Toko faha 9

1 Sady reo mpanjaka manontolo ze niaina tagny an-dafin'ny Joradana tagny amin'ny tany havoa, voho tagny amin'ireo lemaky amoron-dranomasin'ny Ranomasina bevata tandrifin'i libanona_ reo Hitita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita, sady reo Jebosita__ 2 reo la niray hina eo ambany fifeheza raiky, mba hananga aly amin'i Josoa voho Israely. 3 Lafa ren'ireo olon'i Gibeona ze nataon'i Josoa tamin'i Jeriko voho tamin'i Ay, 4 La nanao tetiky an-kafetsea rozy. nandeha ho iraky rozy. Nanday kitapo tonta roay sady nasampiny tamin'ny borikin-drozy io. Nanday siny hoditsy ze tonta, rovitsy, voho fa namboary avao koa rozy. 5 Kapa tonta voho nitampy ro teny an-tombon-drozy, sady nisiky tranainy, fisikigna tonta. Reo mofo iaby tao amin'ny fipetraram-batsin-drozy la kina voho bobongolo. 6 La nandeha tagny amin'i Josoa tagny an-tagny Gilgala rozy ka niteny taminy voho tamin'ireo joharin'Israely hoe:' fa nandeha bakagny amin'ny firenena tena lavitsy rahay, ka amizao manaova fifagnenke aminay. 7 " Hoy reo joharin'Israely tamin'ireo Hivita hoe;' Vasa nareo mipetraky agnilanay avao. hataonay akory gny hanao fifagnenkea aminareo?' 8 Hoy rozy tamin'i Josoa :' Mpanomponao rahay." Josoa namaly an-drozy hoe:' Fa ia nareo? Bakaia ro niavianareo? 9 Hoy rozy taminy:' Avy tagny amin'ny tany tena lavitsy reto mpanomponao, noho gny agnaran'i Yaveh Ndranagnaharinareo. Renay gny tatitsy momba Gnazy voho omba ze iaby nataony tagny Egypta_ 10 sady ze iaby nataony tamin'ireo mpanjakan'ny amorita roe tagny andafin'ny Jordana__ tamin'i sihona mpanjakan'i Hesbona, voho tamin'i Oga mpanjakan'i Basana ze tagny Astarata. 11 Hoy reo loholonay voho reo olonay manontolo tagny amin'ny firenena taminay hoe:' Magnandesa vatsy egny an-tagnanareo ho amin'ny lia. mandehana miahaona amin-drozy sady lazao rozy hoe:' Mpanomponareo rahay. manaova fifanenke aminay." 12 Toy gny mofonay, mbo nafana toy tamin'ny rahay nangalaky gnazy toy tany an-tragnonay tamin'ny andro nialanay hagnatoy aminareo. Kanefa zao, ingo, maiky voho bobongolotoy. 13 Reto kitapo hiditsy reto la vaovao tamin'ny namenoany gnan-drozy ,la ingo, mitete rozy amizao. Reo fitafia voho reo kapanay l simba noho gny la tena lavitsy." 14 La nangalaky sasany tamin'ny vatsiny reo Israely, nefa tsy nangalaky hevitsy tamin'i yaveh ho fitariha. 15 Josoa nihava tamin-drozy voho nanao fifanenke tamin-drozy , mba hamela an-drozy ho velo. reo mpitariky gny fokonolo avao koa la nanao voady tamin-drozy. 16 Telo andro tafaran'ny nanaovan'ireo Israelita io fifanenke io tamin-drzy, la hain-drozy fa hay mpifanolobodry rozy sady nipetraky nifankariny teo. 17 Bakeo la niainga gny fokonolon'Israely sady avy tagny amin'ny tanan-drozy tamin'ny andro fahatelo. Gny tanan-drozy la Gibeona, Kefira, Berota, sady Kiriata Jearima. 18 Tsy nanafiky an-drozy gny fokonolon'Israely fotony reo mpitariky an-drozy la fa nanao fiainiana momba gnazy teo agnatrehan'i yaveh, Ndranagnaharin'Israely. Nimonomonoan'ireo Israely manontolo reo mpitariky an-drozy. 19 Ka hoy reo mpitariky manontolo tamin'ny fokonolo manontolo gnan-drozy tamin'i Yaveh, Ndranagnaharin'Israely rahay, sady tsy afaky hanao raty an-drozy tsika amizao. 20 Zao ro hataontsika amin-drozy: Mba hiala amin'ny fahatezera zay mety hitranga amintsika noho gny fiaigna nianiantsika tamin-drozy, la engan-tsika ho velo rozy." 21 Hoy reo mpitariky tamin'ny fokonolon-drozy;' engao rozy ho velo." Nohon'io , reo Gibeonita la lasa mpikapahazo voho mpantsaka rono ho gnan'ireo Isrelita manontolo, araky ze nolazain'ireo mpitariky momba an-drozy. 22 Nikaiky an-drozy Josoa ka nivola hoe:' Nagnino nareo ro namitaky gnanay laha nivola hoe:' Tena lavitsy gnanareo rahay; nefa nareo mipetraky eto aminay? 23 Amizao, noho n'io ,la voaozo nareo sady gny sasany aminareo la ho andevo avao, reo zay manapaky hazo voho mantsaka rano ho gnan'ny tragnon-Dranagnahariko." 24 namaly gnan'i josoa reo ka nanao hoe:' Fotony nolaza tamin'ireto mpanomponao fa Yaveh Ndranagnaharinao nandidy gnan'i Mosesy mpanompony mba hagnome gnanao gny tany iaby, sady handringa reo olon'ny tany iaby eo agnatregahanao__ nohon'io la natahotsy mare gny amin'n ainay rahay noho iha. Io ro nahatonga gnanay nanao zao raha zao. 25 amizao , ingo, tagnanao amin'ny fahefanao rahay. naino ino toa soa voh marina aminao hatao aminay, la ataovo io." 26 La zao ro nataon'i Josoa ho gnan-drozy:' nalany tsy ho eo ambany fifehezan'ny fokonolon'Israely rozy, sady tsy novonoan'ireo israelita. 27 Nataon'i Josoa mpanapaky hazo voho mpantsaka rano ho gnan'ny fiarahamonina, voho ho gnan'ny alitaran'i Yaveh reo Gibeonita tamin'io andro io, mandrak'androany, eo amin'ny toera zay nifilin'i yaveh.