Toko faha 7

1 Fa gny fokonolon'Israely tsy nahatoky nagnatriky reo raha natoka ho amin'ny fandrava. Hangala anaky lahin'i Karmy voho zafin'i Zabdia sady zafiafin'i zera, bakamin'ny fokon'i Joda la nagala raha tao amin'izay natoka ho amin'ny fandrava , ka nirehitsy tamin'ny fokonolon'Israely gny hatezeran-Dranagnahary. 2 Josoa la nandefa johary bakao Jeriko nagnagny Ay, ze agnilan'i Bety avena, antignanan'i Betela. Hoy ie tamin-drozy hoe:' Miakara ka tsikilovy gny tana." Ka niakatsy reo johary sady nitsikilo tao Ay. 3 Lafa nimpoly teo amin'i Josoa rozy la hoy rozy taminy hoe:' Ka alefa miakatsy agny Ay gny fokonolo Iaby. Johary roe arivo na telo arivo avao halefa hanafiky gnan'i ay. ka manasatsa gny fokonolo iaby agny amin'ny aly, fotony tsy ampy agn'isa rozy." 4 Ka teo ho eo amin'ny johary telo arivo ro niakatsy bakamin'ireo tafiky, fa nitsoaky gny joharin'i ay rozy. 5 Reo joharin'i Ay la hanafiky teo amin'ny telopolo enignamby lahy teo lafa nagnenjiky rozy hatreo amin'ny vavahadin'ny tana hatregny amin'ny toera famoteha vato, sady novonoan-drozy tegny am-pizotsoa gny havoa reo. Natahotsy gny fon'ireo fokonolo ka niala tamin-drozy gny herim-pony. 6 Bakeo la nodriatin'i Josoa gny akanjony. Ie voho reo loholon'Israey la nagnisy vovoky gny lohan-drozy sady nampiankohoky gny vatan-drozy teo amin'ny tany teo agnatrehan'ny fiaran'i Yaveh, nijano teo mandra-pahariva. 7 La nivola Josoa hoe:' Oh, ry Yaveh Tompo, nagnino ro nandesinao nita gnan'i Jordana reo fokonolo reo? Mba hanolotsy gnanay eo an-tagnan'ireo Amorita mba haharinga gnanay va? Laha mba nan fanapahan-kevitsy sambihafa lahy rahay la nijano tegny am-pitan'i Jordana! 8 Tompo oh! ino ro azoko lazay , fa niamboho teo agnatrehan'ny fahavalon-drozy Israely? 9 Fotony reo Kananita voho reo olon'ny tany iaby la handre gny momba gnan'io. hagnodidy gnanay rozy sady hampagnaligno gnyagnaranay amin'ny olon'ny tany. Ka ino ro hataonao ho gnan'ny agnaranao bevata? 10 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe:' Mitsangana! Nagnino iha ro magnohoky gny vatanao eo? 11 Nanota Israely. nandika gny fagnenko ze nandidiako gnan-drozy. Fa nangalatsy gny sasany tamin'ireo raha zay voatoka rozy. Fa nangalatsy rozy sady bakeo la nagnetaky gny otany tamin'ny fametraha gnan'ireo ze fa nalan-drozy ho isan'ny fanagnany manoka. 12 Vokatr'io, tsy afaky nitsanga teo agnatrehan'ireo fahavalon-drozy gny fokonolon'Israely. Niamboho gny fahavalony rozy fotony fa natoka ho amin'ny fahapoteha gny vatan-drozy. tsy hiaraky aminareo sasy aho laha tsy mamotiky gny raha zay tokony nopotehy nareo ,kanefa mbo eo aminareo. 13 Mitsangana!Hamasigno Amiko gny olo sady lazao rozy hoe:" hamasigno gnan'ny hamaray gny vatanareo. fotony Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely nanao hoe:' Misy reo raha ze natoka ho potehy mbo eo aminareo, ry Israely. Tsy afaky mitsanga hanohitsy reo fahavalonareo nareo laha tsy magalaky eo aminareo reo iaby ze natoka ho potehy." 