Toko faha 4

1 Tafaran'io raha io la nijery aho, ka nahita varavagna raiky nisokatsy tegny amin'ny lanitsy. Gny feo voalohany zay reko la niresaky tamiko manahaky gny trompetsa, nanao hoe:" Miakara etoy, ka hasehoko gnanao zay tsy maintsy hiseho afaran'ireo raha reo." 2 Nisy fotoa aho voatariky gny Fagnahy, ka tsy nahajery fa nisy seza fiandriana nipetraky tegny amin'ny lanitsy, nisy olo nipetraky teo agnabon'io. 3 Gny raiky zay nipetraky teo agnabony la miendriky manahaky gny jaspa voho karneola. Nisy avana nagnodidy gny seza fiandriana . Gny avana la miendriky manahaky gny emeraoda. 4 Nisy seza fiandriana roapolo efatsamby nagnodidy gny seza fiandriana, voho loholona roapolo efatsamby ro nipetraky teo agnabon'ireo seza fiandriana, niakanjo foty, niaraky tamin'ny satro-boninahitsy volamena tegny amin'ny lohan-drozy. 5 Bakamin'izay seza fiandriana ro nisy tsela-pahazava, kotroko, voho kotro-baratsy. Nisy jiro fito nirehitsy teo agnatrehan'ny seza fiandriana, jiro zay fagnahy fiton-Dranagnahary 6 Teo alohan'ny seza fiandriana la nisy ranomasina fitaratsy , manahaky gny kristaly. Reo zava-managnay efatsy la teo agnivon'ny seza fiandrianana voho magnodidina gnan'io, feno maso, teo agnatrhany voho tao an-dambosiny. 7 Gny raha-manan'aina voalohany la manahaky gny liona, gny raha-manan'aina faharoe manahaky gny anak'aomby, gnh raha-manan'aina fahatelo la miendriky olo, voho gny raha-manan'aina fahaefatsy manahaky gny voro-mahery mitily. 8 Reo zava-manan'aina efatsy la samby mana elatsy eniny iaby, feno maso gny agnabo voho gny ambany. Andro voho haly rozy la tsy mila tsy mijano miresaky hoe:" Masina, masina, masina gny Tompo Ndranagnahary Tsitoha zay nisy , voho misy, voho mbo ho avy." 9 Na mbia mbia reo zava-manan'aina la hagnome voninahitsy, laza voho fisaora gnan'ny gny raiky zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana doria, gny raiky zay velo mandrakizay doria, 10 reo loholona roapolo efatsamby la nampiankohoky gny vatan-drozy eo agnatrehan'ilay raiky zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana. Miankohoky eo amin'gny raiky zay velo mandrakizay doria rozy, voho nanipy gny satro-boninahin-drozy teo agnatrehan'ny seza fiandriana, miresaky hoe:' 11 Mendriky iha, ry Tomponay voho Ndranagnaharinay, handramby gny voninahitsy voho laza voho hery. Fa Iha romoro gny raha iaby, voho tamin'ny alalan'ny sitraponao, la nisy rozy voho nohariany."