Toko faha 3

1 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Sardisy hoe:" Zao ro resahin'ny gny mita reo Fagnahy fiton-Dranagnahary voho reo kintana fito. Haiko zay nataonao. Malaza ho velo iha, nefa iha maty. 2 Mifohaza voho hatanjaho zay tavela, fa fa ho maty, fotony ty hitako tanteraky reo asanao eo imason-Dranagnahariko. 3 Tadido , nohon'io , zay nirambesinareo voho renareo. Ankatoavo io, voho mibebaha. Fa laha tsy mifoha nareo, la ho avy manahaky gny mpangalatsy Aho, ka tsy ho hainareo gny fotoa hiaviako amignareo. 4 Fa misy agnaran'olo tsy ampiampy agny Sardisy zay tsy nandoto gny aknjon-drozy. Handeha hiaraky amiko rozy, miakanjo foty fotony mendriky. 5 Gny raiky zay maharesy la ho ampiakanjoa foty, sady tsy hamafa gny agnarany ao amin'ny Bokin'ny Fiaigna mihitsy Aho, sady hilaza gny agnarany eo agnatrehan'ny Raiko, voho eo agnatrehan'ireo anjeliny. 6 Ao zay manan-tsofy hijanjy zay resahin'ny Fagnahy amin'ireo fiangona." 7 " Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Filadelfia hoe:" Zao ro safany raiky zay masina voho marina_ ie ro mitanjaky gny fanalahidin'i Davida, ie ro mamoha ka tsy misy na ia ia magnily, ie ro magnily ka tsy misy na ia ia afaky mamoha. 8 " Haiko zay vitanareo. Ingo, nametrahako varavagna mivoha eo agnatrehanareo zay tsy afaky hilin'ia ia. Haiko fa mana hery kely nareo, ka nankato gny safako voho tsy nanda gny agnarako. 9 Ingo! Reo zay gnan'ny Synagogan'ny Satana, reo zay mivola fa Jiosy rozy nefa tsy ie zao; fa mavandy koa rozy. Hataoko avy ka hiankohoky eo an-tombokao rozy, sady ho avy rozy mba hahay fa nitia gnanao Aho. 10 Fotony fa nitandrina gny liliko tamin'ny fahareta nareo, la hiaro gnanareo amin'ny andro fitsapa zay fa ho avy amin'izao tontolo manontolo zao avao koa Aho mba hitsapa reo zay miaina eo ambonin'ny tany. 11 Ho avy tsy ho ela Aho. Tano mafy zay hananao mba tsy hisy afaky hangalaky gny satro-boninahitsao. 12 Ataoko andry eo amin'ny tempolin'ny Ndranagnahariko ze mandresy , sady tsy hiala eo mihitsy ie. Ho soratiko eo aminy gny agnaran-Dranagnahariko, gny agnaran'ny tanan'ny Ndranagnahariko( zay Jerosalema vaovao, zay mizotso bakagny an-dagnitsy bakamin'ny Ndranagnahariko), voho gny agnarako vaovao. 13 Ao zay manan-tsofina hijanjy zay resahin'ny Fagnahy amin'ireo fiangona." 14 " Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Laodikia hoe:" Zao ro safan'ny Amena, gny vavolombelo mahatoky voho marina, zay mpanapaky gny zava-boaarin-Dranagnahary. 15 " Haiko zay nataonareo, sady tsy mangatsiaky na mafana nareo. Magniry Aho mba ho mangatsiaky na mafana nareo! 16 Nohon'io, fotony nareo matimaty_ sady tsy mafana ro tsy manintsy_ la fa haloan'ny vavako nareo 17 Fa hoy nareo hoe:" Manan-draha aho, nana fitaova maro, ka tsy mila na ino ino. Fa zao tsy hainareo fa nareo ro tena mijaly, mampahonena , mahantra, jiky voho mitanjaky. 18 Janjigno gny torohevitso: Mivilia volamena voalio tamin'ny bolo amiko mba ho avy mpanan-draha nareo, voho akanjo foty manjopiaka mba ho afaky mampisiky gny vatanareo nareo ka tsy hampiseho gny hegnatsy gny fitanjahanareo, voho hagnosotsy gny masonareo mba hahiranatareo. 19 Ampiofaniko gny kirakiraiky iaby zay tiako, voho hampianariko gnan-drozy gny fomba tokony hiainian-drozy. Nohon'io, mazotoa voho mibebaha. 20 Ingo, mijoro eto amin'ny varavagna Aho sady mandondo. Laha misy mahare gny feoko ka mamoha gny varavagna, la ho avy ao an-tragnony Aho ka hihina miaraky aminy, voho ie miaraky amiko. 21 Gny raiky zay mandresy , hatolotsy gnazy gny zo hipetraky miaraky amiko eo amin'ny seza fiandrianako, manahaky gny nandreseako koa ka nipetrahako niaraky tamin'ny Raiko teo amin'ny seza fiandrianany. 22 Ao zay manan-tsofy hihaino zay resahin'ny Fagnahy amin'ireo fiangona."