1 Niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh tamin'ny gny tao fahafolo nanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda,gny faha valo ambin'ny folo tao nanjakan'i Nebokadnezara. 2 Tamin'izay fotoa zay,la nanao arosaro gnan'i Jerosalema gny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona,ka Jeremia mpaminany la nigadra tamin'ny kianjakan'ny fiembena tan-tragnon'ny mpanjakan'i Joda. 3 Nigadran'i Zedekia mpanjakan'i Joda ie ka nivola hoe:"Nagnino iha ro maminany voho mivola hoe:"Yaveh nivola hoe:Ingo,handeha hameako ho an-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona toy tana toy,ka ho baboany. 4 Tsy handositsy gny tagnan'ireo Kaldeana i Zedekia mpanjakan'i Joda,voho azo antoky fa hamea ho an-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona ie.Gny tsihoviny la hivola amin'ny gny tsihovin'ny mpanjaka,gny masony hahita gny mason'ny mpanjaka. 5 Hangalaky gnan'i Zedekia ho agny Babylona ie,ka hinjano agny ie zisiky hifagnarahako agnaminy.Zay ro fagnambaran'i Yaveh.Ndra hialy hanohitsy reo Kaldeana aza nareo,la tsy handresy nareo." 6 Hoy Jeremia:"Niavy tagnamiko gny safan'i Yaveh,mivola hoe:" 7 Ingo,Hanamela anakilahin'i Saloma rahalahin'ny babanao mamonjy gnanao ka mivola hoe:"Kalo ho gnan'ny gny vatanao gny baimboko agny Anatota,fa manan-jo hikalo gnazy iha." 8 ka gny nambaran'i Yaveh,Hanamela,anakilahin'i rahalahin'ny babako,namonjy gnahy tamin'ny kianjan'ny fiembena,magnaraky gny nivolagniny tamiko hoe:"Kalo gny baimboko ze agny Anatota ao amin'ny tanin'i Bejamina ao,fa manan-jo handova gnazy iha.Kalo ho gnan'ny vatanao zay.La haizo fa safan'i Yaveh zay. 9 Ka niviko gny baimbo tao Anatota bakamin'i Hanamela.anakilahin'ny rahalahin'ny babako,holanjako ho gnazy gny volafoty,fito ambin'ny folo sekely ro lanjany. 10 La nanoratsy taratasy voho nagnisy tombo-kase gnan'izay zaho,voho nana vavolombelo nitsanga ho vavolombelo gny amin'izay zaho.Ka nandanja gny valafoty amin'ny fandanja zaho. 11 La nangalaky gny raharaham-barotsy voatombo-kase zaho,magnaraky gny lily voho gny lalagna,mbamin'ny gny raha tsy voatombo-kase. 12 Nagnome gny taratasy voatombo-kase gnan'i Baroka anakilahin'i Neria anakilahin'i Mahaseia teo agnatrehan'i Hanamela zaho,anakilahin'ny rahalahin'ny babako,voho reo vavolombelo ze nanoratsy gny taratasy votombo-kase,voho tagnatrehan'ny reo jiosy ze nifitaky tan-kianjakan'ny fiembena. 13 Ka nandidy gnan'i Baroka tagnatrehan-drozy zaho.Hoy zaho:" 14 Yaveh Tompon'ny gny maro,Adrianagnaharin'Israely ro mivola gnan'izao:"Alao reo taratasy reo,,gny taratasin'ny gny varotsy ze voatombo-kase amin'ny raharaha-barotsy,ka apetraho agnaty sihoa tanimanga zay mba haharitsy ela. 15 Fa Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely,mivola hoe:Gny tragno,gny baibo,gny tani-mboalokoboky la mbo hovily ndraiky amin'ny toy tany toy." 16 Tafaran'ny nagnomezako gnan'i Baroka anakilahin'i Neria gny taratasin'ny gny varotsy,la nivavaky tamin'i Yaveh zaho ka nivola hoe:" 17 Loza,ry Tompo Yaveh!Ingo!Iha raiky ro nanao gny lagnitsy bevata voho gny tany tamin'ny alalan'ny gny herinao bevata voho gny sandrinao nisandratsy.Tsy misy raha ze nivolagninao ka sarotsy tagnaminao koa gny nagnatanteraky gnazy. 