Toko faha 10

1 Niala teo amin'io toera io Jesosy ka nandeha tagny amin'ny faritsy jo-laha vo tegny amin'ny faritsy ambanin'ny Reniranon'i Jordana , ka nandeha aminyindraiky gny vahoaky. Sady araky gny fataony, la nampianatsa gnan-drozy ndraiky Ie. 2 La namonjy Gnazy reo fariseo mba hitsapa Gnazy ka nagnontany hoe:" Ara-dalagna ho gnan'ny johary va gny misaraky amin'ny valiny? 3 Namaly Ie hoe:" Ino ro nandidian'i Mossesy gnanareo?" 4 La hoy rozy :' Mosesy la nagnenga fanamariha fisaraham-panambalia voho mandefa gnazy bakeo." 5 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Nohon'ny hamafin'ny fonareo ro nanoratany ho gnanareo gnan'io lalagna io." 6 Fa tagny am-piandohan'ny famorogna, Ndranagnahary nanao gnan-drozy lahy voho vavy ." 7 Amin'io antony io la hagnenga gny babany voho gny reniny gny lahy ka hikamba amin'ny valiny, 8 voho hanjary ho nofo raiky rozy." Ka tsy ho roe sasy rozy, fa ho nofo raiky avao. 9 Ka zay nakamban-Dranagnahary, la ao tsy ho sarahin'olombelo." 10 Sady lafa tao an-tragno rozy, la mbo nampimpoly nagnontany mikasiky gnan'io ndraiky reo mpianatsa. 11 Hoy Ie tamin-drozy:" Ndra ia ia johary misaraky amin'ny valiny ka mampakatsy ampela hafa la mijanganjanga . 12 Laha misaraky amin'ny valiny gny ampela ka manambaly johary hafa, la mijangajanga ie." 13 bakeo rozy la nanday gny anakin-drozy Tagnaminy teo mba hametraha tagna, fa nihelofan'ireo mpianatra rozy. 14 Fa lafa nahatsikaritsy gnan'io Jesosy, la nasiaky mare Ie ka niresaky tamin-drozy hoe' Engao gny zaza hamonjy Gnahy, ka rara rozy, fa gnan'ireo fanjakan-Dranagnahary 15 Resahako aminareo marina tokoa , na ia ia tsy mandramby gny fanjakan-Dranagnahary manahaky gny aja la tsy hilitsy amin'io velively." 16 Bakeo la nitrotroany reo aja reo ka nitsofiny rano sady nametrahany tagna. 17 Sady lafa nanomboky gny liany Ie, la nisy johary nilailay ka nandohaliky tagnatrehany, sady nagnontany hoe:" mpampianatsa soa, ino ro tsy maintsy ataoko mba handovako gny fiaigna mandrakizay?" 18 Jesosy nanao hoe:" Nagnino ro kaihinao hoe soa aho? tsy misy soa afa-tsy Ndranagnahary raiky avao. 19 Hainao gny lily hoe:" Ka mamono olo, ka mijangajanga, ka mangalatsy , ka mijoro ho vavolombelo tsy marina, ka mamitaky , hajao gny baba voho gny reninao." 20 la hoy lay johary hoe:" Mpampianatso o, fa narahiko hatramin'ny fahatanorako iaby reo raha iaby reo." 21 Nijery gnazy soa Jesosy la tia gnazy. Sady hoy Ie taminy hoe:" Misy raha banga raiky ao aminao. Tsy maintsy avilinao zay iaby anagnanao ka ameanao gny mahantra io, la hana hanagna agny an-dadagnitsy iha. Bakeo , magnaraha Gnahy." 22 fa nohon'io firesaha gnan'io la nalahelo ie ka nandeha nangahiahy, fotony nana hanagna maro toko ie. 23 Nijery gny magnodidy Gnazy Jesosy ka niresaky tamin'ireo mpianany hoe:" Tena sarotsy ho gnan'ireo mpanan-draha gny militsy gny fanjakan-Dranagnahary!" 24 La tseriky tamin'ny safany reo mpianatsa. Fa hoy ndraiky Jesosy tamin-drozy hoe:" Anaka, sarotsy gny filira ao amin'ny fanjakan-Dranagnahary! 25 Mora ho gnan'ny rameva gny militsy amin'ny vodim-pandraitsy , noho gny hiliran'ny mpanandraha ao amin'ny fanjakan-Dranagnahary." 26 La mbo tseriky ndraiky gny mpianatsa ka la nifagnontany rozy hoe:" ia zany ro afaky gny ho voavonjy?" 27 Nijery gnan-drozy Jesosy ka hoy Ie hoe:' tsy vitan'ny olo io, fa vitan-Dranagnahary. Fotony gny raha iaby la hain-Dranagnahary atao." 28 La nanomboky niresaky taminy i Petera hoe:" Jereo, Rahay reto la nahafoy gny raha iaby, sady nagnaraky Gnanao." 