Toko faha 37

1 Ka zedekia anakilahin'i Josia la nanjaka tamin'ny toeran'i Jekonia anakin'i Joiakima.Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ro nanao gnan'i Zedekia ho mpanjaka tamin'ny tanin'i Joda. 2 Fa i Zedekia,reo mpanompony,voho gny vahoakin'ny tany la tsy ninjanjy gny safan'i Yaveh ze nambarany tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeremia mpaminany. 3 Ka Zedekia mpanjaka,Jehokala anakin'i Selemia,voho Zefania anakin'i Mahaseia mpisoro la nandefa hafatsy ho gnan'i Jeremia mpaminany.Hoy rozy:"Mivavaha amin'i Yaveh Andrianagnaharintsika ho gnantsika." 4 La niavy i Jeremia ka nagnegny amin'ny vahoaky,fotony mbo tsy natao an-gadra agny ie. 5 Niavy baka Egypta agny gny tafikin'i Farao,voho gny Kaldeana ze nanao arosaro gnan'i Jerosalema la nahanja gny vaovao mikasiky gnan-drozy ka niala tao Jerosalema. 6 La niavy tamin'i Jeremia mpaminany gny safan'i Yaveh,manao hoe:" 7 Yaveh,Andrianagnaharin'Israely,mivola gnan'izao:Zao ro ho volagninareo amin'ny mpanjakan'i Joda,fotony nandefa gnanareo hangala fagnahy Gnahy ie,ingo,fa an-dala himpoly ho agny Egypta,ze taninn'ny gny tafikin'i Farao,ze niavy hagnampy gnanao. 8 Ka himpoly gny Kaldeana.Hialy hanohitsy toy tana toy rozy,hisambotsy,voho hagnoro gnazy. 9 Hoy Yaveh hoe:"Ka mamitaky gny vatanareo amin'ny fivolagna hoe:"Fa nagnenga gnanay vatany gny Kaldeana,fa tsy hagnenga gnanareo rozy. 10 Ndra la fa naharesy gny tafiky ny Kaldeana iaby ze nialy tagnaminareo aza nareo mba ho gny johariny maratsy avao ro henga amin'ny tragnony,fa hiamby rozy ka hagnoro toy tana toy." 11 Ka tamin'ny nagnengan'ny tafiky Kaldeana gnan'i Jerosalema ro niavian'ny tafikin'i Farao, 12 la niboaky baka Jerosalema ao Jeremia mba ho agny amin'ny tanin'i Benjamina.Fa nieritseritsy hangalaky gnilany amin'ny tany tamin'ny vahoakiny tao ie. 13 Laha tamin'ny vavahadin'i Bejamina ie,la teo gny lehiben'ny gny mpiamby.Jiria anakin'i Selemia anakin'i Hanania ro agnarany.Nintanjaky gnan'i Jeremia mpaminany ie ka nivola hoe:"Mandosotsy gny Kaldeana iha." 14 Fe hoy Jeremia:"Tsy to zay.Tsy mandositsy gny Kaldeana zaho."Fa tsy ninjanjy gnazy i Jiria.Nalany Jeremia voho nandesiny tamin'ny gny manam-pahefa. 15 Neloky gnan'i Jeremia reo manam-pahefa.Nivangoan-drozy ie voho nampiliriny an-gadra ao,ze tragnon'i Jonatana mpanora-dalana,fotony navalikin-drozy ho figadra zay. 16 Ka natao amin'ny gny trano ambanin'ny gny tany Jeremia,ze ninjanognany andro maromaro. 17 Ka nandefa olo handay gnazy an-dapa i Zedekia mpanjaka.Nagnotany gnazy magingiky gny mpanjaka tan-tragnony tao hoe:"Misy safa bakamin'i Yaveh va?Namaly Jeremia hoe:"Misy safa:Hatolotsy an-tagnan'ny mpanjakan'i Babylona iha. 18 La hoy i Jeremia tamin'i Zedekia mpanjaka:"Manao akory ro hanotako agnaminao,gny mpanomponao,ndra toy olo maro toy ka la nametrahanao gnahy an-gadra ato? 19 Aia gny mpaminaninareo,rozy ze maminany ho gnanao voho nivola fa tsy ho avy hanohitsy gnanao na toy tany toy gny mpanjakan'i Babylona? 20 Fa henanizao minjanjigna,ry mpanjaka tompoko!Aoky ho avy agnatrehanao gny fisolohoako.Ka ampoly an-tragnon'i Jonatana mpanora-dalana agny zaho,fa ho maty agny zaho."