Toko faha 2

1 Sady tamin'izay andro izay, la nandefa lily mibaiko zay mibaiko gny hanisa gny olo iaby miay eto amin'izao tontolo zao Aogosto Kaisara. 2 Izay ro fanisam-bahoaky natao voalohany tamin'i Kyrenio ro mpanapaky tagny Syria. 3 Noho izay gny olon-drehetra la nagnagny amin'ny tana niaviany avy mba hisoratsy agnarana ho gnan'ny fanisam-bahoaky. 4 La nandeha niakatsy bakagny Galilia koa Josefa, bakagny an-tananan'ny Nazareta, ho agny Jodia, tanan'i Davida zay kinaiky hoe Betlehema, fotony ie baka amin'ny tragno voho fianakavian'i Davida. 5 Nandeha tagny ie mba hisoratsy agnara niaraky tamin'i Maria, zay fofom-baliny sady nitoe-jaza. 6 Sady laha mbo tagny rozy, la avy gny fotoa hiterahany gny anany. 7 Niteraky aja johary ie, anany voalohany, sady ie nandrakotsy lamban-jaza Gnazy voho nampandry Gnazy teo amin'ny fihinanam-bilo, fotony tsy nisy toera ho gnan-drozy tao amin'ny hotely. 8 Nisy mpiamby aondry tamin'izay faritsy izay zay nijano tagny am-baibo, niamby gny andian'andry tamin'ny haliky. 9 Nisy anjelin'ny tompo niseho tamin-drozy, sady gny voninahitsy gny Tompo namirapiratsy manodidy gnazy, sady feno tahotsy bevata rozy. 10 La nivola tamin-drozy gny anjely nanao hoe: " Ka matahotsy, fa handay vaovao soa zay handay hafalia bevata ho gnan'ny olo iaby aho. 11 Androany la nisy mpanavotsy zay teraky ho gnanareo agny an-tanan'i Davida! Ie ro Kristy Tompo! 12 Zao ro famantara zay homea gnanareo: Hahajery aja kelikely mirakotsy lamban-jaza sady mandry eo amin'ny fihinanam-bilo nareo." 13 Tampoky teo niaraky tamin'ny anjely, la nisy tafiky gny lagnitsy bevata nandrengy an-Dranagnahary nanao hoe: 14 " Voninahitsy ho an-Dranagnahary agny amin'ny abo mare, sady hisy fiadagna anie eto an-tany eo amin'ny olo zay ankasitrahany." 15 Sady lafa niala teo amin-drozy nagnagny an-dagnitsy reo anjely, gny mpiamby aondry nifampivola hoe: " Handeha tsika zao ho agny Betlehema, sady hijery zay raha-nitranga izay, zay nampahafantarin'ny Tompo antsika izay." 16 Nandeha malaky tagny rozy sady nahajery gnan'i Maria voho Josefa, sady nahajery gny aja kelikely nandry teo amin'ny tranon'aomby. 17 Tafaran'ny nahitan-drozy Gnazy, la nampahafantarin-drozy gny raha iaby nivolagniny rozy mikasiky io aja io. 18 Zay iaby nahaja zay la treriky gny amin'ny nambaran'ny mpiamby aondry tamin-drozy. 19 Fa Maria kosa nanohy nieritreritsy mikasiky gny raha iaby zay reny, sady nitahiry regny tao am-pony. 20 Nimpoly reo mpiamby aondry, nagnome voninahitsy voho nankalaza an-Dranagnahary noho gny raha iaby zay njanjin-drozy voho hitan'ireo, araky zay nambarany tamin-drozy. 21 Lafa tapitsy gny andro fahavalo, lafa nitapahy Ie, la nomea agnara hoe Jesosy, gny agnara nomen'ny anjely Gnazy talohan'ny nametraha Gnazy tao an-kibo. 22 Sady lafa dila gny isan'ny andro nitakia hiliovany, araky gny lalan'i Mosesy, la ninday Gnazy niakatsy ho agny an-tempoly tao Jerosalema i Maria voho Josefa mba hanolotsy Gnazy eo amin'ny Tompo. 23 Araky zay voasoratsy ao amin'ny lalan'ny Tompo hoe: " Gny johary iaby zay voaloha-teraky la hatoka ho gnan'ny Tompo." 