1 Avy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh tamin'ny andron'i Joiakima anakilahin'i Josia mpanjakan'i Joda,nanao hoe: 2 "Mandehana agny amin'ny hasaveregnan'ireo Rekabita voho miresaha amin-drozy.Bakeo la andeso ho amin'ny tragnoko ao rozy,amin'ny efitsy raiky ao.ka ameo divay hinominy rozy. 3 Ka nalako Jazania anakilahin'i Jeremia anakilahin'i Habazinia voho reo rahalahiny,gn'anakilahiny iaby,voho gny hasaveregnan'ireo Rekabita. 4 Nandesiko tan-tragnon'i Yaveh tao rozy,tamin'ny efitsin'ireo anakilahin'i Hanan anakilahin'i Jigdalia,gny joharin'Andrianagnahary.Reo efitsy reo la tagnilan'ny efitsin'ireo mpitariky,zay agnambon'ny efitsin'i Mahaseia anakilahin'i Saloma,azy mpiamby gny vavahady igny. 5 Voho napetrako tagnatrehan'ireo Rekabita teo gny sihoa voho gny kapoaky voho gny safany tamin-drozy hoe:"Minoma divay." 6 Nefa hoy rozy hoe:Tsy hino divay rahay,fotony gny razambenay,i Jonadaba anakilahin'i Rebeka,ro nandidy gnanay hoe:"Ka mino divay zisiky farany,ndra nareo ndra gny havorohotanareo. 7 Ka magnory tragno,mamafy voa,na mamboly tanim-boaloboky avao koa;tsy ho gnanareo zay.Fa nareo la tsy maintsy hifetaky agnaty lay amin'ny gn'andro iaby iaignanareo,mba hifitaranareo ela amin'ny gny tany ze ifitaranareo manahaky gny vahiny. 8 Fa nagneky gny safan'i Jonadaba anakilahin'i Rebeka,razambenay rahay,tamin'izay raha nandidiany gnanay,mba tsy hino divay mandritra gn'androm-piaignanay rahay,gny valinay,gn'anakilahinay,voho gn'anak'ampelanay. 9 Tsy nagnory tragno hifitara mihintsy rahay,saha,ndra voa ho fanagnanay. 10 Fa nifitaky tagnaty lay rahay ka nagneky voho nahavita ze raha nanidian'i Jonadaba razambenay. 11 Kanefa lafa nanafiky gny tany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona,la hoy rahay hoe:"Avia,tsy maintsy magnagny Jerosalema tsika mba handositsy gny tafiky gny Kaldeana voho Syriana."Ka la nifitaky tao Jerosalema rahay." 12 Bakeo la niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh,manao hoe: 13 "Yaveh tompon'ny maro,Andrianagnaharin'Israely,la mivola hoe:"Mandena ka volagno gny joharin'i Joda voho reo mponin'i Jerosalema hoe:"Tsy handramby fagnitsia voho hinjanjy gny safako va nareo?Zay ro fagnambaran'i Yaveh. 14 Reo safan'i Jonadaba anakilahin'i Rekaba ze nameany gn'anakilahiny ho lily,tsy hino divay,la jery zisiky amy zao fotoa zao.Nagneky gny lilin'ny razambeny rozy.Fa laha gny agnamiko,zaho vatako la fa nanao fagnambara zisiky farany tagnaminareo,nefa tsy minjanjy gnahy nareo. 15 Nagniraky reo mpanompo iaby,gny mpaminany tagnaminareo Zaho,Hentitsy Zaho tamin'ny fandefasa gnan-drozy hivola hoe:"Aoky gn'olo kiraikiraiky hiala amin'ny fomba ratiny ka hanao gn'asa soa;aoky tsy hisy hagnaraky dragnahary hafa ka hanompo gnan-drozy sasy.Fa mimpolia koa agny amin'ny gny tany ze nameako gnareo voho gny razambenareo.Ndra zay aza la mbo tsy ninjanjy Gnahy na hifantoky agnamiko nareo. 16 Nefa reo havorohotan'i Jonadaba anakilahin'i Rekaba la fa nitandry reo lilin'reo razamben-drozy ze nameany gnan-drozy,nefa tsy magneky hinjanjy Gnahy reo vahoaky reo." 17 Ka niteny zao Yaveh,Andrianagnahary Tompon'ny maro voho Adrianagnaharin'Israely hoe:"Ingo,andesiko eo amin'ny Joba voho gn'olo iaby miay ao Jerosalema ao reo loza iaby nitononiko fotony nirasaky tamin-drozy Zaho,nefa tsy ninjanjy rozy;nikaiky gnan-drozy Zaho,fa tsy namaly rozy." 18 Hoy Jeremia tamin'ny havorohotan'ireo Rekabita hoe:"Yaveh Tompon'ny maro,Andrianagnaharin'Israely,la mivola gnan'izao :Ninjanjy reo lilin'i Jonadaba razambenareo nareo voho niamby gnazy iaby,nagneky ze raha nandidiany hataonareo nareo, 19 ka Yaveh Tompon'ny maro,Andrianagnaharin'Israely,la mivola gnan'izao:"Tsy maintsy hisy olo bakamin'ny havorohotan'i Jonadaba anakilahin'i Rekaba hanompo Gnahy zisiky farany."