toko faha 33

1 La niavy fagnindroeny tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh,laha mbo voahily agnatin'ny kianjan'ny mpiamby ie,manao hoe: 2 "Yaveh gny Mpahary,ze mivola gnan'izao,Yaveh,ze mandamy mba hampifitaky,Yaveh ro agnarany, 3 Kaiho Zaho,la havaliko Iha.Hagnatoro raha bevata agnaminao Zaho,raha mivony ze tsy hainao. 4 Fa Yaveh,Andrianagnaharin'i Israely,mivola gnan'izao mikasiky gny tragno amin'ny tana toy eto voho gny tragnon'ny mpanjakan'i Joda ze nirava nohon'ny gny fiakaran'ny arosaro voho gny meso, 5 Avy gny Kaldeana hialy ka hagnome gny tragno amin'ireo fatin'olo ze hovonoako amin'ny fahatezerako voho gny fahasiahako,lafa magnetaky gny tarehiko amy toy tana toy Zaho nohon'ny gny haratian-drozy iaby. 6 Fe ingo,handay fagnasitra voho fagnafoly Zaho,fa hagnasitra gnan-drozy Zaho ka handay maro,fiadagna,voho fagnekea mahatoky. 7 Fa hampimpoly gny hanagnan'i Joda voho Israely Zaho;hagnamboatsy gnan-drozy mahanaky tamin'ny volohany Zaho. 8 La hagnalio gnazy amin'ny gny hadisoa iaby ze nataon-drozy tagnamiko Zaho.Hamela gny helony iaby ze nataony tagnamiko Zaho,voho gny lala iamby ze nanoherany Gnahy. 9 Fa toy tana toy la hanahaky gny raha mahafaly Gnahy,atsa-pandrengea voho voninahitsy ho gnan'ny gny firenena iaby amin'ny tany toy eto ze hahanja gny raha soa iaby ze hataoko ho gnazy.La hatahatsy voho hangitikititky rozy noho gny raha soa iaby voho fiadagna ze hameako gnazy. 10 Zao ro volagnin'i Yaveh,amin'itoy toera toy ze volagninao henanizao hoe:Rava zay,toera ze tsy misy ndra olo ndra biby,"eka amin'ireo tanan'i Joda,voho amin'ireo lalan'i Jerosalema ze fa rava tsy misy olo ndra biby,la ho ja ndraiky 11 gny feon'ny gny fifalea voho gny feon'ny fisinisinia,gny feon'ny mpagnatraky voho gny feon'ny ampekary,gny feon'ireo ze mivola,lafa manday fagnatitsy fisaora an-tragnon'i Yaveh."Misaora gnan'i Yaveh Tompon'ny gny maro,fa soa i Yaveh,voho gny hateany tsy mety rava maharitsy zisiky farany!"Fa Zaho hampimpoly gny hagnan'ny gny tany manahaky gny taloha toe,hoy Yaveh. 12 Zao ro volagnin'i Yaveh Tompon'ny gny maro hoe:"Amin'itoy toera rava toy,ze tsy misy ndra olo ndra biby henanizao,la hisy akata ze afaky hampitofan'ny gny tsimiasy gn'aondriny voho gn'aosiny ndraiky amin'ny tanany iaby. 13 Amin'ireo tana bevata amin'ny tana abo,gny tany gebo,voho Negeva,amin'ny tanin'i Benjamina voho amin'ny magnodidy gnan'i Jerosalema iaby,voho agny amin'ny tanan'i Joda,gnaondry voho gn'aosy la handalo ndraiky ambanin'ny tanan'ireo ze hagnisa gnazy reo,hoy Yaveh. 14 Ingo! Avy gn'andro,zay ro fagnambaran'i Yaveh,ze hagnanovako ze fampagnantenako tamin'ny havorohotan'i Israely voho gny havorohotan'i Jod. 15 Amin'izay andro voho fotoa zay la hampitiry tahony to ho gnan'i Davida Zaho,voho hagnantanteraky gny rariny voho gny fahamarina amin'ny tany ie. 16 Amin'izay la ho lomba i Joda,voho i Jerosalema hiay am-pilamina,fa zay ro hikaiha Gnazy "Yaveh ro fahamarignatsika." 17 Fa zao ro volan'i Yaveh:"Gn'olo bakamin'ny havorohotan'i Davida la tsy hijaly anakilahy ndra ombia ombia hifitarany amin'ny gny seza fiandranan'ny gny havorohotan'ny Israely, 18 ndra olo bakamin'ny Levita mpisoro la tsy ho tsy ampy agnatrehako mba hananga fagnatitsy,hagnoro fagnatitsy hohany,voho hagnatanteraky fagnatitsy vary amin'ny fotoa iaby." 19 Niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh,manao hoe: 20 " Zao ro volan'i Yaveh:Laha mahavita manimba gny fagnekea mahatokiko andro amagn'aly iha ka tsy hisy sasy gn'andro voho haly itraohan-drozy, 21 la hahavita zisiky farany gny fagnekea mahatokiko tamin'i Davida mpanompoko iha,ka la tsy haha anakilahy hifitaky amin'ny seza fiandriananny sasy ie,voho gny fagnekeako mahatoky tamin'ireo Levita mpisoro,mpanompoko. 22 Manahaky amin'ny gny miaramilan'ny gny lagnitsy tsy hay isahy,voho gny fasiky amoron-driaky agny tsy hay refesy,ro hampitomboako voho gny Levita ze nanompo tagnatrehako. 23 Niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh,manao hoe: 24 "Tsy nivetsevetsenao va ze nambaran'io vahoaky io lafa nivota rozy hoe:"Gny hasaveregna roe ze nifilin'i Yaveh la nilieriny hananizao!Amin'izay ro nanaovan-drozy tsy misy dikany gn'oloko,volagnin-drozy fa tsy tana amasony zasy rozy. 25 Zaho,Yaveh,ro mivola gnan'izao.Laha tsy nananga gny fagnekea mahatoky amin'ny gn'andro voho amin'ny gny haly Zaho,voho laha tsy nametraky lalagna ho gnan'ny gny lagnitsy voho gny tany, 26 la nandietsy gn'avorohotan'i Jakoba voho Davida mpanompoko Zaho,voho tsy nanday ho gan-drozy olo hanapaky manera gny havorohotan'i Abrahama,Isaka,voho Jakoba.Fa hampimoly gny hanagnany voho hanoro hasoafagnahy amin-drozy Zaho.