18 Nampiseho fagnekea matoky tan-gnarivony Iha ka namaly gny fahadisoan'ny gn'olo taminn'ny gn'anany tafaran-drozy.Iha ro Andrianagnahary bevata voho fatratsy,Yaveh Tompon'ny gny maro ro agnaranao. 19 Bevata amin'ny fahendrea Iha voho fatratsy amin'ny gn'asa.Fa misokatsy amin'ny lalan'ny gn'olo iaby gny fijerinao,mba hagnome gn'olo kiraikiraiky ze soa gny fagnandesany gny vatany voho gn'asany. 20 Nanao famantara voho fahagaga lako tamin'ny gny tanin'i Egypta Iha.Amy zao fotoa zao ao gn'Israely voho gn'olombelo iaby la nampivola gn'agnaranao Iha. 21 Fa nanday gn'Israely vahoakinao hiboaky gny tany Egypta Iha misondry agnamin'ny gny famantara voho gny fahagaga,voho gny tagna-fatratsy,voho sandry mitsanga,voho misondry amin'ny fampitahora bevata. 22 la nameanao gnan-drozy toy tany toy.Ze nifantanao tamin'ny gny razambeny fa hameanao gnan-drozy,la tany voka-dronono voho tantely. 23 La nilitsy rozy ka nangalaky gnazy ho fanagna.Fa tsy ninjanjy gny feonao rozy na nivelo tagnatin'ny fagnaraha gny lalagnanao.Tsy nanao ndra ino ndra ino amin'ny nandidianao gnan-drozy hatao rozy,noho zay la nanday loza tagnamin-drozy Iha. 24 Ingo!Gny lemboky la tafiakatsy tan-tana tegny hisambotsy gna'izay.Fa nohon'ny meso,mosary,voho gny arety mandrava,voho natolotsy ho an-tagnana'ny Kaldeana ze mialy agnaminy gny tana.Fa ze nivolagninao hiseho la niseho vatany,ka ingo,magnetea iha. 25 Ka la hoy iha tagnamiko:"Mikaloa baibo ho gnan'ny vatanao amin'ny volafoty voho managna vavolombelo hijoro vavolombelo agnamin'izay,ndra la handeha hamea ho an-tagnan'ireo Kaldeana aza toy tana toy. 26 Niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh,manao hoe:" 27 Ingo,zaho ro Yaveh,Andrianagnaharin'ny gn'olombelo iaby.Misy raha sarotsy tsy haiko asa va? 28 Ka zao ro volagnin'i Yaveh hoe:"Ingo,handeha hagnome gnan'itoy tana toy ho an-yagnan'ny gny Kaldeana voho Nebokadnezara,mpanjakan'i Babylona Zaho.Hamambo gnazy ie. 29 Gny Kaldeana ze mialy amin'ny toy tana toy la ho avy ka handrehitsy bolo amin'ny toy tana toy voho hagnoro gnazy.Voho gny tragno amin'ny gny tafo ze hivavahan'ireo vahoaky tamin'i Bala voho nagnilignany fagnatitsy hinomy ho gnan'ny gn'andragnahary hafa mba handrangita Gnahy. 