Toko faha 4

1 Tafaran'izay Jesosy, lafa feno gny Fagnahy Masy, la nimpoly avy tagny amin'ny reniranon'i Jordana, sady nandesin'ny Fagnahy Masy tagny agn'efitsy 2 zay nangalan'ny devoly fagnahy Gnazy tagnatiny gny efapolo andro. Tsy nihina na ino na ino Ie tagnaty reo andro reo, sady tamin'ny fotoa farany la mosare Ie. 3 Gny devoly nivola taminy hoe: " Laha anakin-Dranagnahary Iha, la lilio hanjary mofo io vato io." 4 Jesosy namaly gnazy hoe: " Voasoratsy hoe: ' Tsy gny mofo avao ro iveloman'ny olo." 5 Bakeo nendesin'ny devoly tegny amin'ny toera abo Jesosy sady nasehony Gnazy tselatsela iaby gny fanjakana iabizao tontolo zao. 6 Gny devoly nivola taminy hoe: " Homeko gnanao gny fahefa iaby voho gny famirapiratany iaby, fotony fa nameany gnahy reo, sady afaky omeako gny olo ze teako omea gnazy. 7 Noho izay, laha miakohoky voho manompo gnahy Iha, la ho azonao izay." 8 Nefa Jesosy namaly ka nivola gnazy hoe: " Voasoratsy hoe: ' Handrengy gny Tompo Ndranagnaharinao iha, sady ie avao ro ho tompoinao."' 9 Bakeo gny devoly la nanday gnan'i Jesosy tagny Jerosalema sady nataony tegny amin'ny fara-tampon'ny tempoly, sady nivola taminy hoe: " Laha anakin-Dranagnahary Iha, la antontao avy etoy gny vatanao. 10 Fotony fa voasoratsy hoe: ' Hibaiko gny anjeliny gny aminao Ie, mba hiaro gnanao,' 11 sady, rozy hanandratsy gnanao amin'ny tagnany, mba tsy ho tafitohan'ny vato gny tombokao." 12 Namaly gnazy, Jesosy nivola hoe: " Fa nambara hoe: ' Ka mangalaky fagnahy gny Tompo Ndranagnaharinao."' 13 Lafa vita gny fangalan'ny devoly fagnahy gnan'i Jesosy, la roso ie sady nagnenga Gnazy ambara pahavin'ny fotoa hafa. 14 Bakeo Jesosy nimpoly tagny Galilia tamin'ny herin'ny Fagnahy, sady gny vaovao mikasiky Gnazy la fa niely nanera gny faritsy magnodidy iaby. 15 La nanomboky nampianatsy tao amin'ny Synagogan-drozy Ie sady niderain'ny iaby. 16 Nandeha tagny Nazareta Ie, gny tana nahabe gnazy, sady araky gny fomba fataony, la nilitsy tao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Ie ka nitsanga mba hamaky safa mahery. 17 Natolotsy gnazy horonan-taratadin'Isaia mpaminany. Nosokafany gny boky sady hitany gny toera nanorata gnazy, 18 " Gny Fagnahin'ny Tompo la ato agnamiko, fotony Ie nanosotsy gnahy hivola gny vaovao mahafaly ho gnan'ny mahantra. Ie ro nandefa gnahy hanambara fahafahana ho gnan'ireo babo, sady hampimpoly gny fahita ho gnan'ny jiky, hanafaky reo zay ampijalia, 19 hagnambara gny taom-pankasitrahan-Dranagnahary." 20 Bakeo la naoriny gny taratasy, nampoliny tagny amin'ny mpitandrina, sady nipetraky Ie. Gny fijerin'ireo iaby tao amin'ny Synagoga la nibanjina Gnazy. 21 Nanomboky niresaky tamin-drozy Ie hoe: " Androany toy Soratsy Masy toy la tanteraky eo am-pijanjignanareo." 22 Gny iaby tao la nivola soa gny mikasiky Gnazy sady treriky tamin'ny tenim-pahasoava zay naloaky gny vavany rozy, sady nanontany Rozy hoe: " Fa tsy gny anak'i Josefa va toy?" 23 Ie nivola tamin-drozy hoe: " Azo antoky fa hilaza toy ohabolana toy agnamiko nareo hoe: ' Dokotera, sitrano gny vatanao. Na ino na ino njanjinay fa nataonao tao Kapernaomy, la manoava manahaky izay agny amin'ny taninao." 