Toko faha 5

1 Sady zao ro niseho, laha nivory nagnodidy gnan'i Jesosy reo olana sady nijanjy gny safan-Dranagnahary, la nitsanga teo amoron'ny farihin'i Genesareta Ie. 2 Nahajery sambo kelikely roe nijano teo amoron'ny farihy Ie. Fa niboaky tao reo mpihaza sady nanasa reo haratony. 3 Nilitsy tao amin'ny raiky tamin'ireo sambo kelikely Jesosy, zay gnan'i Simona, sady nangataky gnazy mba handefa zay egny amin'ny rano lavidavitsy gny tanety. Bakeo la nipetraky Ie ka nampianatsy reo olo tegny ivelan'ny sambo kelikely. 4 Lafa niegny nivola Ie, la nivola tagnamin'i Simona Ie hoe: " Andeso gny ho agny amin'ny rano laliky mare gny sambokely la halakao gny haratonareo mba ahazoanareo fia." 5 Simona namaly Gnazy ka nivola hoe: " Tompo o, fa niasa gny haliky manontolo rahay, fa tsy nahazo na ino na ino, fa nohon'ny safanao, la ho halatrako reo harato." 6 Lafa nataon-drozy zay, la nahavory fia maro la maro rozy, sady nidriatsy reo haraton-drozy. 7 Koa nanao fihetsiky tamin'ireo namany zay tao agnatin'ny sambokely raiky hafa rozy fa rozy fa tokony ho avy sady hanampy gnan-drozy. La avy rozy ka nameno gny sambokely roe, ka la nanomboky nilentiky rozy. 8 Fa Simona Petera, laha vo nahajery izay, la niankohoky teo an-tombon'i Jesosy, nivola hoe: " Miala agnamiko, fa johary mpanonta zaho." 9 Fa treriky ie, voho reo zay iaby nisondry tagnaminy, nohon'ny haben'ny fia zay azon-drozy. 10 Tao agnatin'izay Jakoba voho Jaona, anak'i Zebedio, zay mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy nivola tamin'i Simona hoe: " Ka matahotsy, fa manomboky zao la hagnarato olo iha." 11 Lafa nandesin-drozy tegny an-tanety gny sambokelin-drozy, la nagnenga gny raha iaby rozy ka nagnaraky Gnazy. 12 La nitranga zao laha mbo tao amin'ny raiky tamin'ireo tana Ie, la nisy johary feno haboka teo. Nony nahajery gnan'i Jesosy ie, la niankohoky teo Aminy sady nangataky tagnaminy, nanao hoe: " Tompo, laha mety iha, la afaky magnadio gnahy." 13 Sady la nagnampatsy gny tagnany Jesosy sady nikasiky gnazy, nivola hoe: " Mety aho. Madiova." Teo noho eo la afaky taminy gny habokana. 14 Nirarany ie mba tsy hivola na amin'ia na amin'ia, fa nambarany taminy hoe: " Zory gny lalanao, misehoa amin'ny mpisoro sady manolora soro ho gnan'ny fagnadiova gnanao, araky zay nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroa vavolombelo amin-drozy." 15 Nefa gny tatitsy mikasiky Gnazy la niely lavitsy kokoa aza, sady vaohaky maro ro niaraky niavy mba hijanjy Gnazy nampianatsy sady mba ho sitrana amin'ny aretin-drozy. 16 Nefa matetiky Ie la niala nagnagny agny amin'ny tany tsy misy raha sady nivavaky. 17 Sady tamin'ny andro raiky tamin'ireo andro nampianarany, la nisy Fariseo voho mpampiana-dalagna nipetraky teo zay avy amin'ny tana sambihafa ao amin'ny faritsy Galilia voho Jodia, sady avao koa bakao amin'ny tanan'i Jerosalema. Gny herin'ny Tompo ro tao aminy mba hanasitranany. 18 Sady nisy johary sasany avy, nanday johary raiky zay voan'ny paralisisa teo amin'ny fandria, sady rozy la nila fomba hitondra gnazy ao agnatiny mba hametraha gnazy ho eo agnatrehan'i Jesosy. 