Toko faha 8

1 Hoy Yaveh tamin'i Josoa :' Ka matahotsy, ka kivy . Andeso miaraky aminao gny mpialy manontolo. Mandehana miakatsy agny ay. Ingo, fa natolotsy eo am-pela-tagnanao gny mpanjakan'ny Ay, gny fokonolo, gny tanany, voho gny taniny. 2 Hataovo manahaky nanaovanareo gnan'ny Jeriko voho gny mpanjakany , fa ingo halanareo ho gnanareo gny babo voho gny biby fihary. ametrahao mpanafiky mietaky ambaliky gny tana." 3 Ka la nitsanga i josoa sady nangalaky gnan'ireo johary mpialy manontolo hiakatsy ho agny Ay. bakeo Josoa nifily Johary telo aly__johary mahery be herim-po__sady nalefany rozy gny aly. 4 Nibaiko an-drozy ie hoe:' Ingo, hanao fanafiha mietaky gny tana nareo, ao ambalik'io.Ka magnalavitsy gny tana , fa samia mivonona nareo manontolo. 5 Zaho voho reo johary miaraky amiko la hagnariniky gny tana, sady lafa miboaky hanafiky gnantsika rozy, la handositsy an-drozy manahaky taloha tsika. 6 Hagnenjiky bakafarantsika rozy mandran-pitariantsika rozy lavitsy gny tana. Hilaza rozy hoe:' Mandositsy lavitsy gnan-tsika rozy nataon-drozy tamin'ny farany. Ka handositsy hagnalavitsy an-drozy tsika. 7 Bakeo la hiboaky amin'ny toeram-pirenenanareo nareo, sady hambabo gny tana. Hagnome gnan'io egny am-pelan-tagnanareo Yaveh Ndranagnaharinareo. 8 Lafa azonareo gny tana, la ho oroanareo io. Hataonareo io iaby mankato gny lily zay namea tamin'ny safan'i Yaveh . Ingo, fa nandyidy gnanareo aho." 9 Nalefan'i Josoa rozy, ka lasa tagny amin'ny toeram-pietahany rozy, sady nietaky teo agnatrehan'i Betela voho Ay tao andrefan'i ay. Fa natory teo amin'ny fokonolo i Josoa gny haly igny. 10 Nifoha maray i Josoa ka nagnoma reo miaramilany, Josoa voho reo loholon'Israely, ka nanafiky reo fokonolon'i Ay rozy. 11 Niakatsy reo johary mpialy iaby ze niaraky taminy ka namomjy rozy sady nitoby avaratr'i Ay. sady nisy lohasaha raiky ro magnelagnela an-drozy voho ay. 12 Nangalaky teo amin'ny dimy arivo teo ie sady nandefa gnan-drozy taoamin'ilay fietaha andefan'ny tana teo agnelagnelan'ny Betela voho Ay. 13 Nalahatrin-drozy gny miaramila manontolo, gny tafiky bevata nandeha tao avaratsy gny tana, sady gny mpiandry vodi-lala tao andrefan'ny tana. Nandeha tao amin'ny lihasaha i Josoa gny haly igny. 14 Sady laha vao nahita gnan'io gny mpanjakan'i Ay, la nifoha voho gny tafiny sady niboaky mba hanafiky gnan'Israely tagny amin'ny toera tandrify gny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana. tsy hainy fa nisy fandriky nandigny hanafiky bakao ambaliky gny tana tana ie. 15 Namela gny vatan-drozy ho resy teo agnatrehan-drozy i Josoa voho gny Israely manontolo, sady nandositsy tagny amin'ny tany efitsy rozy. 16 Gny oloko ze tao an-tana la nifampikaiky hagnenjoky an-drozy , ka nagnenjiky tafaran'i Josoa rozy ka voaroaky lavitra gny tana Ay voho Betela ze tsy mbo niboaky nagnenjiky gnan'Israely. Nagnenga gny tana rozy sady namela gnan'io hivoha laha nagnenjiky gnan'Israely. 18 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe:' Atondro eo amin'i ay gny lefo ze eo an-tagnanao, fa hatolotsy eo am-pelan-tagnanao i Ay. " Notanjahan'i Josoa nagnandrify gny tana lay lefo ze tegny an-tanany. 19 Reo miaramila nietaky tao amin'ny fandriky la nirohatsy malaky niboaky gny toerany laha naninjitsy gny tagnany ie. Nihazakazaky rozy sady nilitsy tao an-tana sady nangalaky gnan'io. Noroan-drozy malaky gny tana. 20 nitoliky reo olon'i Ay sady nijery. Nahita setroky bakao an-tana rozy ze niakatry nagnagny amin'ny lagnitsy, sady tsy afaky nandositsy rozy na tetsy na teroa. Fa reo miaramilan'Israely ze nandositsy tagny an-tany efitsy la nampoly hiatriky reo olo zay nagnenjiky an-drozy . 