Toko faha 9

1 Hoy Ie tamin-drozy hoe:" Resahako aminareo marina tokoa , fa misy aminareo zay mitsanga eto ro tsy hagnandra gnan'io fahafatesa io mialohan'ny hahitan-drozy gny fanjakan-Dranagnahary zay ho bakamin'ny hery bevata." 2 Sady enign'andro tatoy afara, la nandesin'i Jesosy niaraky taminy Petera voho Jakoba voho Jaona tegny amin'ny tendrombohitsy abo, sady rozy avao ro tagny. Bakeo niova tarehy teo agnatrehan-drozy Ie. 3 Gny fisikinany niova nanjelatsy ro sady mazava, vohofoty mare, foty mandilatsy gny raha napatmotsiana ndraiky teto ambonin'ny tany. 4 Bakeo Elia voho Mosesy niseho tamin-drzy , voho niresaky tamin'i Jesosy rozy . 5 Petera namaly ka niresaky tamin'i Jesosy hoe:" Raby o, soa laha mipetraky eto tsika , ka magnino hanao gny telo, gny raiky ho Gnanao , gny raiky ho gnan'i Mosesy, voho gny raiky gnan'i Elia." 6 ( Fa tsy hainy zay tokony ho resahy, fotony natahotsy mareo rozy.) 7 Nisy rahona avy ka nagnaro gnan-drozy . Voho nisy feo niboaky bakao agnatin'ny rahona hoe:" Toy gny Anako Malalko. Mijanjigna Gnazy." 8 Tampoky teo , laha nijery gny magnodidy rozy, la tsy nahita na ia ia sasy, afa-tsy Jesosy raiky avao. 9 Laha nizotso bakegny an-tendrombohitsy rozy, la nididin'ny mare mba tsy hiresaky na amin'ia nia gny raha jerin-drozy, laha tsy fa mitsanga amin'ny maty gny Anak'Olo. 10 Sady la nitanan-drozy ho gnan-drozy io safa io, kanefa nifampagnontany reo gny amin'ny mety ho dikan'io ;" fitsangana amin'ny maty" io. 11 Nagnontany Gnazy rozy hoe:" Nagnino reo mpanora-dalagna ro magnambara fa tsy maintsy ho avy mialoha Elia?" 12 La hoy Ie tamin-drozy hoe:' fa avy voalohany Elia hanary gny raha iaby. sady nagnino ro voasoratsy fa gny anak'Olo la hijaly mafy amin'ny raha maro sady hatao manahaky gny olo tsy misy dikany? 13 Nefa resahako aminareo fa fa avy Elia, sady nataon'ny olo taminy zay sitraky gny fony, araky zay fa voalazan'ny Soratsy Masina momba gnazy." 14 Sady lafa nimpoly teo amin'ny mpiananatsy rozy, la nahajery vahoaky lako nagnodidy gnan-drozy voho reo mpanora-dalagna nialy hevitsy taminy. 15 Laha vao nahita gnan'i Jesosy rozy, la tandregna gny vahoaky iaby sady laha igny nihazakazaky namonjy Gnazy igny rozy la niarahaba Gnazy. 16 Nagnontany reo mpianany Ie hoe:" Mikasiky gny ino ro hialianareo hevitsy amin'ireo." 17 Sady nisy raiky tamin'ireo vahoaky namaly Gnazy hoe:" Mpampianatso o, nandesiko ho eto aminao gny anaky lahinao. Misy fagnahy raty tsy mampivola gnazy ie. 18 Manambotsy gnazy io ka mampienjerazera gnazy sady mandoa vory ie, mikitro-kihy,sady lasa mihenja ie. nangataky tamin'ireo mpianatsao gny vatako mba hamoaky gnan'io hiala aminy, kanefa tsy vitan-drozy io." 19 sady namaly gnan-drozy Ie hoe:' Ry avorohota tsy mino, mandra-pahovia ro hipetrahako eto aminareo? mandra-pahovia ro handeferako aminareo? Andeso eto amiko ie." 20 Sady nandesy teo aminy gny zazalahy , sady laha vao nahajery gnan'i Jesosy gny fagnahy raty, la nampifanintontsino gnazy io. Nilavo tamin'ny tany gny zazalahy sady feno vory gny vavany. 21 Jesosy nagnontany gny rainy hoe:' Hafiria ro naha-toy izao gnazy?" La hoy gny ray hoe:" Fa hatramin'ny fahazazany." 22 Indraindray io fagnahy raty io nandova gnazy tagny agnaty bolo na tagny agnaty rano sady nagnandra gny hamotiky gnazy. Laha mahay manao gny raha iaby Iha, la miantra gnanay voho ampio rahay." 23 Jesosy niresaky taminy hoe:" Laha mahay iha? 24 Gny raha iaby la hain'izay mino." Sady niaraky tamin'izay gny baban'ny gny aja la nikoraky mare nanao hoe:' Mino aho! Ampio aho amin'ny tsy finoako!" 