19 Tsy nahajery fomba hampilira gnazy tao agnatiny rozy noho reo vahoaky, noho izay la nagnagny amin'ny tampo-trano rozy sady nampizotso gny fandrian'ny johary bakeo an-tafo tragno, tamin'ny fandriany, teo agnivon'ny olo, teo agnatrehan'i Jesosy. 20 Lafa nahajery gny finoan-drozy, la hoy Jesosy hoe: " Ry johary, voavela gny helokinao." 21 Nanomboky nagnontany reo mpanora-dalagna voho reo Fariseo, ka nivola hoe: " Ia moa toy zay mivola raty toy? Ia ro afaky mamela gny fahota afa-tsy Ndranagnahary raiky avao?" 22 Fa Jesosy, nahay zay nieretreritin-drozy, namaly sady nivola gnan-drozy hoe: " Nagnino nareo ro manontany zay ao am-ponareo? 23 Ino ro mora volagny mare: ' Voavela gny helokao' va gny mivola hoe: ' Mitsangana sady mandehana?' 24 Nefa mba hahafantaranareo fa gny Anak'Olo la manam-pahefa hamela heloky eto an-tany, la ambarako aminao, mitsangana, andeso gny fandrianao sady mandehana agny an-tragnonao." 25 Teo noho eo la nitsanga teo agnatrehan-drozy ie sady nangalaky gny fandria zay nandriany. Bakeo la niala nagnagny an-tragnony ie, nagnomea voninahitsy an-Dranagnahary. 26 Treriky gny iaby sady nanome voninahitsy an-Dranagnahary rozy. Feno tahotsy rozy, nivola hoe: " Nahajery raha-mahatreriky tsika androany." 27 Tafaran'ny nitrangan'ireo raha reo, la niala teo i Jesosy ka nahajery mpamory hetra teo amin'ny tragno lain'ny mpamory hetra. Nivola taminy Ie hoe: " Magnaraha Gnahy." 28 La nitsanga i Levy ka nagnaraky Gnazy, ka namela gny raha- iaby. 29 La nanao fanasana bevata tao an-tragnony ho gnan'i Jesosy i Levy. Maro reo mpamory hetra voho reo olo hafa zay nipetraky teo amin'ny latabatsy sady nihina niaraky tamin-drozy. 30 Nefa reo Fariseo voho reo mpanora-dalagna la nitaray tamin'ireo mpianany, nivola hoe: " Nagnino iha ro mihina voho misotro miaraky amin'ireo mpamory hetra voho gny olo mpanonta hafa?" 31 Namaly gnan-drozy Jesosy hoe: " Tsy mila dokotera gny olo salama; fa reo marary avao. 32 Tsy avy hikaiky gny olo-to ho amin'ny fibebaha Zaho, fa hikaiky gny mpanonta ho amin'ny fibebaha." 33 La hoy rozy taminy hoe: " Reo mpianatr'i Jaona la matetiky mifaly hany voho miavavaky, sady reo mpianatr'ireo Fariseo la manao manahaky zay koa. Nefa gny mpianatrinao la mihina voho mino." 34 Jesosy nivola gnan-drozy hoe: " Moa va misy mahavita mampifaly hany gny longon'ny mpampakatsy laha toa ka mbo mipetraky eo amin-drozy gny mpampakatsy? 35 Fa ho avy gny andro zay hangala gny mpampakatsy eo amin-drozy, sady amin'izay andro izay la hifaly hany rozy." 36 La nanao fanohara tamin-drozy koa Jesosy." Tsy misy olo manataky tapa-damba bakamin'ny lamba vaovao sady mampiasa zay mba hagnamboara gny lamba fa ela. Laha manao zay ie, la hanimba gny lamba vaovao, sady gny tapa-damba bakamin'ny lamba vaovao la tsy hifagnaraky amin'ny lamba fa ela. 37 Tsy misy olo manisy divay vaovao ao agnatin'ny siny hoditsy fa ela. Laha manao zay ie, la hampidriatsy gny hoditsy gny divay vaovao, sady la ho raraky gny divay, sady ho simba gny siny hoditsy. 38 Fa gny divay vaovao la tsy maintsy atao ao agnatin'ny siny hoditsy vaovao. 39 Tsy misy olo baka nino divay taloha ka hagniry gny vaovao, fa hoy ie hoe: ' Gny taloha ro soa."