1 Tamin'izay fotoa zay,zao ro fagnambaran'i Yaveh,ho Andrianagnaharin'ny hasaveregnamben'i Israely iaby Zaho,ka ho vahoakiko rozy." 2 Zao ro volan'i Yaveh:"Gn'olo ze tsy matin'ny gny meso la nahita sitraky tagny an-diomonto;hiboaky Zaho mba hanome fitofa ho gnan'i Israely.: 3 Niseho tagnamiko Yaveh taloha tagny ka nivola hoe:"Nitea gnanao Zaho,ry Israely,tamin'ny hatea maharitsy zisiky farany.Ka naninto gnanao hamonjy Gnahy tamin'ny fagnekea mahatoky Zaho. 4 Hananga gnanao ndraiky Zaho ka hitdanga iha,ry Israely virijiny.Handramby gny ampongatapakinareo nareo voho hiboaky amin'ny tsinjaky fisinisinia. 5 Hamboly tanim-boaloboky amin'ny vohitsin'i Samaria ndraiky nareo:reo mpamboly la hamboly ka hametraky gny vokatsy amin'ny tokony hampiasa gnazy. 6 Fa ho avy gn'andro hagnambaran'ireo mpiamby amin'ireo vohitsin'i Efraima hoe:"Mintsangana,ndao tsika hiakatsy agny Ziona agny amin'i Yaveh Andrianagnaharitsika. 7 Fa zao ro volan'i Yaveh:"Mikoiha am-pifalea ho gnan'i Jakoba!Mikoiha am-pisinisinia ho gnan'ireo lehiben'ny gny vahoakin'ireo firene!Aoky he ja gny fandrengea.Volagno hoe:"Fa nandomba gny vahoakiny Yaveh,gny sisa tavela tamin'ny Israely." 8 Ingo,fa handay gnan-drozy bakamin'ny tany avaratsy Zaho.Hamory gnan-drozy bakamin'ny faritsy lavitsy mare gny tany Zaho.Ho agnisan-drozy gny jiky voho gny malemy;Hisondry amin-drozy gnampela vesatsy vohoze fa ho teraky.Hisy fiangona bevata himpoly eto. 9 Ho avy am-pintagnia rozy;hitariky gnan-drozy magnaraky ze fangatahany Zaho.Hampandehaniko agny amin'ny rano mandeha agny amin'ny lala mahity rozy.Tsy ho totohatsy amin'izay rozy,fa ho baban'i Israely Zaho,ka ho talagnoloko i Efraima." 10 Janjigno gny safan'i Yaveh,ry firene.Tatero manera gny faritany lavitsy agny.Nareo tana la tsy maintsy hivola hoe:"Gny nagnamparitaky gnan'i Israely la namory gnazy ka miamby gnazy manahaky gny mpiarak'andro miaraky gn'aondriny." 11 Fa nandoa gny vilim-pagnavotan'i Jakoba Yaveh ka nagnavotsy gnazy tan-tagnan'ny ze fatratsy mare ho gnazy 12 La hoavy rozy ka hifaly an-tendron'i Ziona.Hamiratsy nohon'ny gny hasoan'i Yaveh gny tarehin-drozy,amin'ny tsifa voho divay vao,amin'ny soliky voho anak'aondry voho anak'aosy voho gn'aomby.Fa ho lasa manahaky gny zariday voasondraky gny fiaignan-drozy,voho tsy hahatiaro malahelo sasy rozy. 13 La hifaly amin'ny tsinjaky reo virijiny,la hisondry gny mpamaraky voho gn'antitsy.Fa hataoko fandrengea gny fiojean-drozy.Hahaferignay gnan-drozy Zaho ka hampifaly gnan-drozy fa tsy hampeloky. 14 La hanototsy lako vatany gny fiainan'ny gny mpisoro Zaho.Hagnatsiky gny vatan-drozy amin'ny hasoako gny vahoakiko,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 15 Zao ro volan'i Yaveh:"Nisy feo ja tagny Rama,fidradradradra voho fitagnia mare.Rahely nitagny gn'anany.Tsy nimety nampitsigny nohony amin'ny gn'anany ie,fotony maty iaby rozy." 16 Zao ro volan'i Yaveh:"Egneno amin'ny gny tagny gny feonao voho amin'ny ranomaso gny masonao;fotony misy valiny gny fijalianao,zay ro fagnambaran'i Yaveh,himpoly baka amin'ny tanin'ny fahavalo gn'anakao. 17 Misy fanatena gny amin'ny hoavinao,zay ro fagnambaran'i Yaveh,himpoly amin'ny faritanin-drozy ao gny havorohotanao." 18 Fa jako nalahelo tokoa i Efraima hoe:"Nagnasazy gnahy Iha,ka fa nisazinao manahaky gn'anak'aomby tsy nizary zaho.Andeso mimpoly zaho la ho tafampoly,fa Iha ro Yaveh Andrianagnahariko. 19 Fa tafaran'ny gny nimpoliako tagnaminao,la nagneny zaho;tafaran'ny nagnazara gnahy,la namangogny fotrognako zaho.Afa-baraka voho megnatsy zaho,fa niteraky gny helokin'ny fahatanorako. 20 Moa tsy solikin'ny gn'aiko va i Efraima?Moa tsy malalako va ie,anaky teako?Fa ndra ombia ombia hiresahako gnazy,la mbo hahatiaro am-katea gnazy tokoa Zaho.Zay ro alahelovan'ny gny foko gnazy.Hahaferignay gnazy tokoa Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 21 Mametraha famantaran-dala ho gnanareo.Mametraha takela-by tari-dala ho gnan'ny vatanareo.Vetsevetseo gny lala-to,la gny lala ze tokony handehananao.Mimpolia,ry Israely Virijiny!Mimpolia agny amin'ny tananao. 