Toko faha 3

1 Tamin'ny tao faha limy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberie Kaisara - tamy Pontio Pilato ro goveronoran'i Jodia, Heroda la mpanapaky tao Galilia, Filipo rahalahiny la mpanapaky tao amin'ny faritsy Itoria voho Trakonitisy, sady Lysania la mpanapak'i Abilena, 2 tagnatiny gny fisorognam-ben'i Aniasy voho Kaiafa - la avy tamin'i Jaona anaky lahin'i Zakaria tagny agn'efitsy gny safan-Dranagnahary. 3 Nandeha tagny amin'ireo faritsy iaby magnodidy gnan'ny Jordana Ie, nitory gny batisan'ny fibebaha ho famela reo heloky. 4 Araky gny voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tenin'ny Isaia mpaminany hoe: " Nisy feo raiky nikaiky mare baka agn'efitsy hoe: ' Ataovo vonona gny lalan'ny Tompo, atavo mahity gny lalan-kalehany. 5 Gny lohasaha iaby ho totofa, sady gny tendrombohitsy voho gny vavasaha hahetry, ary gny lala miolakolaky la amboary hahity, sady gny toera mikitoantoa la ho atao lala, 6 sady gny nofo iaby la hahajery gny famonjean-Dranagnahary."' 7 Ka nivola tamin'ireo vahoaky zay avy ho ataony batisa i Jaona hoe: " Nareo ry avorohotany gny menarana! Ia ro nampitandrina gnanareo mba hilay gny fahatezerany zay ho avy? 8 Noho izay, momokara voa mendriky gny fibebaha, sady ka manomboky mivola ao agnatinareo hoe: 'Rahay mana gnan'i Abrahama ho babanay,' fa mivola gnanareo aho fa Ndranagnahary la afaky mananga anaky ho gnan'i Abrahama baka amin'ireto vato reto. 9 Henanizao ka gny famaky la mipetraky eo amin'ny fototsy gny hazo. Ka gny hazo iaby zay tsy mamoa voa soa la voatapaky sady hatoraky agny amin'ny bolo." 10 Sady reo vahoaky la nagnontany gnazy avao, nivola hoe: " Ino ary ro ataonay?" 11 Namaly ie ka nivola tamin-drozy hoe: " Laha misy olo mana akanjo lava roe, tokony mizara zay amin'ny olo raiky zay tsy mana ie, sady ze mana hany koa la tokony hanao manahaky izay." 12 Reo mpamory hetra koa la avy mba hatao batisa, sady nivola taminy hoe: " Mpampianatra o, ino ro tsy maintsy ataonay?" 13 Ie nivola gnan-drozy hoe: " Ka mamory jala mihoatsy noho ze nivolagny aminareo." 14 Miaramila maromaro koa nagnontany gnazy, nivola hoe: " Manao akory gny mikasiky gnanay? Ino ro tsy maintsy ataonay?" Ie nivola tamin-drozy reo hoe: " Ka mangalaky jala amin'olo an-keriny, sady ka mampamory vandy olo. Mifalia amin'ny karamanareo." 15 Sady laha niamby fatratry gny fahavian'i Kristy gny vahoaky, la nagnontany tao am-pony gny mahakasikan'i Jaona gny kiraidraiky, na mety ho ie na tsy ie ro Kristy. Jaona namaly tamin'ny fivolagna gnan-drozy iaby hoe: " Laha gny agnamiko, la manao batisa gnanareo amin'ny rano aho, fa misy olo raiky ho avy zay mahery mihoatsy gnahy, sady tsy mendriky zaho na la hamaha reo fehi-kapany aza. Hanao batisa gnanareo amin'ny Fagnahy Masy boho bolo Ie. 17 Eo an-tagnany gny fikororohany mba hanaliova soa gny ao am-pomoloany voho hamory gny vary ho agny amin'ny sompiny. Fa ho dorany amin'ny bolo tsy mety vonoe gny akofa." 18 Niaraky tamin'ny fagnanara maro hafa avao koa, Jaona nitory vaovao soa ho gnan'ny vahoaky. 19 Heroda mpanapaky lafa nanarina nohon'ny fanambalia gny valin-drahalahy Herodiasy, voho nohon'ny raha raty hafa iaby zay vitany, 20 la ho fanampian'izay iaby izay la nizotso tagny am-gadra Jaona. 21 Sady, lafa vita batisa iaby gny olo iaby, la natao batisa koa Jesosy, sady laha mbo nivavaky ie, la nisokatsy gny lagnitsy, 22 sady gny Fagnhy Masy nangalaky endriky ka nizotso teo aminy manahaky gny voromailala, sady nisy feo baka agny an-dagnitsy nanao hoe: " Iha ro Anako, malalako. Faly Zaho nohon'ny aminao." 23 Lafa nanomboky gny asa fanompoany Jesosy, la teo amin'ny telo-polo tao teo Ie. Ie ro anaky lahin'i (araky gny fihevera) Josefa, anak'i Hely, 24 anak'i Matata, anak'i Levy, anak'i Melky, anak'i Janay, anak'i Josefa. 25 Josefa la anak'i Matitia, anak'i Amosa, anak'i Nahoma, anak'i Elsy, anak'i Nagay, anak'i Mata, 26 anak'i Matatia, anak'i Semey, anak'i Joseka, anak'i Joda. 27 Joda la anak'i Joanana, anak'i Rase, anak'i Zerobabela, anak'i Sealtiela, anak'i Nery, 28 anak'i Melky, anak'i Ady, anak'i Kosama, anak'i Elmadama, anak'i Era, 29 anak'i Josoa, anak'i Eliezara, anak'i Joreima, anak'i Matata, anak'i Levy. 30 Levy la anak'i Simeona, anak'i Joda, anak'i Josefa, anak'i Jonama, anak'i Eliakima, 31 anak'i Melea, anak'i Mena, anak'i Matata, anak'i Natana, anak'i Davida, 32 anak'i Jese, anak'i Obeda, anak'i Boaza, anak'i Salmona, anak'i Nahasona. 33 Nahasona la anak'i Aminadaba, anak'i Adimina, anak'i Arny, anak'i Hezrona, anak'i Fazera, anak'i Joda, 34 Anak'i Jakoba, anak'i Isaka, anak'i Abrahama, anak'i Tera, anak'i Nahora, 35 Anak'i Seroga, anak'i Reo, anak'i Palega, anak'i Ebera, anak'i Sela. 36 Sela la anak'i Kenana, anak'i Arpaksada, anak'i Sema, anak'i Noa, anak'i Lameka, anak'i 37 Metosela, anak'i Enoka, anak'i Jareda, anak'i Mahalalila, anak'i Kenana, 38 anak'i Enosa, anak'i Seta, anak'i Adama, anak'Andranagnahary.