Toko faha 36

1 Ka tamin'ny tao fahaefatsy nanjakan'i Joiakima anakilahin'i Josia mpanjakan'i Joda,ro nahavy zao safa bakamin'i Yaveh zao tamin'i Jeremia,ka hoy Ie: 2 "Mangala taratasy raiky ho gnanao ka sorato amin'izay gny safa iaby ze fa nivolagniko aminao mikasiky gnan'i Israely voho Joda,voho gny tana iaby.Atavo zay ho gnan'ny raha iaby ze fa nivolagniko namototsy tamin'ny gn'andron'i Josia ka zisiky amin'ny toy andro tiy. 3 Vasa hinjanjy gny loza iaby ze neretseretiko handesy amin-drozy gny mponin'i Joda.Vasa hiala amin'ny lalan-dratiny avao gn'olo iaby,ka la ho afaky hamela gny helony voho gny fahotan-drozy Zaho." 4 Ka nikaiky gnan'i Baroka anakilahin'i Neria i Jeremia,ka nisoratan'i Baroka tagnatin'ny taratasy voho gny safa iaby ze nivolagnin'i Yaveh tamin'i Jeremia. 5 Bakeo la nagnome bakiko gnan'i Baroka i Jeremia.Hoy ie:"An-gandra ato zaho ka tsy afaka magnagny an-tragnon-dragnahary agny. 6 Ka tsy miantsy mandeha iha ka hamaky gny safa ze nitononiko voho ka nisoratanao tagnaty taratasy igny.Amin'ny gn'androan'ny fifandian-kany,la tsy maintsy vakinao an-tsofin'ny vahoaky an-tragnony gny safan'i Yaveh,voho an-tsofin'i Joda iaby ze bakamin'ny tanany avao koa.Ambarao gnan-drozy reo safa reo. 7 Vasa hoavy agnatrehan'i Yaveh avao gny fisolohoan-drozy famindram-po.Sava hiala amin'ny lalan-dratiny avao gn'olo kiaraikiraiky,fotony mare gny fahatezera voho gny fahasiaha ze fa nambaran'i Yaveh tamin'ireo vahoakiny reo.: 8 Ka la nataon'i Baroka anakilahin'i Neria ze raha iaby nandidian'i Jeremia mpaminany hatao.Nivakiny mare tan-tragnon'i Yaveh gny safan'i Yaveh. 9 Ka tamin'ny vola fahasivin'ny gny tao fahadimy nanjakan'i Joiakima anakilahin'i Josia,mpanjakan'i Joda,ro nagnambaran'ny vahoaky iaby tao Jerosalema voho gn'olo ze niavy tao Jerosalema bakagny amin'ireo tanan'i Joda gny fifadian-kany ho voninahitsin'i Yaveh. 10 Nivakin'i Bakora mare tan-tragnon'i Yaveh gny safan'i Jeremia,bakeo amin'ny tragnon'i Gemaria anakilahin'i Safana mpanora-dalana,tam-bonin'ny kianja,agnilan'ny vavahady filira gny tragnon'i Yaveh.Nataony tan-tsofin'ny vahoaky iaby zay. 11 Ka jan'i Mikaia anakihalin'i Gemaria anakilahin'i Safana gny safan'i Yaveh iaby tamin'ny taratasy. 12 Ninjotso tagny an-tragnon'ny mpanjakana ie,tamin'ny efitrin'ny mpitan-tsoratsy.Ndreo,fa nifitaky teo iaby gny manam-pahefa iaby:Elisama mpitan-tsoratsy,Delaia anakilahin'i Semaia,Elnatana anakilahin'i Akbora,Germaia anakilahin'i Safana,voho Zedekia anakilahin'i Hanania,voho gny manam-pahefa iaby. 13 Ka nitaterin'i Mikaia tamin-drozy gny safa iaby ze jany ze nivakin'i Bakora mare tan-tsofin'ny vahoaky. 14 Ka nalefan'ireo manam-pahefa iaby ho agny amin'ny Bakora i Jehody anakilahin'i Netanaia anakilahin'i Selemia anakilahin'i Kosa.Hoy i Jehody tamin'i Baroka hoe:"Rambeso an-tagnanao gny taratasy,la gny taratasy ze nivakia tan-tsofin'ny vahoaky,ka avia."Ka Bakora anakilahin'i Neria nandramby gny taratasy tan-tagnany tegny ka nandeha tagny amin'ireo manam-pahefa. 15 Ka hoy rozy tagnaminy:"Mipetraha ka vakio an-tsofinay eto toy."Ka la nivakin'i Bakora gny taratasy. 