21 Lafa hitan'i Josoa voho Israely manontolo fa fa azon'ilay tafiky mietaky gny tana niaraky tamin'ny setroky miakatsy, la nimpoly teo rozy sady namono gny olon'i Ay. 22 Reo miaramilan'Israely hafa, reo ze niboaky gny tana , la niboaky hanafiky an-drozy. Ka tsatsy tao agnelagnelan'ny tafik'Israely reo olon'i ay, gny sasany bakao andaniny voho gny sasany bakao ankilany. Notafihin'Israely gny olon'i Ay; tsy nisy ndra la raiky tamin-drozy velo na nandositsy. 23 Nalan-drozy gny mpanjakan'i Ay, ze nosamborin-drozy velo, sady nandesin-drozy teo amin'i Josoa ie. 24 Lafa tapitsy namono reo mponin'ny Ay manontolo tagny an-tsaha agnilan'ny tany efitsy ze nagnihagnan-drozy gnazy Israely , sady lafa lavo tamin'ny lelan-tsabatsy rozy manontolo, hatramin'ny farany mare, la nimpoly tagny Ay tamin'ny lelan-tsabatsy io. 25 Reo iaby ze maty tamin'io andro io, johary voho ampela mitambatsy , la ray aly voho ra rivo, ze fokonolo iaby tao ay. 26 Tsy nampihemotsy gny tagnany ze nahinjiny iaby nitanjaky lay lefony i Josoa, mandra-pandringanany tanteraky gny fokonolo iaby tao Ay. 27 Gny biby fiompy voho gny raha babo tao an-tana avao ro nalan'Israely ho gnan-drozy, araky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Josoa. 28 Noroan'i Josoa i ay sady navaliny ho antontan-trano rava mandrakizay io. Lasa toera haolo io hatram'izao. 29 Nahantony teo amin'ny hazo gny mpanjakan'i Ay mandram-pahariva. Lafa nilentiky gny masoandro, la nagnome gny lily i Josoa ka nalain-drozy hizotso amin'ny hazo gny fatin'ny mpanjaka sady natsipin-drozy teo agnatrehan'ny vavahalin'ny tana. Teo ro nananganan-drozy antontam-bato bevata teo agnabon'io. Mbo mitoetra eo io antontan-bato io hatramin'izao . 30 bakeo Josoa nagnamboatsy alitara ho gnan'i Yaveh, Lay Ndranagnaharin'Israely, tao an-tendrombohits'i Ebala, 31 araky gny nandidina'i Mosesy mpanompon'i Yaveh gny fokonolon'Israely, araky gny fa voasoratsy tao amin'ny bokin'ny lalan'i Mosesy hoe:'Alitara raiky ho gnan'i Vato voavoatsy, zay tsy nisy na ia ia mampiasa fitaova vy tamin'io. Nanolotsy soro oroa ho gnan'i uyaveh teo agnabony alitara ie, sady nanao sorom-pihavagna rozy. 32 Teo, agnatrehan'ny fokonolon'Israely , la nanoratsy gny dika mitovy tamin'ny lalan'i Mosesy teo amin'ny vato ie. 33 Reo Israely manontolo, reo loholo, reo manam-pahefa, voho reo mpitsaran-drozy la nijoro teo amin'ny lafin'ilay fiara roe teo agnatrehan'ireo mpisoro voho Levita zay nanday gny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh_ gny vahiny manahaky gny tompon-tany__ la nijoro teo agnatren'ny tendrombohitr'i Gerzima gny antsasan-drozy sady nijoro teo agnatrehan'i tendombohitr'i Ebala gny antsasany raiky hafa. Nitso-drano gny fokonolon'Israely rozy, araky gny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh an-drozy tamin'ny fokonolony. 34 Tafaran'io, la novakin'i Josoa reo tenin'ny lalagna manontolo, reo fitahia voho ozo ,araky zay fa voasoratrin-droazy ao amin'ny bokin'ny lalagna. 35 Tsy nisy ndra la teny raiky aza tsy novakin'i josoa tamin'ireo nandidian'i Mosesy teo agnatrehan'ny fivondrognan'Israely, agnisan'io reo ampela,reo zazakely, voho reo vahiny ze nipetraky teo amin-drozy.