25 Lafa jerin'i Jesosy reo vahoaky nihazakazaky namonjy gnan-drozy, la niresahiny mare gny fagnahy maloto sady nanao hoe:" fagnahy moa voho maregny, mandidy gnanao aho, miboaha aminy, sady ka mimpoly milisty ao aminy sasy." 26 Nikorakoraky mare io ka nampifaninto mare gny zazalahy sady bakeo niboaky. manahaky gny olo maty gny zazalahy, ka maro ro niresaky hoe:' maty ie." 27 Fa Jesosy nandramby gnazy tamin'ny tagna ka nandreny gnazy, la nitsanga gny zazalahy. 28 Sady lafa nilitsy tao an-tragno Jesosy , la nagnontany Gnazy manoka reo mpianany hoe:" nagnino rahay ro tsy nahavoaroaky gny fagnahy raty?" 29 Hoy ie tamin-drozy hoe:" Gny manahaky regny la tsy afaky roasy afa-tsy amin'ny alan'ny vavaky." 30 Niala teo rozy sady nandalo tagny Galilia. Tsy tiany ho hain'ia nia hoe:" taia rozy, 31 fa nampianatra reo mpianany Ie Hoy Ie tamin-drozy hoe:" Gny Anak'Olo la hatolotso egny an-tagnan'ny olo, ka ho vonoan-drozy Ie. Sady lafa voavono Ie la hitsanga amin'ny maty ndraiky afaky telo andro." 32 Fa tsy takatsin-drozy io fagnambara io, sady natahotsy rozy hagnontany Gnazy. 33 Bakeo avy tao Kapernaomy rozy. Lafa avy nilitsy tao an-tragno Ie la nagnontany gnan-drozy hoe:" Ino gny raha nifampiresahanareo tegny an-dala?" 34 Fa nangina rozy. Fotony fa nialy hevitsy tegny an-dala rozy gny amin'izay lehibe mare. 35 Nipetraky , la nikaiky reo foloroamby lahy niaraky Ie sady niresaky tamin-drozy hoe:" Laha misy te-ho voalohany, la tsy maintsy farany amin'ny iaby sady ho mpanompon'ny iaby." 36 Nangalaky zazakely raiky Ie ka nataony teo agnivon-drozy. Nitrotroany tegny an-tsandriny ie sady niresaky tamin-drozy hoe:" 37 Ndra ia ia mandramby gny aja manahaky gnanizao amin'ny agnarako, la mandramby Gnahy koa, sady laha misy mandramby Gnahy, la tsy mandramby Gnazy raiky ie, fa gny nagniraky Gnahy koa." 38 Hoy Jaona Taminy hoe:" Mpampianatsa o, nahajery olo namoaky demonia tamin'ny agnaranao rahay ,sady niraranay ie, fotony tsy magnaraky gnantsika." 39 Fa Jesosy nanao hoe:" Ka mandrara gnazy, fa tsy misy olo hanao asa bevata amin'ny agnarako nefa tsy trelatrela tafaran'io la hiresaky raha raty mikasiky Gnahy. 40 Ndra ia ia tsy manohitsy gnantsika la mikasiky gnantsika. 41 Ndra ia ia magnome gnanao eran'ny kaopy hinomy fotony gnan'i Kristy iha, la resahako aminao marina tokoa, fa tsy ho trobo gny valim-pitiany. 42 Fa ndra ia ia manafintohina gny raiky amin'ireo kely mino Gnahy reo, la soa ho gnazy gny agnantogna vato bevata fikosoham-bary mifehy eo amin'ny vozony sady ka hazera agny an-dranomasina. 43 Laha gny tagnanao ro mahatonga gnanao ho tafintohy , tapaho io. Fa soa aminao gny militsy kilemaina agny amin'ny fiaigna toy zay manan-droe ka handeha agny amin'ny helo, agny amin'ny bolo tsy mety vonoa. 44 [ Fanamariha:Gny fandika soa mare la ts magnisy gny fehezanteny ao amin'ny andinin'ny faha 44 voho 46 hoe:" Zay tsy maty mihitsy gny kankan-drozy sady bolo tsy maty mandrakizay."] 45 Laha gny tombokao ro manafintohina gnanao , tapaho io. Soa kokoa aminao gny militsy mandringa agny amin'ny fiaigna noho gny mana tomboky roe ka haria agny amin'ny helo. 46 [ Jereo gny fanamariha eo amin'ny andininy faha 44] 47 Laha gny fijerinao ro manafontohina gnanao , alao hiala io. Soa aminao gny militsy gny fanjakan-Dranagnahary miaraky amin'ny maso toka toy zay maso roe ka haria agny amin'ny helo, 48 agny amin'ny toera zay tsy mahafaty gny kankan-drozy, sady gny bolo tsy mety vonoa. 49 Fa gny olo manontolo la samby ho voasira amin'ny bolo. 50 Soa gny sira, fa laha gny sira ro avy matsatso, manao akory ro ahafahanao mampasira gnazy ndraiky? Asio sira ao aminareo, sady mihavana amin'ny kirakiariky iaby."