24 Noho izay la nanolotsy soro araky zay voalaza ao amin'ny lalan'ny Tompo rozy, " domohina roe na anaky voromailala roe." 25 Sady ingo, nisy johary tagny Jerosalema, Simona ro agnarany, sady izay johary izay to voho mafana fo. Nila gny fampionogna an'Israely ie, sady tao aminy gny Fagnahy Masy. 26 Nambaran'ny Fagnahy Masy taminy fa tsy hahajery fahafatesa mialohan'ny ahitany gny Kristin'ny Tompo ie. 27 Nitarihin'ny Fagnahy , nagnagny an-tempoly Simona. Lafa nanday gnan'i Jesosy zazakely nilitsy gny ray aman-dreniny, mba hanao Gnazy araky gny fomba ao amin'ny lalagna, 28 la nirambesiny ho egny an-tsandriny Ie sady nandrengy an-Dranagnahary voho nanao hoe: 29 " Henanizao engao handeha am-piadagna gny mpanomponao, ry Tompo, araky gny safanao. 30 Fa gny masoko nahajery gny famonjenao, 31 zay nomaninao teo amin'ny fanatrehan'ny olo iaby: 32 La fahazava ho fagnambara ho gnan'ny Jentilisa sady voninahitsy ho gnan'Israely olonao." 33 Gny babany voho renin'ny aja la treriky tamin'ny raha nivolagniny mahakasiky Gnazy. 34 Nitso-drano gnan-drozy Simona sady nivola tamin'i Maria reniny hoe: " Ingo, toy aja toy la voatendry ho amin'ny fandavoa voho fanandrata gny olon'Israely maro sady ho famantara zay niliery. 35 Sady hisy meso handoaky gny fanahinao - mba ho voambara gny hevitsy gny fo maro." 36 Nisy mpaminany ampela raiky kinaiky hoe Ana teo. Anak'ampelan'i Fanoela bak'amin'ny foko Asera ie. Tena antitsy ie. Nipetraky niaraky tamin'ny valiny fito tao tafaran'ny nahavirijiny gnazy ie, 37 sady mpinday vata tagnatiny gny efatsy amby valopolo tao. Tsy nagnenga gny tempoly mihitsy ie fa nanompo tamin'ny fifalian-kany voho vavaky, andro aman'aly. 38 Tamin'izay fotoa izay indrindra la namonjy mariniky gnan-drozy ie sady nanomboky nagnome fisaora an-Dranagnahary voho nivola gny mikasikin'ny aja tamin'ny olo iaby zay niamby gny fanavota gnan'i Jerosalema. 39 Lafa nahavita gny raha iaby nasainy nataony araky gny lalan'ny Tompo rozy, la nimpoly tagny Galilia, agny amin'ny tanan-drozy agny Nazareta. 40 Nihalehibe gny aja sady nihanatanjaky, nitombo fahendrea, sady gny fahasoavan-Dranagnahary la tao aminy. 41 Gny ray aman-dreniny la nagnagny Jerosalema isan-tao hamonjy gny Firavoravoan'ny Paska. 42 Lafa roe ambin'ny folo tao Ie, la nandeha nagnagny araky gny fomba fatao amin'ny fety ndraiky rozy. 43 Sady lafa baka nipetraky tagny tagnatiny gny andron'ny fety iaby rozy, la nanomboky nimpoly noly rozy. Fa Jesosy aja johary nijano tagny Jerosalema nefa tsy hainy gny ray aman-dreniny izay. 44 Nataon-drozy fa niaraky tamin'ny olo niaraky lia tamin-drozy Ie, la nandeha tagnatiny gny andro raiky manontolo rozy. Sady bakeo la nanomboky nila Gnazy tagny amin'ireo longony voho reo namany rozy. 45 Lafa tsy jerin-drozy Ie, la nimpoly tagny Jerosalema rozy ka nanomboky nila Gnazy tagny. 46 Lafa afaky telo andro, la jerin-drozy tao an-tempoly Ie, nipetraky teo agnivon'ireo mpampianatsy, ninjanjy gnan-drozy voho nametraky fanontania tamin-drozy. 47 Zay iaby nahaja gnazy la treriky tamin'ny fahalalany voho reo valinteniny. 48 Lafa nahajery Gnazy rozy, la talanjona. Gny reniny nivola taminy hoe: " Anaky, nagnino iha ro nanao manahaky zao gnanay? Njanjigno, zaho voho gny babanao nila gnanao tamin-tebiteby." 49 Ie nivola tamin-drozy hoe: " Nagnino nareo ro mila Gnahy? Tsy hainareo va fa tsy maintsy ho ao an-tragnon'ny Babako Aho?" 50 Fa tsy azon-drozy zay teany hambarany tamin'izay safa zay. 51 La noly niaraky tamin-drozy tagny Nazareta Ie sady nankato gnan-drozy. Gny reniny la nitahiry izay raha iaby izay tao am-pony. 52 Fa Jesosy nihanitombo fahendrea voho nitombo tena, sady nitombo fitea tamin-Dranagnahary voho gny olo.