Toko faha 34

1 Gny safa ze niavy tamin'i Jeremia bakamin'i Yaveh,lafa nananga aly tamin'i Jerosalema voho gny tanany iaby i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona voho gny tafiny iaby,niaraky tamin'ny fanjakan'ny gny tany iaby,gny firenena ambany fahefany,voho gny vahoakin-drozy iaby,nanao hoe: 2 "Yaveh,Andrianagnaharin'Israely,la mivola gnan'izao:Mandena ka mirehafa amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ka volagno agnaminy Hoe:"Yaveh la mivola gnan'izao:Ingo,hagnome toy tana toy ho an-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona Zaho.Horoany zay. 3 Tsy ho afaky an-tagnany iha,fotony ho voasambotsy tokoa iha ka hatolotsy an-tagnany.Hagnety gny fijerin'ny mpanjakan'i Babylona gny fijerinao:hiresaky mivanta agnaminao ie laha magnagny Babylona iha. 4 Janjigno gny safan'i Yaveh,ry Zedekia mpanjakan'i Joda!Yaveh la mivola gnan'izao mikasiky gnanao:"tsy ho maty amin'ny gny meso iha. 5 Ho maty am-piadana iha.Toy gny fagnoroa tamin'ny fandevegna gny razambenai,gny mpanjaka talohanao,la horoan-drozy gny vatano.Hivola rozy hoe:'Loza,ry tompoko!Hisaona gnanao rozy.Henanizao fa nivola Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 6 Ka nambaran'i Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda tagny Jerosalema gny safa iaby . 7 Nialy tamin'i Jerosalema voho gny tana sisan'i Joda gny tafiky gny mpanjakan'i Babylona:Lakisy voho Azeka.Gny tanan'i Joda la niteotsy ho tana mivala. 8 Gny safa ze niavy tamin'i Jeremia bakamin'i Yaveh tafaran'ny nagnanovan'i Zedekia mpanjaka fagnekea tamin'ny gn'olo iaby Jerosalema tao,mba hagnambara fagnafaha amin-drozy 9 Fa gn'olo kiraikiraiky la tsy maintsy magnafaky gny andevony Hebreo,ndra johary ndra sevaky,mba tsy hisy hagnandevo gny Jiosy,ze rahalahiny. 10 Noho zay gny mpitariky iaby voho gn'olo la nilitsy tamin'ny gny fagnekea fa gn'olo kirsikirsiky iby la nagnafaky gny andevo lahiny voho gny andevo vaviny mb tsy ho andevozy sasy rozy.Nankato rozy ka nagnafaky gnan-drozy. 11 Fa tafaran'itoy la niova gny eritseritsin-drozy.Nampolin-drozy gny andevo ze nafahan-drozy.Niteren-drozy ho lasa andevo ndraiky rozy. 12 Ka la niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh,nanao hoe: 13 "Yaveh,Andrianagnaharin'i Israely,la mivola gnan'izo:"Zaho la nanao fagnekea tamin'ny gny razambenareo tamin'ny gn'andro ze nagnandesako gnan-drozy niboaky baka Egypta agny,hiboaky tamin'ny gny tragno fagnandevoza.Zay la tamin'ny Zaho nivola hoe: 14 "Isaky gny faran'ny gny fito tao gn'olo kiraikiraiky,la tsy maintsy mandefa gny rahalahiny,gny Hebreo namany ze nivarotsy gny vatany tagnaminao voho nanompo gnanao tagnatin'ny enitao.Engaho handeha an-kalalaha ie."Fa gny razambenareo la tsy ninjanjy Gnahy na nanongilan-tsofy tagnamiko. 15 Henanizao nareo nibebaky voho namototsy nanao ze to tamasoko teo.Nagnambara fahafaha nareo,gn'olo kiraikiraiky bakamin'ny mpira-belo tagnaminy,ka nanao fagnekea tagnatrehako tamin'ny tragno ze kaihy amin'ny agnarako nareo. 16 Fa bakeo nareo nivaliky ka nandoto gn'agnarako;nataonareo ze hampimpolian'ny gn'olo kiarikiraiky gny andevolahiny voho gny andevovaviny,reo ze nalefanareo handeha agny amin'ny ze tean-drozy.Niterenareo ho lasa andevo ndraiky rozy. 17 Noho zay Yaveh la mivola gnan'izao:"Nareo vatanareo la tsy ninjanjy Gnahy.Tokony nagnambara fahafaha tamin'ny gny rahalahinareo nareo,gny kiraikiraiky bakaminareo.Ka ingo!Hagnambara fahafaha agnaminareo Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fagnafaha amin'ny meso,gny arety mandrava,voho gny mosary,fotony hahavy gnanareo ho raha mahatsiravina amason'ny gny fanjaka iaby an-tany eto Zaho. 18 Bakeo la hifampiraharaha amin'olo ze nandrava gny fagnekeko Zaho,ze tsy nagnaraky gny safan'ny gny fagnekeko ze nampetraky tagnatrehako lafa nizara aombilahiny ho roe rozy ka nandeha tangnelanelan'izay, 19 voho bakeo gny mpitarikin'i Joda voho Jerosalema,gny tandapa voho gny mpisoro,voho gn'olo iaby tamin'ny tagny tao la nandeha tagnelagnelan'ny aombilahy fa voatetiky. 20 Hatolotsy an-tagnan'ireo fahavalony rozy voho ho an-tagnan'ny ze mikinia gn'ain-drozy.Ho hany ho gnan'ny gny voron'ny habakabaky voho gny bibidia'ny gny tany gny vatan-drozy. 21 Noho zay la hatolotro an-tagnan'ny gny fahavalony voho an-tagnan'ny ze mikinia gn'ain-drozy,voho an-tagnan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona ze nintsanga hanohitsy gnanreo i Zedekia mpanjakan'i Joda voho gny mpitariny. 22 Ingo,handefa baiko Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh,ka hampimpoly gnan-drozy amin'itoy tana toy mba hananga aly hanohitsy gnazy voho hanganaky gnazy,voho mbo hagnoro gnazy.Fa Zaho la hamadiky gny tanan'i Joda ho toera rava ze tsy hisy mpifitaky.