22 Zisiky ombia ro hihozongozo iha,ry anak'ampela tsy manam-pinoa?Fa namoro raha vaovao ho gnan'ny tany Yaveh,la ampela magnodidy johary fatratsy. 23 Yaveh Tompon'ny gny maro,lay Andrianagnaharin'i Israely,la mivola hoe:"Lafa manday gny vahoaky mimpoly amin'ny tanin-drozy Zaho,la hivola gnan'izay amin'ny tanin'ny Joda voho reo tana bevatany rozy hoe:"Hitahy gnanao lahy Yaveh,iha ry toera to ze ifitarany,iha ry vohitsy masy." 24 Fa hisondry hifitaky agny i Joda voho reo tanany iaby,manahaky reo mpamboly voho reo mpiarak'andro miaraky amin'ireo aondry voho aosy. 25 Fa hagnome rano hinomin'ireo olo vozaky Zaho,voho hampino reo ze matin'ny haran-drano Zaho." 26 Tafaran'izay la nifoha Zaho,ka nahatsapa fa namelombelo gny roroko. 27 "Ingo,avy gn'andro,zay ro fagnambaran'i Yaveh,zay hamafazako reo hasaveregnan'Israely voho Joda mbamin'ireo havorohotan'ny gn'olombelo voho bibidia. 28 Taloha tagny,la narahako maso rozy mba hanombota gnan-drozy voho hanimba gnan-drozy,mba handrava,hamoteha,voho hagnasia raty gnan-drozy.Fa amin'ny gn'andro hoavy,la hiamby gnan-drozy Zaho,mba hananga gnan-drozy voho hamboly gnan-drozy,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 29 Amin'ireo andro reo la tsy hisy sasy ndra ia ndra ia hivola hoe:"Nihina voaloboky madiro gny babany voho reniny,ka gny hin'ny gn'aja ro nanditsy. 30 Fa gn'olo kiraikiraiky la ho matin'ny gny helony avao;gn'olo aiby ze mihina voaloboky madiro,la hangitsy gny hiny. 31 Ingo,avy gn'andro,zay ro fagnambaran'i Yaveh,zay hanorenako fanekea vaovao amin'ny hasaveregnan'i Israely voho gny hasaveregnan'i Joda. 32 Tsy hanahaky gny fagnekea ze naoriko tamin'ireo baban-drozy tamin'ny gn'andro ze nitanjahako gnan-drozy mba hagnaboaha gnan-drozy tagny Egypta.Reo ro andro ze nandravan-drozy gny fegnekeko,ndra la valy tamin-drozy aza Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh 33 Fa zao ro fagnekea ze haoriko miaraky amin'ny hasaveregnan'ny Israely afaran'ireo andro reo,zay ro fagnambaran'i Yaveh:Hametraky gny lalagnako agnatin-drozy ao Zaho voho hanoratsy gnan'izay am-pon-drozy ao,fa ho Andrianagnahariny Zaho,voho ho vahoakiko Rozy. 34 La tsy hagnanatsy gny mpiara-mony agnaminy sasy gny johary kiraikiraiky,na hagnanatsy gny rahalahiny gny johary raiky ka hivola hoe:"Haizo Yaveh!Fa rozy iaby,mamototsy amin'ny kelikely mare amin-drozy ka zisiky gny bevata mare,la hahafantatsy Gnahy,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa hamela gny helokin-drozy Zaho voho tsy hahatiaro gny fahotan-drozy sasy." 35 Zao ro volan'i Yaveh,Yaveh,ro Azy mampamiratsy gny masoandro amin'ny gn'andro voho mandamy gny vola voho gny kinta hamiratsy amin'ny haliky.Ie Azy mampihetsiky gny riaky mba hierotsy gny ampobony.Yaveh Tompon'ny maro ro agnarany.Zao ro volagniny: 36 'Laha mba manjavo amasoko eto reo raha maharitsy reo,zay ro fagnambaran'i Yaveh,la hitofa zisiky farany tsy ho tana agnatrehako gny havorohotan'Israely." 37 Zao ro volan'i Yaveh:"Laha mba azo refesy gny lagnitsy abo mare,voho laha mba hita gny fidomoran'ny gny tany,la hagnary gny havorohotan'ny Israely iaby noho zay raha iaby nataony Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 38 "Ingo,Ho avy gn'andro,zay ro fagnambaran'i Yaveh,zay hagnamboara ndraiky gny tana ho gnahy,mamototsy amin'ny tilikambon'i Hananela ka zisiky amin'ny vavahady an-jorony egny. 39 La hiboaky baky lavitsy agny ndraiky gny tsipiky fandrefesa,zisiky amin'ny tany abon'i Gareba voho magnodidy gnan'i Goa. 40 Gny vavasahan'ireo faty voho lavenoky iaby,voho gny faritsy gny saha iaby miboaky magnagny amin'ny vavasahan'i Kidrona ka zisiky lavitsy agny amin'ireo zoron'ny vavahadin-tsoavaly antignana agny,la hatoka ho gnan'i Yaveh.Tsy hambota gny tana na ho rava ndraiky,zisiky farany."