24 Nefa nivola Ie hoe: " Ambarako agnaminareo, tsy misy mpaminany voaray ao amin'ny taniny. 25 Nefa ambarako marina agnaminareo fa maro gny ampela mpitondra-tena tagny Israely tamin'ny andron'i Elia, laha nihily gny lagnitsy tagnatiny gny telo tao voho enim-bola, sady mosary bevata avy teo amin'ny tany iaby. 26 Nefa Elia tsy nalefa na tamin'iraiky tamin-drozy aza, fa tao Zerapata agny Sidona avao, tagny amin'ny mpitondra tena zay nipetraky. 27 Fa maro reo boka tao Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy na raiky tamin-drozy ka sitrana afa-tsy Namana gny Syriana." 28 Gny olo iaby tao amin'ny Synagoga la feno gny hatezera lafa nahanjanjy reo raha reo. 29 Nitsanga rozy, nanery Gnazy hiala gny tana, sady nandefa Gnazy tegny an-tampon'ny vavasaha zay niorenan'ny tanan-drozy, mba hagnaria Gnazy amin'ny kintsy. 30 Nefa nandeha namakivaky teo agnivon-drozy Ie la roso nandeha tagny amin'ny toeran-kafa. 31 Bakeo Ie la nizotso tagny Kapernaomy tana raiky agny Galilia, sady nanomboky nampianatsy gnan-drozy tamin'ny Sabata Ie. 32 Rozy la nitreriky tamin'ny fampianara nataony, fotony nivola tamin'ny fahefa Ie. 33 Sady tao amin'ny Synagoga la nisy johary zay nipetrahan'ny fagnahy maloton'ny demonia, sady ie la nikorakoraky tamin'ny feo mare hoe: 34 " Ah! Ino ro ifandraisanay agnaminao, ry Jesosy bakagny Nazareta? Avy mba hamotiky gnanay va Iha? Haiko hoe ia Iha - gny Raiky Masin-Dranagnahary!" 35 Jesosy nivola mare gny demony, ka nanao hoe: " Ka mivola sady miala ao aminy!" Lafa nanoraky gny johary hiatonta teo agnivon-drozy gny demony, la niala tao aminy, sady tsy nandratra gnazy akory. 36 Nitreriky iaby gny olo iaby, sady nanohy nifampiresaky gny mikasiky izay. Nivola rozy hoe: " Fa safa manao akory zao?" Baikoiny amin'ny fahefana voho hery gny fagnahy maloto la miboaky." 37 Noho izay la nanomboky niely nanera gny faritsy manodidy gny lazany. 38 La nagnenga gny Synagoga Jesosy sady nilitsy tao an-tranon'i Simona. Sady nampijalian'ny tazo mahery gny rafozam-bavin'i Simona, sady niangavy taminy ho gnazy rozy. 39 Ka nijoro teo agnatrehany Ie sady nivola mare gny tazo, la niala taminy izay. Avy hatrany ie la nitsanga sady nanomboky nanompo gnan-Drozy. 40 Laf nilentiky gny masoandro, la nanday gny olon-drehetra nararin'ny arety maro sambihafa teo amin'ny Jesosy gny olo. Nametre-tana tamin'ny kiraidray aby amin-drozy Ie ka nanasitrana gnan-drozy. 41 Reo demony avao koa la niala tao amin'ny maro tamin-drozy, nihiakiaky mare voho nivola hoe: " Iha ro anakin-Dranagnahary!" Jesosy nivola mare reo demonia ka tsy namela gnazy reo hivola, fotony hain'ireo fa Ie ro Kristy. 42 Vo maraindra-be, la nandeha tagny amin'ny toera mangingina Ie. Vahoaky maro be ro nila Gnazy sady nagnegny amin'ny toera zay nisy Gnazy. Rozy la niezaky gny nihazo Gnazy mba tsy hiala eo amin-drozy. 43 Fa Ie nivola tamin-drozy hoe: " Tsy maintsy mitory gny vaovao mahafaly mikasiky gny fanjakan-Dranagnahary amin'ny tana maro hafa avao koa Zaho, fotony izay ro antony nanirahiny Gnahy tety. 44 Bakeo ie la nanohy nitory tao amin'ireo Synagoga manera gnan'i Jodia.