Toko faha 10

1 Sady ren'i Adoni-Zedeka, mpnjakan'i Jerosalema, fa babon'i Josoa i Ay sady nopotehiny tanteraky io( manahaky gny nanaovany gnan'i Jeriko voho gny mpanjaka), reny avao koa fa fa nilongo gny fokonolon'i Gibeona voho gny Israely sady niara-nipetraky rozy. 2 La raiki-tahotsy tanteraky gny fokonolon'i Jerosalema fotony Gibeona la tana bevata, manahaky raiky amin'ireo tanan'andriana. Bevata noho i ay io, sady gny johariny la mpialy mahery iaby. 3 Noho io Adoni-zedeka, mpanajakan'i Jerosalema, la nandefa hafatsy tagny amin'i Hohama, mpanjakan'i Hebrona, tagny amin'i pirama, mpanjakan'i Jarmota, tagny amin'i Jafia, mpanjakan'i Lakisy , sady tagny amin'i Debira, mpanjakan'i Eglona hoe:' 4 "Miakara atoy amiko sady ampio. Andeha hotafihintsika i Gibeona fotony rozy la fa nilongo tamin'i Josoa voho tamin'ny fokonolon'Israely." 5 Reo mpanjaka dimin'ny amorita, gny mpanjakan'i Jerosalema, gny mpanjakan'i Hebrona, gny mpanjakan'i Jarmota, gny mpanjakan'i Lakisy, sady gny mpanjakan'i Eglona la niakatsy , rozy voho reo tafiny manontolo. Nametraky gny rafitsy hagnoregna gnan'i Gibeona rozy, sady nanafiky gnan'io. 6 Nandefa hafatsy tagny amin'i Josoa voho tagny amin'ny tafiky tagny Gilgala gny fokonolo'i Gibeaona. Hoy rozy hoe;' Malaky! Ka ala eo amin'ny mpanomponareo gny tagnanareo. Miakara malaky atoy aminay, sady vonjeo rahay. Ampio rahay, fotony reo mpanjakan'ny Amorita manontolo mipetraky egny amin'ny tany havoana la fa nitambatsy ho raiky mba hanafiky gnanay." 7 Niakatsy bakagny Gilgala i Josoa, ie voho reo johary mpialay lafa niaraky taminy, sady reo johary mpanafiky manontolo. 8 Sady Yaveh nivola tamin'i Josoa hoe:' Ka matahotsy an-drozy. Fa nameako ho eo am-pelan-tagnanao rozy. Tsy hisy ndra raiky amin-drozy hahasaka gny fagnahinao." 9 Avy tampoky teo amin-drozy i Josoa, lafa nandeha nandritsa gny haly tontolo bakagny Gilgala. 10 Nasafotofoton'i Yaveh teo agnatrehan'Israely gny fahavalo, sady Israely namono gnazy tamin'ny famonoa bevata tao Gibeona sady nagnenjiky an-drozy tamin'ny lala miakatsy magnagny Beti-horona, sady rozy namono an-drozy tegny an-dala magnagny Azeka voho makeda. 11 Laha nitsoaky gnan'Israely rozy, nizotso gny vohitsy bakagny Beti-horona, Yaveh nanipy vato bevata bakegny amin'ny lagnitsy teo agnabon-drozy tamin'ny lala iaby magnagny Azeka, sady maty rozy. Maro reo matin'ny havandra noho gny matin'ny sabats,ireo joharin'Israely. 12 Sady Josoa nivola tamin'i Yaveh tamin'ny andro nagnomezan' Yaveh gny joharin'Israely fandresea teo agnatrehan'ireo Amorita teo agnatrehan'Israely:' Ry masoandro, mijanogna ao Gibeona , sady gny vola , ao amin'ny lohasaha Aialona." 13 La nijano gny masoandro, sady nijano tsy nihetsiky gny vola mandra-pamalifatin'ny firenena fahavalony. Tsy voasoratsy ao agnaty Bokin'i Jasara va io? Gny masoandro nijano teo agnivon'ny lagnitsy; tsy nilentiky fa ho raik'andro maninjitsy . 14 Tsy nisy andro hafa manahaky gnan'io taloha na tafaran'io, lafa nankato gny feon'ny olo i Yaveh. Fotony Yaveh la nialy ho gnan'Israely. 15 Nimpoly tagny an-toby tagny Gilgala i Josoa voho reo Israely manontolo niaraky taminy. 16 Reo mpanjaka dimy nandositsy voho nagnetaky gny vatany tao agnaty lava-bato tao Makeda. 17 La nolazay tamin'i Josoa io hoe:' Fa hita rozy! __mietaky ao agnaty lava-bato ao Makeda reo mpanjaka limy." 18 Hoy Josoa hoe:'Magnakodiava vato bevata eo am-bavan'ilay lava-Bato sady mametraha miaramila ao mba hiamby an-drozy. 19 Fa ka mijano nareo. Enjeho gny fahavalonareo sady tafiho bakao afara rozy. ka enga hilitsy gny tanany rozy, fotony Yaveh Ndranagnaharinareo fa nanolotsy an-drozy ho eo an-tagnanareo." 20 Josoa voho reo anak'Isrealy fa nandringa an-drozy tamin'ny famonoa bevata, mandra-paharinga an-drozy tanteraky; reo ze sisa velo avao ro afa-nandositsy namonjy gny tana mimanda. 21 Sady gny miaramila manontolo nimpoly am-pialamina tagny amin'i Josoa tao an-toby tao Makeda. Tsy nisy ndra raiky nivola teny manohitsy gny fokonolon'Israely. 