Toko faha 30

1 Gny safa ze niavy tamin'i Jeremia bakamin'i Yaveh la manao hoe:" 2 Zao ro nivolagnin'i Yaveh,Andrianagnaharin'i Israely:"Sorato agnaty taratasy ho gnanao gny safa iaby ze nambarako tagnaminao tamin'ny taratasy igny. 3 Fa ingo,ho avy gn'andro,zay ro fagnambaran'i Yaveh,zay hagnampoliako gna hanagnan'ny gn'oloko,la Israely voho Joda.Zaho,Yaveh ro nivola gnan'izay.Fa handesiko mimpoly agny amin'ny tany ze nameako gny razany rozy,ka ho fanagnan-drozy zay. 4 Zao ro safa ze nambaran'i Yaveh mikasiky gnan'i Ysraely voho Joda: 5 "Fa zao ro nivolagnin'i Yaveh:"Nahanja feo mangitikitiky voho gny tahotsy rahay fa tsy fiadagna. 6 Magnotania ka henteo laha misy johary mivesatsy.Nagnino Zaho ro mahita gny johary iaby mametraky gny tagnany ambalahany eo manahaky gn'ampela vesatsy?Nagnino ro mahafoty hatsatsy gny tarehin-drozy? 7 Loza!Fa ho bevata zay andro zay,ka tsy misy manahaky gnazy.Ho fotoan'ny gny tebitebin'i Jakoba zay,fe ho avotsy amin'izay ie. 8 Fa amin'izay andro zay,zao ro fagnambaran'i Yaveh tompon'ny gny lako,ro hanapahako gn'enta-mavesatsy hiala amin'ny vozonareo,voho hanorotoro gny rojo vy nareo,ka tsy hagnadevo gnanareo sasy gny vahiny. 9 Fa hivavaky amin'i Yaveh Andrianagnahariny rozy ka hanompo gnan'i Davida mpanjakany,ze hataoko mpanjaka amin-drozy. 10 Ka iha,ry Jakoba mpanompoko,ka matahotsy,zay ro fagnambaran'i Yaveh,voho ka matahotsy,ry Israely.Fa ingo,fa handay gnanao himpoly baky lavitsy agny Zaho,voho gny havorohotanao bakamin'ny tany fahababoa.Himpoly i Jakoba voho hiada ie,voho tsy hisy horohoro sasy. 11 Fa misondry agnaminao Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh,mba hamonjy gnanao.La ho tamperiko tanteraky gny amin'ireo tana iaby ze nampielezako gnanao.Fa tsy hanapitsy gnanao tokoa Zaho,ndra la magnafay gnanao amin'ny rariny aza Zaho ka tsy hagnenga gnanao ho afa-maiky." 12 Fa zao ro nivolagnin'i Yaveh:"Tsy azo sitragny gny ferinao;voaloto gny ferinao. 13 Tsy misy hisolo vava gnanao ;tsy misy fagnafody ho gnan'ny gny ferinao mba hagnasitragna gnanao. 14 Nagnaligno gnanao reo olo teanao iaby.Tsy hila gnanao rozy,fa nandratsy gnanao tamin'ny ferin'ny fahavalo voho tamin'ny famaizan'ny tompo lozabe Zaho nohon'ny amin'ireo hadisoanao voho reo fahotanao tsy voaisaky. 15 Nagnino iha ro maiky vonjy nohon'ny gny ferinao?Tsy mety janga gny fahararinao.Nohon'ny gny amin'ireo hadisoanao,gny fahotanao tsy voaisaky,la nataoko tagnaminao regny raha regny. 16 Ka ze mamotiky gnanao iaby la ho potehy koa,voho ze mpifanohitsy agnaminao iaby la ho lasa babo.Fa reo ze mamabo gnanao la ho babaoa voho horobahiko ze mandroba gnanao. 17 Fa handay fagnasitragna gnanao Zaho;hagnasitra gnanao amin'ny ferinao Zaho,zay ro fagnambaran'ny Yaveh,hataoko zay fotony rozy la nikaiky gnanao hoe;Ry voaroaky.Tsy mba misy midary gnan'itoy Ziona toy." 18 Zao ro volagnin'i Yaveh:"Ingo,hampimpoly gny hanagnan'ny lain'i Jakoba Zaho voho hiferignay gny tragnony.La hisy tana hiory amin'ny firava midy,voho himpoly amin'ny toera nisy azy ndraiky gny fiarova mafy. 19 La hisy antsa fandrengea voho feo fifalia hiboky bakamin-drozy,fa hampitombo gnan-drozy Zaho fa tsy hampihena;hameako voninahitsy rozy mba tsy hampiambany. 20 La hanahaky gny taloha teo gn'olon-drozy,voho gny fiangonan-drozy la haory agnatrehako lafa magnasazy reo ze mampahory an-drozy iaby amin'izao Zaho. 21 Hiboaky bakamin-drozy ao gny mpitariky gnan-drozy.Baka agnivondrozy ao ro hipoirany lafa ampanarinihako voho lafa mamonjy Gnahy ie.Laha tsy manao gnan'izay Zaho,la ia ro hahasaky hagnarikitsy Gnahy?Zay ro fagnambaran'i Yaveh. 22 La ho oloko nareo,voho Zaho ho Andrianagnarinareo. Ingo,gny talion'i Yaveh,gny fahatezerany,fa niboaky.Talio mitohy zay.Hiodikodiky an-dohan'ny gn'olo raty fagnahy zay. 24 Tsy himpoly gny fhatezeran'i Yaveh zisikyhahavitany voho hagnatanterahany gny sitrampony.Amin'ny gn'andro farany,la ho hainao zay."