fagnasaziagny mandrakizay f'izy indreo marigny da ame fiaignany mandrakizay."