14 Amin'ny maray , la tsy maintsy manolotsy gny vatanareo amin'ny fokonareo nareo. Gny foko ze nifilin'i Yaveh la hagnariniky gny fianakaviam-ben-drozy, Gny avorohotam-be zay nifilin'i Yaveh la tsy maintsy magnariniky gny isan-tokantrano. Gny tokantragno ze nifilin'i Yaveh la tsy maintsy mifakariniky kirakiraiky. 15 sady lay raiky ze nifily voho mana reo raha ze natoka ho amin'ny fahapoteha, la horoa, ie voho zay fanagnany iaby, fotony nandika gny fagnenken'i yaveh ie sady fotony nanao raha manala-baraka tao Israely." 16 Nohon'io , nifoha maray Josoa sady nanday gnan'Israely nagnariniky , isam-poko, sady voafily gny fokon'i Joda. 17 Nandesin'i Josoa nagnariniky reo fokon'i Joda, sady voafily gny fokon'i Zeraita. Nandesiny nagnariniky isan'olo gny fokon'i Zeraita, voho voafily i Zabdia. 18 Nandesiny nagnariniky gny avorohotan'i zabdia, nandeha kirakiraiky isan'olo, sady akana anaky lahin'i Karmy, zafin'i Zabdia, Zafikelin'i Zera, bakamin'ny fokon'i Joda, ro voafily. 19 Sady hoy Josoa tamin'i Akana hoe;' Ry zanako lahy, lazao eo agnatrehan'i Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely gny to, sady omeo Gnazy gny fiain-kelokao. Mba lazao ahy lahy ze nataonao. Ka aetaky amiko io." 20 Namaly gnan'i Josoa i akana hoe:' Marina tokoa, fa nanota tamin'i Yaveh aho, Zao ro nataoko; 21 " Lafa nahita akanjo lava soa tarehy teo amin'ireo raha babo bakao Babylona, voho volafoty roanjato sekely, sady anjam-bolamena milanja dimampolo sekely aho, la nagniry gnan'ireo ka nangalaky gnan'ireo. ao agnivon'ny Laiko ao agnaty tany rozy ro najariko, sady ao ambanin'io lay volafoty." 22 Nandefa iraky i josoa, zay nilay nagnagny amin'ny lay sady tao reo raha reo. Lafa nijery rozy, la nahita zay najary tao amin'ny lainy manoka, sady gny volafoty teo ambanin'io. 23 Nalan-drozy teo agnivon'ny lay reo raha reo sady nandesin-drozy tagny amin'i Josoa voho reo fokonolon'Israey manontolo. Nararan-drozy teo agnatrehan'i Yaveh io. 24 Bakeo Josoa, voho gny israely manontolo niaraky taminy, nangalaky gnan'i akana anaky lahin'i nzera, voho volafoty , gny akanjo lava, gny anjam-bolamena, reo gnanaky lahiny voho gnanaky ampelany, reo aombiny, reo ampondrany, reo aondriny, gny lainy, sadi zay iaby nanagnany, ka nandesy niakatsy tagny amin'ny vohits'i akora rozy. 25 La hoy i josoa hoe:' Nagnino nampidi-doza gnanay iha? Hamidi-doza gnanao i yaveh henany io.' Nitora-bato gnazy gny Israely manontolo. Sady notorahan-drozy vato gny sisa sady nagnoro gnan-drozy tamin'ny bolo. 26 Nananga antontam-bato bevata teo agnabony rozy ze mbo eo mandrak'androany. Nijano tamin'ny fahatezerany mirehitsy Yaveh . nohon'io ro nikaiha gny agnaran'io toera io hoe Vohitsin'i Akona mandrak'izao ankehitriny zao.