22 Sady Josoa nivola hoe:' Sokafo gnylavabato sady andeso miboaky bakao ka andeso eto amiko reo mpanjaka limy. 23 La nataon-drozy araky ze nivolagniny. Nandesin-drozy bakao an-dava-bato ho eo aminy reo mpanjaka limy__gny mpanjakan'i Jerosalema, gny mpanjakan'i Hebrona, gny mpanjakan'i Jarmota, gny mpanjakan'i Lakisy, voho gny mpanjakan'i Eglona. 24 Lafa avin-drozy teo amin'i Josoa reo mpanjaka, la nikaiky gny joharin'Israely manontolo ie. Nivola tamin'ireo mpifehy gny miaramila ze niaraky taminy tagny agn'aly ie hoe:' apetraho eo amin'ny vozony gny tombokao. La niakatry rozy sady nametraky gny tombony teo amin'ny vozon-drozy. 25 Sady hoy ie tamin-drozy hoe:' Ka matahotsy sady ka mivadi-po. Mahereza voho matanjaha. Zao ro hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalonao manontolo zay andehananao hialy." 26 Sady Josoa namely voho namono reo mpanjaka limy. Nahantony tamin'ny hazo limy rozy. Nihanto teo amin'ny hazo rozy mandram-pahariva gny andro. 27 Laha igny moly gny masoandro igny, la nagnome baiko Josoa, ka nampizotsoan-drozy bakegny amin'ny hazo rozy sady natoraky toa agnatin'ilay lava-bato zay nietahan-drozy. Nasian-drozy vato bevata gny vavan'ilay lava-bato. Mbo ao reo vato reo mandraka'androany. 28 Manahaky gnan'io, ro nambaboan'i Josoa gnan'i Makeda tamin'io andro io, voho namonoany gny olo iaby tao tamin'ny sabatsy, agnisan'io gny mpanjakany. Naringany tanteraky rozy voho reo raha-miay iaby tao. Tsy nisy nengany ho velo. manahaky gny nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko avao ro nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda. 29 Niainga bakao Makeda ho agny Libna i Josoa voho reo Israely manontolo. La nialy tamin'ni Libna ie. 30 Nomen'i Yaveh ho eo an-tagnan'Israely avao koa io__ hatramin'ny mpanjakany. Josoa namely gny raha-miay iaby tamin'ny sabatsy. Tsy nagnengany nianga tao. Manahaky gny nanaovany gny mpanjakan'i Jeriko avaoa ro nanovany gny mpanjaka. 31 Sady niainga bakao Libna ho agny Lakisy i Josoa voho reo Israely manontol niaraky taminy. Nivory tao rozy sady nialy taminy . 32 La natolotr'i Yaveh teo an-tagnan'Israely i Lakisy. Tamin'ny andro faharoa ro nambaboan'i Josoa gnazy. Naringany tamin'ny sabatsy gny raha-miay manontolo tao, manahaky gny nanaovany gnan'i Libna. 33 Sady Horoma, mpanjakan'i Gzera, niakatsy mba hanampy gnan'i Lakisy. Fa Josoa namely gnazy voho gny tafiny mandra-paha tsy nisy nianga sasy ndra la raiky aza. 34 Sady Josoa voho reo Israely manontolo niaraky tamin'ny nianga bakao Lakisy ho agny Eglona. Nitoby tao voho nialy tamin'ny rozy, 35 sady nambabo gnazy tamin'io andro io avao, Namely gna'io tamin'ny sabatsy rozy sady nandringa tanteraky gny olo manontolo tao , manahaky gny nanaovan'i Josoa gnan'i Lakisy. 36 Sady niainga bakao Eglona Josoa voho reo Israely manontolo ho agny Hebrona. Nialy taminy rozy. 37 Nambabo gnazy rozy sady namely gny olo iaby tao tamin'ny sabatsy, agnisan'io gny mpanjaka voh reo raha-bohitsy magnodidy. Naringan-drozy tanteraky gny raha-miay manontolo tao, tsy nisy nenga nijano, manahaky gny nanaovan'i Josoa gnan'i Eglona.Naringa tanteraky io, voho reo raha-miay iaby tao aminy. 38 La nimpoly Josoa, voho gny tafik'Israely manontolo niaraky taminy, ka nagnagny debira rozy sady nialy taminy. 39 Nambabo gnan'io voho gny mpanjakany ie, sady reo anna-bohitsy nanaiky manontolo. namely an-drozy tamin'ny sabatsy rozy, sady nandringa tanteraky reo raha-miay iaby tao aminy. tsy nisy nengan'i Josoa nijano, manahaky gny nanaovany gnan'i Hebrona voho gny mpanjakany, voho manahaky gny nanaovany gnan'i Libna voho gny mpanjakany. 40 Josoa nandresy gny tany manontolo, gny tany havoana, Negeva, reo tany iva, sady reo fototry havoa. tsy nisy nangany hijano ndra raiky tamin'ireo mpanjakany manontolo. Naringany tanteraky reo raha miay iaby, manahaky gny fa nandidian'i Yaveh, Ndranagnaharin'Israely. 41 Josoa namely an-drozy tamin'ny sabatsy nanomboky tao Kadesy-barnea ka hatragny gaza, voho gny tanana'ny Gosena manontolo ka hatragny Gibeona. 42 Josoa nambabo ndraiky mandeha reo mpanjaka manontolo reo voho gny taniny fotony Yaveh, Ndranagnaharin'Israely. 43 Sady Josoa, voho reo Israely mnontolo niaraky taminy, la nimpoly tagny amin'ny toby tao Gilgala.