30 Fa gny vahoakin'Israely voho Joba la vahoaky ze nanao gny raty mare ta-masoko vatany namototsy tamin'ny fahampamarakiny.Fa nampeloky Gnahy tamin'ny alalan'ny fagnanovany gny tanany tokoa gny vahoakin'Israely,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 31 Nambaran'i Yaveh fa toy tana toy namototsy tamin'ny gn'andro nagnorenan-drozy gnazy la fandrangita gny fahatezerany voho gny fahasiahany.La zay avao ie zisiky amy zao.Noho zay la halako tsy ho eo angatrehan'ny gny tarehiko zay 32 nohon'ny gny haratian'ny vahoakin'Israely voho Joda,gny raha nataon-drozy handrangita Gnahy,rozy,gny mpanjakany,gny andriany,gny mpisorony,gny mpaminaniny,voho gn'olo iaby ao Joda voho gny mpifitaky ao Jerosalema. 33 Magnome lambosy Gnahy rozy fa tsy mba gny tarehiny,ndra la nagnanatsy gnan-drozy tamin'ny sitram-po aza Zaho.Niezaky nagnanatsy gnan-drozy Zaho,fa tsy nisy ndra raiky tagnamin-drozy aza ninjanjy mba handramby fagnanara. 34 Nametraky gny sampy mahasosotsy tan-tragnoko ze nikaihy tamin'ny gnanarako tao rozy,mba hagnoro gnan'izay. 35 Nagnory toera abo ho gnan'i Bala tamin'ny vavasahan'i Bena Hinoma rozy mba hagnoroa gny anakilahiny voho gn'anak'ampelany ho gnan'i Molesa.Tsy nandidy gnan-drozy Zaho.Tsy tagnatin'ny vetsivetsiko mihintsy hoe hanao zay raha mampangaroharo zay rozy ka nampanota gnan'i Joda. 36 Koa ankehitriny,Zaho,Yaveh,Andriamanit' Israely,ro mivola zao mahakasiky toy tanà toy,tanà zay safagninareo hoe:Namea ho eo an-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona zay tanà zay amigny alalan'ny sabatra,mosary voho aretin-mandringa. 37 Ingo,hamory gnan-drozy agny amin'ny tany iaby ze nandroasako gnan-drozy tagnatin'ny fihelofako,fahasiahako,voho gny fihelofako bevata Zaho.Handeha hampimpoly gnan-drozy amy zay toera zay Zaho voho hahafahan-drozy miaina am-pilamina. 38 La ho oloko rozy,voho Zaho ho Andriagnahariny. 39 Hagnome fo raiky voho lalagna raiky mba hagnomezam-boninahitsy Gnahy isan'andro ho gnan-drozy Zaho ka ho soa ho gnan-drozy voho gny havorohotany afara agny zay. 40 La hanao fagnekea zisiky farany misondry amin-drozy Zaho,ze tsy hagnengako gny fagnanovako soa gnan-drozy.Hametraky gny voninahitsy ze Gnahy am-pon-drozy Zaho,mba tsy hivadiky Agnamiko zisiky farany rozy 41 La hifaly amin'ny fagnasoavako gnan-drozy Zaho.Hampimpetraky gnan-drozy amin'ny toy tana toy am-pahatokia Zaho amin'ny foko iaby voho gn'aiko iaby. 42 Fa Yaveh mivola gnan'izao:"Manahaky gny nagnandesako zao loza iaby zao,la manahaky gnan'izay koa ro hagnandesako gny raha soa iaby aganamin-drozy ze nivolagniko fa hataoko amin-drozy. 43 Voho hisy baibo ho kaloe amy toy tana toy,ze volagninareo hoe:"Tany simba toy,ze tsy misy ndra olo ndra biby.Fa namea tan-tagnan'ireo Kaldeana toy." 44 Hikalo baibo amin'ny volafoty rozy voho hanoratsy amin'ny taratasy voatombo-kase.Hamory vavolombelo amin'ny tanin'i Benjamina ao rozy,gny magnodidy gnan'i Jerosalema iaby voho gny tanan'i Joda,agny amin'ny reo tana agny amin'ny tany abo voho reo tany gebo amorony,voho an-tanan'i Negeva ao.Fa hampimpoly gny hanagnany Zaho.zay ro fagnambaran'i Yaveh."