29 Sady hoy Jesosy:" Resahako marina aminareo, tsy misy olo zay nagnenga gny tragnony, na gny rahalahiny, na gny rahavaviny, na gny reniny na gny babany, na gny anany, na gny taniny noho gny amiko, voho gny Filazantsara, 30 ka tsy nahazo abo zato heny amin'izao taonjato amizao : la tragno, rahalahiny, rahavavy, reny, anaky voho tany, miaraky amin'ny fagnenjeha, voho amin'ny taonjanto ho avy, la gny fiaigna mandrakizay. 31 Fa maro gny voalohany ro ho lasa farany, sady gny farany ho lasa voalohany." 32 Tegny an-dala rozy, hiakatsy ho agny Jerosalema, voho Jesosy nandeha nialoha gnan-drozy . tseriky reo mpianatsa , voho reo zay nagnaraky Gnazy tafara la natahotsy. Nikaihin'i Jesosy ho egny Aminy ndraiky rozy foloroamby sady la nanomboky niresaky zay raha hihatsa Aminy tsy ho ela Ie. 33 " Jereo , miakatsy ho agny Jerosalema tsika zao, sady gny anak'Okolo la atolotsy gny mpisoronabe voho gny mpanora-dalagna. Ho helohin-drozy ho maty Ie sady hatolotsy amin'ny Jentilisa. 34 Reo la hagneso Gnazy , handora Gnazy, hamango Gnazy voho hamono Gnazy. Fa afaky telo andro la hitsanga amin'ny maty Ie." 35 Jakoba voho Jaona , anak'i Zebedio, namonjy Gnazy ka nanao Taminy hoe:" Mpampianatso o, mba tianay laha mba ataonao zay iaby angatahinay aminao." La hoy Ie tamin-drozy hoe:" Ino ro tianareo hataoko ho gnanareo?" 37 Hoy rozy hoe:" Engao rahay hiara-hipetraky aminao amin'ny voninahitsao, ka gny raiky an-tagna ankavananao voho gny raiky eo ankavianao." 38 Fa Jesosy namaly gnan-drozy hoe:" tsy hainareo zay angatahinareo. Nareo va afaky mino amin'ny kapoaky zay hinomiko na hiaritsy hatao batisa amin'izay hanaova batisa Gnahy?" 39 Hoy Rozy Taminy hoe:" Vitanay io. " Sady niresaky tamin-drozy Jesosy joe:" Gny kapoaky zay hinomiko ,la hinominareo , sady amin'ny batisa zay hanaovam-batisa Gnahy , ro hanaovam-batisa gnanareo koa. 40 Fa zay hipetrakt eo an-tagna ankavanako na eo ankaviako koa la tsy mianky amiko io, fa io la ho gnan'ireo nagnomana gnan'io." 41 Lafa nahare gny momba gnan'ireo mpianatsa folo hafa, la nanomboky nasiaky mare tamin'io Jakoba voho Jaona. 42 Nikaihin'i Jesosy ho eo amin-drozy sady niresaky hoe:" haianareo fa reo zay hevery ho mpanapaky gny jentilisa la mpanompo gnan-drozy, voho gny lehibe mpifehy gnan-drozy la mpagnampatsy fahefa amin-drozy. 43 Fa tsy tokony hanahaky gnan'io gny aminareo. fa ndra ia ia magniry ho bevata aminareo la ao ie ho mpanomponareo, 44 sady ndra ia ia magniry ho voalohany aminareo la ao ie ro andevonareo iaby. 45 Fa gny Anak'Olo tsy avy mba ho tompoa, fa mba hanompo, voho hanolotsy gny ainy ho takalon'aina ho gnan'ny maro." 46 Avy tao Jeriko rozy. Lafa niboaky gny tana niaraky tamin'ny mpianany voho vahoaky lako Ie , gny anak'i Timeo , bartolemeo, zay mpangataky sady jiky, nipetraky teo amoron-dala. 47 Lafa nahare ie fa Jesosy bakagny Nazareta io, la nanomboky nikoraky mare ie sady niresaky hoe:" Ry Jesosy , Anak'i Davida o, mamindra fo amiko!" 48 Maro ro niresaky mare gny jiky, niresaky taminy mba hangina. Anak'i Davida o, mamindra fo amiko!" 49 Nijano Jesosy sady nampikaiky gnazy. Nikaihin-drozy gny jiky, sady niresahany hoe:" mahereza! Mitsangana! Mikaiky gnanao Ie." 50 Nariany gny sikiny, sady nitsanga , ka nandeha amin'i Jesosy ie. 51 La namaly gnazy Jesosy sady niresaky hoe:" Ino ro tianao ataoko aminao?" Hoy gny johary jiky hoe:" Raby o, te hahajery aho." 52 Sady hoy Jesosy taminy hoe:" Mandeha . Gny finoanao ro nahavonjy ganao." La nahajery niaraky tamin'izay gny masony, sady nagnaraky gnan'i Jesosy tegny an-dalagna ie.