16 Ka lafa nahanja reo safa iaby reo rozy,la nifampagnety mavaka tamin'izay tagnilan'ny gn'olo kiraikiraiky ka nanao tamin'i Baroka hoe:"Tsy miantsy tanterintsika amin'ny mpanjaka tokoa reo safa iaby reo.' 17 Bakeo la nanontanian-drozy Bakora koe:"Volagno anay,tamin'ny fomba manao akory ro nanoratano reo safa ze nitonon'i Jeremia iaby reo?" 18 Bakora nanao tamin-drozy hoe:"Nitoniny tagnamiko reo safa reo,ka nisoratako tamin'ny ranomainty tamin'ny taratasy." 19 Ka hoy reo mnam-pahefa tamin'i Bakora :"Mandena,mietaha iha,voho i Jeremia koa.Aoky tsy hisy olo hahay gny misy gnanareo." 20 ka la nampetrakin-drozy tamin'ny efitsin'i Eliasama mpintan-tsoratsy gny taratasy,ka nandeha tagny amin'ny mpanjaka teo an-kianja rozy,ka nitanterahin-drozy tan-tsofin'ny mpanjaka gny raha iaby. 21 Ka nihirahin'ny mpanjaka hnagalaky gny taratasy i Jehody.Nalan'i Jehody tao amin'ny efits'i Eliasama mpitan-tsoratsy zay.Bakeo la nivakiny tan-tsofin'ny mpanjaka voho reo manam-pahefa iaby ze nitsanga tagnilany teo zay. 22 Nipetraky tan-tragno asotsin'ny gny mpanjaka tamin'ny vola faha sivy,voho nisy fatapera nirehitsy tagnatrehany teo. 23 Ka lafa namaky laliny telo na efatsy i Jehody,la nitapahin'ny mpanjaka tamin'ny gny meso zay ka napitsiny tagnatin'ny bolo tamin'ny fatapera tao taratasy igny zisiky hiravany iaby. 24 Fe tsy nampatahotsy ndra gny mpanjaka ndra reo mpanompony ze nahanja reo safa reo,ndra nandriatsy gny salony rozy. 25 Nandrara gny mpanjaka mba tsy hagnoro gny taratsy i Elnatana,Delia,voho Gemaria,fa tsy ninjanjy gnan-drozy ie. 26 Ka gny mpanjaka nandidy gnan'i Jeremela longony,Seraia anakilahin'i Azreila,voho selemia anakilahin'i Abdela mba hisambotsy gnan'i Baroka mpanoratsy lalagna,voho i Jeremia mpaminany,fe naetakin'i Yaveh rozy. 27 Ka niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh tafaran'ny nagnoroan'ny gny mpanjaka gny taratasy voho reo safa ze nisoratan'i Baroka tamin'ny fanognonan'i Jeremia,manao hoe: 28 "Mimpolia,mangala taratasy raiky hafa ho gnanao,ka sorato amin'izay gny safa iaby ze tagnatin'ny taratsy volohany igny,la azy fa nioroan'i Joiakima mpanjakan'i Joda. 29 Ka tsy maintsy volagninao amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda zao:"Noroanao toy taratatsy toy,ze mivola hoe:Nagnino iha ro nanoratsy teo amin'izay ho avy tokoa gny mpanjakan'i Babylona ka handrava toy tana toy,fa haravany ndra gn'olo ndra gny biby agnaminy ao?" 30 Noho zay la zao ro volagnin'i Yaveh gny mikasiky gnanao,ry Joiakima mpanjakan'i Joda:"Tsy hisy sasy amin'ireo havorohotanao hipetraky amin'ny seza fiandrianan'i Davida.Laha gny agnaminao,gny fatinao la haria amin'ny halin-drano egny voho amin'ny nintsin'ny gny haly. 31 Fa ho saziko iha,gny havorohotanao,voho gny mpanomponao nohon'ny gny helokao iaby.Handesiko agnaminao,amin'ny mponin'i Jerosalema iaby,voho amin'ny gn'olon'i Joda iaby gny loza iaby ze fa nampitahorako gnanareo,fe tsy nitandremanareo mihitsy." 32 Ka nangalaky taratasy hafa i Jeremia ka nameany gnan'i Baroka anakilahin'i Neria mpanoratsy lalagna zay.Nisoratin'i Baroka tamin'izay gny safa iaby ze tagnatin'ny taratasy noroan'i Joikima mpanjakan'i Joda igny tamin'ny fanognonann'i Jeremia .Voho mbo nampeany safa lako hafa mitovitovy tamin'itoy taratsy toy.