Toko hala 2

1 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona ao efesosy hoe:" Reto gny safa bakamin'ny zay mitanjaky reo kintana fito amin'ny tagnan-kavanany sady mandeha eo amin'ireo fanaovan-jiro volamena fito, 2 " haiko zay fa vitanao voho gny asa mafinao sady gny fiaretanao maharitsy. Haiko fa tsy afaky handefitsy amin'ny olon-draty iha. Haiko fa nitsapanao reo zay milaza gnan-drozy ho apostoly, nefa tsy ie, sady jerinao rozy fa sandoky. 3 Haiko fa mana fahareta iha, sady nijaly mare nohon'ny amin'ny agnarako, sady tsy nilavo lefona iha. 4 Nefa manohitsy gnanao aho fotony namela gny fitiavanao voalohany iha. 5 Tarovo nohon'io gny toera zay nahalavo gnanao. Mibeaha sady manaova reo raha zay nataonao voalohany. fa laha tsy mibebaky iha , la ho avy agny aminao aho, sady hanala reo fanaovan-jironao amin'ny fipetrahany. 6 Kanefa zao ro ataonao :" Halanao gny raha vitan'ny Nikolaita, zay halako avao koa. 7 Ao zay manan-tsofy hijanjy zay lazain'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona. Ho gnan'ny raiky zay maharesy la hameako alala hihina gny bakamin'ny hazon'ny fiaigna, zay ao amin'ny paradisan-Dranganahry." 8 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Smyrna hoe:" Reto gny safan'ny raiky zay voalohany sady farany , gny raiky zay fa maty nefa velo ndraiky:" 9 Haiko reo fahoria voho gny fahantranao, nefa manan-karena iha. Haiko gny fivolagnan-draty ho gnan'ireo zay miresaky gny vatany fa Jisy, kanefa tsy ie. Synagogan'i satana rozy. 10 Ka matahotsy gny amin'izay fa hiaretanao . Ingo!Gny devoly la hanoraky gny sasany aminareo agny amin'ny tragno maiky mba ho tsapaina nareo, sady hijaly agnayiny gny folo andro nareo . Matokia mandra-pahafaty, ka hameako gnanareo gny satro-boninahitsy gny fiaigna. 11 Zay manan-tsofy ao ie hijanjy zay resahin'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona. Gny raiky zay maharesy la tsy ho simban'ny fahafatesa faharoe." 12 Sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona agny Pergamosy hoe:" Reto gny safan'ny raiky zay mana sabatsy roe lela: 13 haiko zay ipetrahanao, la ao amin'ny hipetrahan'ny seza fiandrianan'i satana. Sady amizao mita mare gny agnarako iha. haiko fa tsy nanda gny finoanao amiko iha, ndra la tamin'ireo andron'i antipasy vavolombelo aza, zay nahatoky Gnahy, zay nivonoa teo aminareo , tao amin'ny fipetrahan'i satana. 14 Fa manan-tsafa kely aminao Aho:" Misy sasany aminareo mita mare gny fampianaran'ny Balama, zay nampianatsy gnan'i Balaka hametraky fanafintohigna eo agnatrehan'ny anak'Israely, mba hihinanan-drozy gny sakafo natao soro ho gnan'ny sampy voho ho fijangajanga. 15 Manahaky gnan'io , misy sasany amignareo zay mita mare gny fampianaran'ireo nikolaita. 16 Mibebaha , nohon'io! Fa laha tsy io , la ho avy malaky agny aminareo Aho, sady hifanandrina amin-drozy aho miaraky amin'ny meso gny tsihoviko 17 Ao zay manan-tsofy hijanjy zay lazain'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona. Ho gnan'ireo zay maharesy, hameako gny sasany amin'ireo mana miafina, voho hameako vato foty miaraky amin'ny agnaram-baovao voasoratsy eo amin'ny vato, agnara zay tsy hain'olo afa-tsy zay mandramby gnazy avao." 18 sorato ho gnan'ny anjelin'ny fiangona ao Tyatitra hoe:" Reto gny safan'ny Anakin-Dranagnahary, zay mana fijery manahaky gny bolo mirehitsy sady tomboky manahaky gny varahina mangira:" 19 Haiko zay vitanao: Gny fitiavanao voho gny finoanao. Haiko fa zay vitanao farany la maro noho zay vitanao voalohany. 20 Kanefa zao ro hanoherako gnanao: Lefiranao gny ampela Zezebela ,zay mikaiky gny vatany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianara la mamitaky reo mpanompoko ie mba hijangajanga voho hihina sakafo atao soro ho gnan'ny sampy. 21 Nagnome fotoa mba hibebahany Aho, kanefa tsy mety hibebaky gny amin'ny fijangajanga ie. 22 Ingo! Hataoko marary eo ampandria ie, sady reo zay mijangajanga miaraky aminy la hampijaliako mare, laha tsy mibebaky amin'ny asa ratiny gny ampela rozy. 23 Ho vonoako ho maty reo anany, sady reo fiangona iaby la hahay fa Zaho gny mahafaty gny fieretrereta voho fihetseham-po. hameako araky gny asanareo kirakiraiky iaby nareo. 24 Fa gny aminareo zay sisa ao tyatira, zay iaby tsy mita zao fampianara zao, voho tsy mahay zay kaihin'ny sasany hoe sain-dalin'i satana_- Zao ro resahiko aminareo hoe:" tsy vesariko enta hafa nareo." 25 Ndra la io aza, tsy maintsy mitanjaky mare gny finoanareo nareo mandra-pihaviako. 26 Gny raiky zay naharesy voho zay manao zay fa vitako hatramin'ny farany, la hameako gnazy gny fahefa amin'ny firenena iaby. 27 Hanapaky eo amin-drozy miaraky amin'ny tehim-by , manahaky gny fanorotoroa valagny tany ro hagnapoteha gnan-drozy." 28 Manahaky gny nandrambesako bakamin'ny Raiko , ro hagnomezako gnazy kintana maray avao koa. 29 Ao gny raiky zay manan-tsofy hijajy zay lazain'ny Fagnahy ho gnan'ireo fiangona"