Toko faha 5

1 Sady nahita gny tagnan-kavanan'ny gny raiky zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana aho, horonona-taratasy voasoratsy eo agnatreha voho ao afara. Sady nifehezy tamin'ny tombo-kase fito io. 2 Nahita anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mare aho, niresaky hoe: Ia ro mendriky gny hanokatsy gny horonan-taratasy voho hamoha gny tombo-kasen'io?" 3 Tsy misy olo baka an-dagnitsy na eto an-tany na ambonin'ny tany ka afaky hanokatsy gny horonan-taratasy na hamaky gnan'io. 4 Nitagny mare aho-fotony tsy nisy olo hita mendriky gny hanokatsy gny horonan-taratasy na hamaky gnan'io. 5 Kanefa raiky tamin'ireo loholona niresaky tamiko hoe:" Ka mitagny. Indo! Gny lion'ny fokon'i Joda ,gny solofon'i Davida , la nandresy Afaky gny hanokatsy gny horona-taratasyvoho reo tombo-kase fito ie. 6 Nahita Anak'aondry mitsanga eo agnelagnelan'ny seza fiandriana voho reo raha-manan'aina efatsy voho eo agnivon'ireo loholona aho. manahaky gny hoe olo nivonoa ie. Nana tandroky fito voho fijery fito; rozy ro fagnahy fiton-dranagnahary nalefa nanera gny tany. 7 Nandeha ie sady nangalaky gny horonan-taratasy tegny amin'ny tagnakavan'ny gny raiky zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana . 8 Lafa nirambesin'izay Anak'aondry gny horonan-taratasy , reo raha-manan'aina efatsy voho reo loholona roapolo efatsamby la nampiankohoky gny vatan-drozy teo agnatrehany. Samby nana lokanga voho lovia volamena feno emboky magnitsy iaby gny kirakiraiky tamin-drozy, zay vavak'ireo mpino. 9 Nihira hira vaovao rozy:" mendriky gny handramby gnan'ny horonan-taratasy iha voho hanokatsy gny tombo-kasen-drozy. Fa iha la nivonoa, voho tamin'ny ranao ro nivilia gnan'ireo olon-Dranagnahary bakamin'ny foko, firesaky, olo, voho firenena manontolo. 10 Nataonao fanjakana voho mpisoro rozy mba hanompo gnan-Dranagnahary, voho hanjaka eto an-tany." 11 Bakeo aho la nahajery voho nahare feon'anjely maro nagnodidy gny seza fiandriana voho reo raha-manan'aina voho reo loholona. Gny fitambaran-drozy la amagn'aliny. 12 Niresaky tamin'ny feo mare rozy hoe:" Mendriky anie gny Anak'Aondry zay nivonoa mba handramby fahefa , hanagna, fahendrea, hery, laza, voninahitsy, voho dera." 13 Nahare reo raha voaforo manontolo zay tagny an-dagnitsy voho teto an-tany voho an-dranomasina aho-gny raha iaby tao agnatin'reo -niresaky hoe:" Ho gnan'ilay raiky zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana voho ho gnan'ny gny Anak'Aondry, anie gny dera, gny laza, gny voninahitsy, voho gny fahefa handidy, mandrakizay doria." 14 Reo zava-mana-manan'aina efatsy , niresaky hoe:" Amena!" Voho reo loholona niankohoky voho nivavaky .[ Fanamarihana: Gny sasany amin'ireo dikan-teny taloha la mivaky hoe:" Reo loholona efapolo roamby la niankohoky voho nanaompo gnan'izay raiky zay velo mandrakizay doria."]